FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g02 8/1 p. 31
  • Faly Noho ny Fivavahany ny Zatovo Iray

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Faly Noho ny Fivavahany ny Zatovo Iray
  • Mifohaza!—2002
  • Mitovitovy Aminy
  • Tsaroana “Ireo Niharam-pahavoazana Hadinon’ny Tantara”
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2004
  • Nandresy ny Fanenjehan’ny Nazia Ireo Olona Be Herim-po Tsy Nivadika
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2001
  • ‘Te Hianatra Bebe Kokoa Momba ny Fivavahako Aho’
    Mifohaza!—2005
  • Mihoatra Noho Izay Nantenainy no Vitany
    Mifohaza!—2003
Hijery Hafa
Mifohaza!—2002
g02 8/1 p. 31

Faly Noho ny Fivavahany ny Zatovo Iray

NASAIN’NY mpampianatra nanao famelabelarana momba ny kolontsaina nolovany i Andrew, 13 taona. Hoy izy: “Saika hiresaka momba ny dadabeko aho tamin’ny voalohany. Nieritreritra kely anefa aho hoe: ‘Vavolombelon’i Jehovah ange aho e! Tena afaka hiresaka momba ny finoako aho amin’io!’

‘Miorena Mafy’ no nataoko loha hevitr’ilay famelabelarana. Nanao sary lehibe nampiseho ny fanenjehana mafy dia mafy nihatra tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah tany Alemaina Nazia koa aho. Nampiseho akanjo nisy telozoro volomparasy toy ny an’ireo voafonja aho ary sary sy taratasy samihafa avy tamin’ny fianakaviana Kusserow.a Nataoko kopia sy nozaraiko tamin’ny mpihaino koa ny taratasy nalefan’ny Vavolombelon’i Jehovah ho an’ny fitondram-panjakana alemà. Tsy nisy resaka politika ilay izy fa nanakiana mafy kosa ny tsy rariny natao tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Nalefa nandritra ilay famelabelarana, ilay vidéo hoe Niorina Mafy ny Vavolombelon’i Jehovah Nanoloana ny Fanafihana Nazia (frantsay). Nampiseho Baiboly sy bokikely ary trakta koa aho.

Natao tao amin’ny kianja mitafo ilay famelabelaranay, ka ny mpianatra sy ny mpampianatra rehetra aloha no nijery. Nasaina indray ny havana aman-tsakaizan’ireo mpianatra ny ampitso harivan’iny. Betsaka no tsy nahalala mihitsy hoe nenjehin’ny Nazia ny Vavolombelon’i Jehovah ka nametraka fanontaniana tamiko.”

Niaiky i Andrew fa nila herim-po ny niresaka momba ny finoany. Hoy izy: “Fantatro fa hisy haneso ahy, kanefa ho nanenina mafy aho raha tsy nanao izany. Olona namoy ny ainy noho ny finoany an’i Jehovah no tena noresahiko tao amin’ilay famelabelarana. Koa noheveriko fa ny kely mba azoko natao dia ny niaritra fanakianana.”

Faly i Andrew tamin’ny farany satria nanararaotra nitory. Hoy izy: “Niresaka tamin’ny olona maro momba ny antony tsy handehanantsika hiady aho, ary nahapetraka Baiboly sy boky ary trakta tamin’ireo liana.” Hoy koa izy: “Mbola tsy faly ohatra izany mihitsy aho satria hoe Vavolombelon’i Jehovah.”

[Fanamarihana ambany pejy]

a Telozoro volomparasy no marika nahafantarana ny Vavolombelon’i Jehovah tany amin’ny toby. Vavolombelon’i Jehovah ry Kusserow, ary tsy nivadika tamin’ny finoany nandritra ny fitondrana nazia. Jereo Ny Tilikambo Fiambenana 1 Desambra 1985, pejy faha-10-15.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara