FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g02 8/2 p. 18-24
  • Fanenjehana Fivavahana any Géorgie—Mandra-pahoviana?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fanenjehana Fivavahana any Géorgie—Mandra-pahoviana?
  • Mifohaza!—2002
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Fiampangana nivadika ho fanafihana
  • Tsy nofaizina ireo mpihetraketraka
  • Nihanahery setra satria tsy nosazina
  • Didim-pitsarana nampisavorovoro
  • Toherin’ny olona an’arivo any Géorgie ny fanenjehana
  • “Hampakarina fitsarana ny hetraketraka rehetra”
  • Nahazo Rariny Ireo Niharan’ny Herisetra
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2008
  • “Fahagagana” Roa Tamin’ny Fivoriambe Tany Géorgie
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2007
  • ‘Miaro sy Manamafy Orina ny Vaovao Tsara Araka ny Lalàna’
    Vavolombelon’i Jehovah—Mpitory ny Fanjakan’Andriamanitra
  • Nieritreritra Aho hoe Efa Tafita
    Diarin’ny Vavolombelon’i Jehovah 2017
Hijery Hafa
Mifohaza!—2002
g02 8/2 p. 18-24

Fanenjehana Fivavahana any Géorgie—Mandra-pahoviana?

TANY KANTO DIA KANTO i Géorgie, manomboka any amin’ny faritra mafana antonony, any amin’ny morontsiraky ny Ranomasina Mainty, ka hatrany amin’ireo Tendrombohitra Caucase mangatsiaka be. Ala mikitroka sy renirano mahery ary lohasaha lonaka, no mandravaka io faritra be tendrombohitra io, izay mahazo an’i Eoropa ary mandray kely amin’i Azia. Tanàna maresaka i Tbilissi, renivohitr’i Géorgie, ahitana trano maoderina sy trano ntaolo tsara rafitra. Ny mponina ao aminy anefa no tena reharehan’i Géorgie, satria malaza ho mifankatia ny fianakaviana any ary tena mahay mandray vahiny.

Nisy nampijaly foana ny mponin’i Géorgie taloha. Nanafika ny tanin’izy ireo i Roma, Persa, Byzance, Arabia, Torkia, Mongolia, Rosia, sy ny hafa koa. Araka ny loharanon-kevitra iray, dia efa in-29 no rava i Tbilissi!a Mbola tian’ireo mponin’i Géorgie foana anefa ny fiainana, zavakanto, hira ary ny dihy, ary tsy izay ihany fa mbola malaza foana ho vahoaka be fandeferana ry zareo.

Mampalahelo anefa, fa tsy toy izany intsony ny olona rehetra any. Tao anatin’ny roa taona farany, dia nisy antokon’olom-bitsy nihetraketraka tamin’ny mpiray tanindrazana taminy an-jatony, ka nanala baraka ny fireneny. Lehilahy sy zaza amam-behivavy tsy manan-tsiny ary zokiolona sy kilemaina koa, no notafihina sy nodarohan’ilay vahoaka tezitra. Novelezin’izy ireo tamin’ny kibay feno fantsika sy tamin’ny vy ireny olona ireny, ka mangana ny vatany, rotidrotika ny tarehiny, ary naratra be ny lohany. Nahoana anefa no nodarohana tamin-kabibiana ireny olona ireny, nefa tsy nampidi-doza akory? Noho izy ireo Vavolombelon’i Jehovah, fikambanana kristianina any Géorgie, izay efa nisy tany raha mbola tsy teraka akory ny ankamaroan’ireo mpihetraketraka.

Fiampangana nivadika ho fanafihana

Na dia miantoka ny fahalalahana ara-pivavahana aza ny lalàn’i Géorgie, dia matetika no noraofin’ny manam-pahefana ny boky sy gazety navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Nilaza ny mpiasan’ny doanina, tamin’ny Aprily 1999, fa tsy misy boky azo avoaka raha tsy misy fahazoan-dalana avy amin’ny lehiben’ny Eglizy Ortodoksa.b Mbola voatonona koa ny Eglizy Ortodoksa ny volana nanaraka an’iny, fa tao amin’ny fitsaram-paritr’i Isani-Samgori any Géorgie indray tamin’izay. Nametraka fitoriana hanafoanana ny fikambanana ara-dalàna ampiasain’ny Vavolombelon’i Jehovah i Guram Charadze, filoha lefitry ny Parlemanta sady filohan’ny antoko politika antsoina hoe “Géorgie no Ambony Indrindra!” Nampangainy ho vahoaka mpanohitra sady mampidi-doza ny Vavolombelona. Iza no nomba an’i Charadze? Taratasy avy tamin’ny sekreteran’ny Lehiben’ny Eglizy Ortodoksa any Géorgie no nampiarahina tamin’ilay fitoriana.

Nanao sonia ny Fifanarahan’ny Eoropeanina ho Fiarovana ny Zon’olombelona sy ny Fahafahana Fototra i Géorgie, ny 20 May 1999, ka nandray an-tsitrapo ny adidy hanaja ny andininy rehetra amin’io fifanarahana io. Milaza ny andininy faha-10 hoe: “Manana zo hilaza ny heviny ny olon-drehetra. Anisan’izany ny fahafahana hanana ny fomba fijeriny ary handray sy hampiely vaovao sy hevitra. Tsy tokony hisy fanakantsakanana avy amin’ny manam-pahefana ary tsy hijerena sisin-tany.” Nampitsahatra ny fiezahan’ireo mpanohitra ny Vavolombelona, handrara ny boky sy gazety ara-pivavahana ve izany? Tsy izany velively!

Ny 21 Jona 1999, dia nandefa taratasy ho an’ny lehiben’ny doanina, ny Biraon’ny Patriarikan’i Géorgie Manontolo. Nanamafy izy fa “tokony horarana ny fanelezana boky ara-pivavahana avy any ivelany.” Nilaza koa i Giorgi Andriadze, mpitondra teny ofisialin’ny Eglizy Ortodoksa any Géorgie, fa mampidi-doza ny Vavolombelon’i Jehovah ka tokony horarana ny asany. Tonga tany am-poto-tsofin’ny mpivavaka mafana fo izany. Efa nandoro ny bokin’ny Vavolombelon’i Jehovah izy ireo taloha, ka natoky izy ireo izao fa afaka manafika ny Vavolombelona, ary ho afa-maina. Nanafika indray àry izy ireo ny alahady 17 Oktobra 1999.

Tsy nofaizina ireo mpihetraketraka

Nanao fivoriana ara-pivavahana ny Vavolombelon’i Jehovah 120 tany Tbilissi, tamin’io alahady io, ka lehilahy sy zaza amam-behivavy no nanatrika tao. Tampoka teo, dia niditra an-keriny tao amin’ilay toeram-pivoriana i Vasili Mkalavishvili, pretra ortodoksa taloha, niaraka tamin’ny mpanara-dia azy 200.c Nohodidinin’izy ireo ny Vavolombelona, ary noveliveleziny tamin’ny kibay sy lakroa vy. Nisy efatra tamin’ireo mpanafika, nisambotra Vavolombelona iray tamin’ny sandriny sy ny vozony. Natsingolok’izy ireo ilay Vavolombelona ary nokakasany ny lohany. Faly erỳ tamin’izay ireo mpanafika hafa an’ilay Vavolombelona nalam-baraka. Vavolombelona 16 no tsy maintsy nampidirina hopitaly, rehefa lasa ireo mpanafika. Tapaka ny telo tamin’ny taolan-tehezan’ny lehilahy iray. Izao no tsaroan’ny vehivavy Vavolombelona iray, 40 taona, atao hoe Phati: “Nivazavaza tamiko ry zareo, ary ny iray taminy namely totohondry ahy araka izay fara heriny. Nasiany ny tarehiko, ary nasiany koa ny masoko. Niezaka aho hiaro ny tarehiko tamin’ny tanako. Nijininika tamin’ny tanako ny ra.” Tsy nahita ny mason’i Phati ankavia, rehefa avy novonoin’ilay olona tsy nifaditrovana. Mbola mitondra takaitra foana i Phati hatramin’izao, vokatr’izany.

Naseho tao amin’ny televiziona io fanafihana tsy nifaditrovana io, ary nahatonga ny Prezidà Édouard Chevardnadze hilaza ny heviny ny ampitson’iny, hoe: “Manameloka an’iny zava-nitranga iny aho, ary heveriko fa tokony hametraka fitoriana ny mpitandro filaminana.” Naseho tao amin’ilay horonan-tsary ireo mpihetraketraka sy ny mpitarika azy, ka tsy tokony ho sarotra ny manameloka azy ireo. Roa taona atỳ aoriana anefa dia mbola tsy nisy voaheloka izy ireo.

Nihanahery setra satria tsy nosazina

Tsy nihetsika mihitsy ireo manam-pahefana, na ny mpitondra fanjakana na ny mpitondra fivavahana, ka tsy mahagaga raha nihevitra ireo mpihetraketraka hoe ho afa-maina izy ireo. Tsy nosazina izy ireo, ka vao mainka izany nampirisika azy hahery setra kokoa. Norobainy sy novonoiny ary nodakany ny Vavolombelon’i Jehovah, na tany an-trano na teny an-dalana na tany amin’ny toeram-pivavahany. Misy 80 mahery ny fanafihana efa voarakitra an-tsoratra, natao tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah, teo antenatenan’ny Oktobra 1999 sy ny Aogositra 2001, ary efa 1 000 mahery no niharam-pahavoazana tamin’izany. Kanefa mbola nilaza tamin’ny mpanao gazety indray ny mpampanoa lalàna tao Tbilissi, ny 9 Febroary 2001, hoe “mbola atao” ny famotopotorana momba an’i Vasili Mkalavishvili. Mampalahelo fa tamin’ny fotoana nanoratana an’ity lahatsoratra ity, dia mbola avelan’ny manam-pahefana foana ireo mpanohitra ny Vavolombelon’i Jehovah hanohy ny herisetrany feno fankahalana.—Jereo ilay faritra voafefy hoe “Mitohy Ihany ny Hetraketraka.”

Inona no ataon’ny polisy? Nasehon’ny fampahalalam-baovao sy ny horonan-tsary fa tsy misakana ny fanafihana ny Vavolombelon’i Jehovah ny polisy, sady mandray anjara amin’izany koa! Ohatra, ny 8 Septambra 2000, tany Zugdidi, dia nisy polisy maromaro nitondra kibay, nandrava fivoriambe nilamina tsara nisy Vavolombelon’i Jehovah 700. Nitantara ireo nanatri-maso, fa nandripaka izay hitany rehetra ireo polisy nisaron-tava, ka nandaroka Vavolombelona 50 mahery. “Tena nahavaky fo ilay izy”, hoy ny tompon’ilay toerana nanaovana fivoriambe. Tsaroany ny tarehin’ireo ankizy kely nihorohoro nandre basy nirefodrefotra, nanaovana tifi-danitra. Nopotehin’ireo polisy sy nodorany ilay toerana. Mbola tsy nisy nosazina anefa izy ireo, hatramin’izao.

Tsy naningana ny fisehoan-javatra nahatsiravina toy izany (jereo ny faritra voafefy hoe “Mandray Anjara koa ny Polisy”). Ny 7 May 2001 àry, dia nilaza ny Komitin’ny Firenena Mikambana Miady Amin’ny Fampijaliana fa manahy izy ireo, satria “mitohy foana ny fampijaliana sy fitondrana amin-kabibiana ataon’ny mpitandro filaminana any Géorgie.” Manahy koa izy ireo satria “betsaka ny fitarainana voaray noho ny fampijaliana, nefa ny famotorana lalina sy haingana ary tsy misy fiangarana, dia tsy natao mihitsy.”d Nametraka fitarainana 400 mahery, tany amin’ny polisy tokoa, ny Vavolombelon’i Jehovah, nefa tsy nisy na iray aza nanamelohana ireo mpihetraketraka. Fantatra tsara anefa ireo mpihetraketraka! Nilaza àry ny Mpisolovava Mpiaro any Géorgie, voafidin’ny parlemanta, hoe: “Ireo natao hiaro ny zon’olombelona indray no manitsakitsaka azy io. Ataon’izy ireo tsinontsinona ny zon’olombelona.”

Didim-pitsarana nampisavorovoro

Toy ny hoe tsy ampy ny herisetra tsy ara-dalàna nataon’ny mpihetraketraka sy ny polisy, ka vao namoaka didy nampisavorovoro saim-bahoaka momba ny zon’ny Vavolombelon’i Jehovah indray ny Fitsarana Tampony any Géorgie.

Andeha hodinihintsika ny zavatra sasany momba izany. Nametraka fitoriana i Guram Charadze, mpanao politika, mba hanafoanana ny fikambanana ara-dalàna ampiasain’ny Vavolombelon’i Jehovah. Nolavina ny fitoriana nataony, ny 29 Febroary 2000. Nampakatra fitsarana ambony anefa izy ka nandresy. Nangataka Fitsarana Tampony kosa àry ny Vavolombelon’i Jehovah. Nisy tsipirian-dalàna nahatonga ny Fitsarana Tampony tsy hanome rariny ny Vavolombelon’i Jehovah, ny 22 Febroary 2001. Nilaza ny Fitsarana Tampony fa araka ny Lalàm-panorenana, dia tokony hosoratana mifanaraka amin’ny fehezan-dalàna manokana iray ny fikambanana ara-pivavahana rehetra. Mbola tsy misy anefa ny lalàna manome ny tsipiriany mahakasika izany. Nanatsoaka hevitra àry ny fitsarana fa tsy misy fomba azo anoratana ara-panjakana ny Vavolombelon’i Jehovah, raha tsy misy io lalàna io. Any Géorgie anefa dia efa misy fikambanana hafa tokony ho 15, manao asa ara-pivavahana, voasoratra ara-dalàna.

Nilaza toy izao momba ny didim-pitsarana navoakan’ny Fitsarana Tampony i Mikheil Saakashvili, minisitry ny Fitsarana any Géorgie, rehefa nanontaniana tao amin’ny televiziona: “Raha ny lalàna no jerena, dia hita fa misy zavatra mampiahiahy amin’iny didim-pitsarana iny. Amiko dia tsy iny no pejy tsara indrindra ao amin’ny tantaran’ny Fitsarana Tampony.” Niresaka tamin’ny Sampan-draharahan’ny Filazam-baovaon’i Keston i Zurab Adeishvili, mpitari-draharaha am-perinasa, ao amin’ny komitin’ny fitsarana ao amin’ny parlemantan’i Géorgie. Nolazainy fa “tena manahy” izy noho ilay didim-pitsarana, satria “vao mainka izy io mampirisika ireo olona mahery fihetsika ao amin’ny Eglizy [Ortodoksa any Géorgie] hangeja ny fivavahana madinika.” Mampalahelo fa voamarina ny fanahiany. Andro vitsivitsy taorian’ny nivoahan’ilay didim-pitsarana, dia nanomboka indray ny herisetra tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Samy nisetrasetra tamin’ny Vavolombelona daholo, na ny mpihetraketraka na ny polisy na ny pretra ortodoksa tamin’ny taona 2001, ny 27 Febroary, 5 Martsa, 6 Martsa, 27 Martsa, 1 Aprily, 7 Aprily, 29 Aprily, 30 Aprily, 7 May, 20 May, 8 Jona, 17 Jona, 11 Jolay, 12 Aogositra, 28 Septambra, sy ny 30 Septambra, ary mbola mitohy ihany izany.

Tsy fanaon’ny Fitsarana Tampony ny manazava ampahibemaso indray ny didim-pitsarana efa navoakany. Nanao izany anefa izy rehefa nirongatra indray ny fanenjehana, ka izao no fanazavany: “Mampalahelo fa diso ny fandraisan’ny vahoaka ny fanafoanan’ny Fitsarana Tampony ny Fikambanan’ny Vavolombelon’i Jehovah ... Nofoanana ny fanoratana azy ireo ho fikambanana ara-dalàna, nefa tsy nohitsakitsahina na noferana mivantana na an-kolaka, ny zony malalaka hanana ny heviny sy hihaino ny feon’ny fieritreretany. Tsy noferana ny fahalalahany hanova ny finoany, na irery na miaraka amin’ny olon-kafa, na ampahibemaso na mitokana. ... Tsy noferan’ny didim-pitsarana navoakan’ny Fitsarana ny zon’izy ireo handray na hizara vaovao sy hevitra. Tsy nandrara azy ireo tsy hanao fivoriana milamina koa izany.”

Toherin’ny olona an’arivo any Géorgie ny fanenjehana

Tsy nisy vokany firy tamin’ireo mpihetraketraka ny fanambaran’ny Fitsarana Tampony. Mampihetsi-po anefa ny mahita fa olona an’arivo any Géorgie no manameloka an’ilay fanenjehana tsy misy farany. Nisy taratasy naelin’ny Vavolombelon’i Jehovah, nanomboka ny 8 Janoary 2001. Izy io dia taratasy fangatahana ny hiarovana azy ireo amin’ny fanafihana feno herisetra sy ny hanasazian’ny lalàna ireo nandray anjara tamin’izany. Olon-dehibe 133 375, avy any amin’ny faritra rehetra any Géorgie, no nanao sonia an’ilay fangatahana, tao anatin’ny tapa-bolana. Misy 15 000 monja anefa ny Vavolombelon’i Jehovah any Géorgie. Rehefa dinihina àry, dia mety ho mpikambana ao amin’ny Eglizy Ortodoksa any Géorgie daholo ny ankamaroan’ireo nanao sonia. Nanjavona ilay fangatahana ny 22 Janoary 2001. Fa naninona?

Nisy valandresaka ho an’ny mpanao gazety tamin’io andro io natao tao amin’ny biraon’i Nana Devdariani, Mpisolovava Mpiaro any Géorgie. Ny fampisehoana amin’ny fomba ofisialy ilay fangatahana, no anton’ilay valandresaka. Tampoka teo, dia niditra tao amin’ilay birao i Vasili Mkalavishvili sy ny namany folo mba haka an-keriny ny boky 14 nisy ilay fangatahana. Niezaka niaro an’ilay fangatahana ny solontenan’ny Fikambanan’i Caucase Miaro ny Fandriampahalemana sy ny Demokrasia, nefa norahonan’ireo mpanakorontana izy. Nanao ompa vary raraka i Mkalavishvili, ary ny namany nandrombaka ny 12 tamin’ireo boky teny amin’ireo mpikarakara ilay valandresaka, ary nitondra azy ireny nitsoaka avy eo. “Tsy mampino ilay izy!”, hoy ny diplaomaty vahiny iray, nanatri-maso ilay zava-nitranga. Soa ihany fa tafaverina tany am-pelatanan’ny Vavolombelona ilay fangatahana, ny 6 Febroary, ary nomena ny prezidàn’i Géorgie, ny 13 Febroary 2001.

“Hampakarina fitsarana ny hetraketraka rehetra”

Manantena ny Vavolombelon’i Jehovah rehetra, any Géorgie sy maneran-tany, fa hanao zavatra ny prezidàn’i Géorgie noho iny fangatahana iny. Efa nanameloka ny fanenjehana ny Vavolombelon’i Jehovah foana koa mantsy ny Prezidà Chevardnadze hatramin’izay. Ny 18 Oktobra 1999, dia nilaza izy fa “fanaovana vono moka” ny fanafihana ny Vavolombelon’i Jehovah, ka “tsy azo leferina.” Nanoratra toy izao ho an’ny mpikambana ao amin’ny Filan-kevi-pitantanan’ny Vavolombelon’i Jehovah koa izy, ny 20 Oktobra 2000: “Hanao araka izay fara herinay mihitsy izahay hanafoanana ny herisetra.” Nilaza koa izy hoe: “Manome toky anao aho, fa ny manam-pahefana eto Géorgie dia tapa-kevitra hatrany hanatanteraka ny adidiny hiaro ny zon’olombelona sy ny fahafahana hihaino ny feon’ny fieritreretana.” Nilaza indray izy tao amin’ny taratasy nalefany ho an’ny Vaomieran’ny Filaminana sy ny Fiaraha-miasa any Eoropa, ny 2 Novambra 2000, hoe: “Mampanahy be ny vahoakantsika sy ny fanjakana io raharaha [momba ny toeran’ny fivavahana madinika manoloana ny lalàna eto Géorgie] io.” Nanome toky izy avy eo hoe: “Hampakarina fitsarana ny hetraketraka sy herisetra rehetra, ary hampamoahina eo anatrehan’ny lalàna ireo manao ratsy toy izany.”

Manantena ireo mpandinika velom-panahiana any Eoropa sy any an-tany hafa, fa ho tanteraka tsy ho ela izany teny hentitra nolazain’ny Prezidà Chevardnadze izany. Eo am-piandrasana an’izany, dia mivavaka hatrany ho an’ireo Vavolombelon’i Jehovah any Géorgie ny mpiray finoana aminy maneran-tany. Hanompo an’i Jehovah hatrany anie ireo Vavolombelona be herim-po ireo, na dia mafy aza ny fanenjehana!—Salamo 109:3, 4; Ohabolana 15:29.

[Fanamarihana ambany pejy]

a Miresaka bebe kokoa momba an’i Géorgie ny lahatsoratra hoe “Géorgie: un héritage ancien mais toujours vivant”, ao amin’ny Réveillez-vous! 22 Janoary 1998.

b Natsahatry ny Sampan-draharahan’ny Fadin-tseranana anefa ny fandraofana ny bokin’ny Vavolombelon’i Jehovah, nandritra ny taona 2001.

c Noroahina tao amin’ny Eglizy Ortodoksa any Géorgie i Vasili Mkalavishvili teo antenatenan’ireo taona 1990. Nandevilevy mafy an’ilay Eglizy mantsy izy, noho izy io mpikambana tao amin’ny Filan-kevitry ny Fiangonana Maneran-tany. Taoriana kelin’izay izy dia niaraka tamin’ny Grika Mpanaraka ny Kalandrie Tranainy, tarihin’ny Lehibe Cyprien.

d I Géorgie dia anisan’ny fanjakana 123 tafiditra amin’ny Fifanarahan’ny Firenena Mikambana miady amin’ny fampijaliana olona. Koa nandray ny adidy “handrara ny fampijaliana” àry i Géorgie.

[Teny notsongaina, pejy 24]

“Hampakarina fitsarana ny hetraketraka sy ny herisetra rehetra, ary hampamoahina eo anatrehan’ny lalàna izay manao ratsy toy izany.”—Prezidàn’i Géorgie, Édouard Chevardnadze, 2 Novambra 2000

[Efajoro, pejy 24]

“Antenainay fa ho voalamina io raharaha [momba ny herisetra atao amin’ny fivavahana madinika] io, ka hanana fahafahana feno haneho ny finoany ny fivavahana rehetra any Géorgie.”—David Soumbadze, mpanolo-tsaina ambony ao amin’ny Ambasadin’i Géorgie any Washington, D.C., any Etazonia, 3 Jolay 2001

[Efajoro/Sary, pejy 20]

MITOHY IHANY NY HETRAKETRAKA

Tsy nohelohin’ny manam-pahefana any Géorgie ireo mpihetraketraka amin’ny Vavolombelon’i Jehovah, ka vao mainka nihamafy ny fanenjehana ny Vavolombelona.

Ohatra, ny 22 Janoary 2001, dia niditra an-keriny tao amin’ny fivoriana ara-pivavahana nisy Vavolombelona 70, tany Svanetis Ubani, any akaikin’i Tbilissi, i Vasili Mkalavishvili, pretra ortodoksa taloha sy ireo mpihetraketraka namany. Namely totohondry sy nandaka ary nively ny Vavolombelona tamin’ny lakroa hazo sy vy ireo mpanafika. Nisy iray tamin’izy ireo nively mafy, faran’izay hainy, tamin’ny lakroa hazo ny lohan’ny Vavolombelona iray, ka tapaka mihitsy ilay lakroa. Nisy Vavolombelona nentina tao amin’ny efitrano maizina be, ary nisy mpanafika maromaro namono azy tao. Noterena ny Vavolombelona efa zokiolona sasany hamakivaky ny laharan’ireo mpanafika, izay sady nanisy totohondry azy no nively azy tamin’ny lakroa. Nenjehin’ny lehilahy roa ny ankizilahy 14 taona tsy nisy mpiaro, ka nasian’izy ireo totohondry sy nodakadakany. Narahin’ny mpanafika iray, 30 taona, ny ankizilahy 12 taona, ka noveleziny tamin’ny Baiboly ngezabe ny lohany. Nihazakazaka nivoaka ny trano ny Vavolombelona iray tamin’izay, mba hiantso polisy, nefa tratra izy. Namely totohondry azy teo amin’ny tavany ireo mpihetraketraka, ka feno ra ny vavany ary nanomboka nandoa izy. Niparitaka ilay vahoaka mahery setra tamin’ny farany. Mbola tsy nosazina foana anefa ireo mpihetraketraka.

Nandrava ny fivorian’io fiangonan’ny Vavolombelon’i Jehovah io indray i Mkalavishvili sy ny namany, ny 30 Aprily 2001. Navoakan’izy ireo tany ivelany ireo Vavolombelona ary noveliveleziny tamin’ny kibay feno fantsika miranirany. Novelezin’izy ireo tamin’ny kibay toy izany ny Vavolombelona iray atao hoe Tamaz, ka rovitry ny fantsika ny sandriny havanana, tanany havia, tongony havia ary ny takolany havia. Tsy maintsy nozairina koa ny lohan’i Tamaz satria nisy ratra lalina be. Nataon’ilay vahoaka sava hao ilay trano nivoriana, nopotehiny ny fanaka sy ny fitaovana elektrika ary ny fitaratry ny varavarankely rehetra. Nodorany teo an-tokotany ny boky sy gazety navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Ny 7 Jona 2001, ny Fanaraha-maso ny Zon’olombelona, dia nangataka fanazavana tamin’i Kakha Targamadze, Minisitry ny Atitany, sy i Gia Mepharishvili, Tonia Mpampanoa Lalàna, any Géorgie. Nanontaniana izay efa nataon’izy ireo hampakarana fitsarana ireo nahavanon-doza tamin’iny sy tamin’ireo fanafihana hafa vao haingana. Mbola tsy nisy nampakarina fitsarana ireo mpihetraketraka hatramin’izao.

[Efajoro, pejy 21]

MANDRAY ANJARA KOA NY POLISY

Nanisy barazy teny an-dalana ny polisy tao amin’ny tanànan’i Marneuli, mba hisakanana fiara fitaterana 19, nitondra Vavolombelon’i Jehovah hamonjy fivoriambe, ny 16 Septambra 2000. Nisy mpanafika teo amin’ny barazy iray, nitoraka ny fiara nitondra ireo Vavolombelona, ka nahavoa ny lohan’ny mpandeha iray. Nisy Vavolombelona maromaro navoakan’izy ireo avy tao anatin’ireo fiara, ka nodarohany, ary ny mpandeha sasany norobainy. Navelan’ireo polisy handeha anefa ny fiara fitaterana, feno ny naman’i Mkalavishvili, izay tapa-kevitra handrava ny toerana hanaovana ilay fivoriambe. Boky sy gazety ara-pivavahana iray taonina sy sasany no nodoran’ireo olona ireo. Nisy nidaroka ny Vavolombelona koa ireo polisy teo.

Nilaza ny Masoivohom-baovaon’i Caucase fa mbola hanao famotopotorana momba izany hetraketraka izany ny Ministeran’ny Atitany, ary handray “izay fepetra tokony horaisina.” Ara-dalàna tanteraka raha mitory an’ireo nahavanon-doza ny mpanao famotopotorana, satria voalazan’ny andininy faha-25 amin’ny Lalam-panorenan’i Géorgie, fa zon’ny olon-drehetra ny hivory ampahibemaso. Mbola tsy nisy nampakarina fitsarana anefa ireo mpihetraketraka. Niaiky ny mpisolovavan’i Guram Charadze, filohan’ny antoko politika “Géorgie no Ambony Indrindra!”, fa i Charadze no nampirisika ny manam-pahefana tany Marneuli sy Zugdidi hisakana ny hanaovana ny fivoriambe roa nalamin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Izany no nolazain’ny Masoivohom-baovaon’i Keston, dimy volana tatỳ aorian’io fanafihana io.

[Efajoro, pejy 21]

MIANTOKA FIAROVANA NY LALÀM-PANORENAN’I GÉORGIE

Miantoka fahalalahana ara-pivavahana sy miaro amin’ny fanafihana feno herisetra ny Lalàm-panorenan’i Géorgie, navoaka ny 24 Aogositra 1995. Mampiseho izany ireto tapany sasany ireto:

Andininy faha-17—1) Tsy azo hitsakitsahina ny haja sy hasin’ny olon-drehetra. 2) Tsy misy olombelona azo ampijalina na sazina na anaovana fitondrana feno hasiahana sy mampietry ny maha olona.

Andininy faha-19—1) Zon’ny tsirairay ny hanana ny heviny ary hilaza izany an-kalalahana, hihaino ny feon’ny fieritreretany, hanana ny finoany sy ny fomba fijeriny. 2) Voarara ny manenjika olona noho ny heviny, ny fomba fijeriny na ny finoany.

Andininy faha-24—1) Ny olon-drehetra dia manan-jo handray sy hampiely izay vaovao hitany, ary hilaza na hampiely ny heviny na am-bava na an-tsoratra na amin’ny fomba hafa.

Andininy faha-25—1) Zon’ny olon-drehetra, ankoatra ny mpikambana ao amin’ny tafika sy ny polisy ary ny sampan-draharahan’ny fiarovam-panjakana, ny hivory raha tsy mampiasa fitaovam-piadiana; azo atao na anaty trano na an-kalamanjana, tsy ilana fahazoan-dalana.

[Efajoro, pejy 22]

MIJERY TSARA IZAO TONTOLO IZAO

Noho i Géorgie tsy mety mampitsahatra ny fanenjehana ny Vavolombelon’i Jehovah, dia ahoana no fijerin’ny firenena hafa azy?

Toy izao ny fanambarana iombonan’ny fanjakana amerikanina sy anglisy: “Noravana ny fivorian’ny Vavolombelon’i Jehovah, maro be ny olona nampijalijalina, ary ny sasany nosakanana tsy handeha hivory. Mampanahy be ny Ambasadin’i Etazonian’i Amerika sy Grande-Bretagne io zava-nitranga io sy ireo hetraketraka hafa koa, natao vao haingana tamin’ireo olona mampiasa ny zony amin’ny fahalalahana ara-pivavahana, any Géorgie ... Mangataka ny Fanjakan’i Géorgie izahay, mba hamotopototra an’ireny fisehoan-javatra ireny, ary ho mailo ka hanao izay hahazoana antoka fa hajaina ny zo ara-pivavahan’ny olon-drehetra.”

Hoy i Ursula Schleicher, filohan’ny Solontenan’ny Komitin’ny Fiaraha-miasa eo Amin’ny Parlemantan’ny Firaisambe Eoropeanina sy ny An’i Géorgie: “Amin’ny maha solontenan’ny Parlemanta Eoropeanina no ilazako fa nanafintohina ahy ny zava-nitranga farany, tamin’ireo fanafihana feno herisetra nitohitohy, natao tamin’ny mpanao gazety, sy ny mpiaro ny zon’olombelona, ary ny Vavolombelon’i Jehovah ... Heveriko fa fanitsakitsahana an-kitsirano ny zon’olombelona izany. Manana adidy hanaja ny zon’olombelona anefa i Géorgie, satria izy nanao sonia an’ilay Fifanarahan’ny Eoropeanina ho Fiarovana ny Zon’olombelona sy ny Fahafahana Fototra.”

Nanoratra tany amin’ny Prezidà Chevardnadze ny Vaomiera Amerikanina Mitandro ny Filaminana sy ny Fiaraha-miasa any Eoropa, momba ny fanafihana ny Vavolombelon’i Jehovah, ka nilaza hoe: “Mampahatahotra mihitsy ireo zava-nitranga farany, satria manjary tsy voafehy intsony ny toe-javatra any Géorgie. Vao mainka hahazo vahana ireo mpambosy olona hisetrasetra amin’ny fivavahana madinika, raha tsy misy fepetra raisina. Manantena izahay fa amin’ny maha filoham-pirenena, dia ianao no hanome ohatra ho an’ny vahoaka sy ny manam-pahefan’i Géorgie. Ampitao amin’izy ireo ireto hafatra mazava roa ireto: Na manao ahoana na manao ahoana ny fijerin’ny olona ny fivavahana hafa, dia tsy azo anaovana herisetra mihitsy ny olona manaraka izany fivavahana izany; ary hampakarina fitsarana sady hampiharana amin’ny fomba feno ny lalàna, ireo manao herisetra toy izany, indrindra fa ny polisy izay manamora na mandray anjara mihitsy amin’ny fanaovana izany fihetsika manala baraka izany.” Nosoniavin’ny mpikambana fito tao amin’ny Antenimieram-pirenena Amerikanina io taratasy io.

Izao no nambaran’i Christopher Smith, solombavam-bahoaka amerikanina sady mpitari-draharaha lefitra ao amin’ilay Vaomieran’ny Filaminana sy ny Fiaraha-miasa any Eoropa: “Nahoana i Géorgie no tsy manaja ny fahalalahana ara-pivavahana sy ny zon’olombelona, araka ny nolazainy fa hataony? ... Mifanohitra tanteraka amin’ny Fifanarahan’i Helsinki, ny fandoroana boky sy gazety, ary mampahatsiaro ny sasany amintsika anisan’ny Vaomiera, ny fandoroana boky tamin’ny andron’ny Nazia izany.”

Ny Talen’ny Sampan’i Eoropa sy Azia Afovoany ao amin’ny Fanaraha-maso ny Zon’olombelona, dia nanoratra hoe: “Manahy be ny Fanaraha-maso ny Zon’olombelona sao hitohy ny herisetra. Tsy nanao na inona na inona mantsy ny Fanjakan’i Géorgie hatramin’izao, mba hampakarana fitsarana an’ireo nisetrasetra tamin’ny fivavahana madinika. Mampirisika anao izahay mba hanao izay hifaranan’ny fanafihana, izao dia izao, ary hitory ireo tompon’andraikitra amin’izany.”

Mijery tsara izao tontolo izao. Hanao zavatra mifanaraka amin’ny fifanekena iraisam-pirenena nataony ve i Géorgie? Ny lazany mihitsy no hatahorana ho simba amin’izany.

[Efajoro, pejy 23]

NAMPAKARINA TANY AMIN’NY FITSARANA EOROPEANINA

Ny 29 Jona 2001, ny Vavolombelon’i Jehovah dia nanao fangatahana tamin’ny Fitsarana Eoropeanina Momba ny Zon’olombelona, ka nitaraina noho ny tsy firaikan’ny mpitandro ny filaminana any Géorgie. Namaly izany ny Fitsarana, rehefa afaka andro vitsivitsy, ny 2 Jolay 2001. Nanoratra ny mpiraki-draharahan’ilay Fitsarana, fa heverin’ny Filohan’ny Fitsarana hoe “tokony hatao laharam-pahamehana” io raharaha io.

[Sarintany, pejy 18]

(Jereo ny gazety)

ROSIA

GÉORGIE

RANOMASINA MAINTY

TORKIA

[Sary, pejy 18]

13 MAY 2001 - May nodoran’ny mpandoro zavatr’olona ny tranon’ny fianakaviana Shamoyan

[Sary, pejy 18]

17 JONA 2001 - Giorgi Baghishvili, nodarohana tamin’izy nanatrika fivorian’ny Vavolombelon’i Jehovah

[Sary, pejy 19]

11 JOLAY 2001 - David Salaridze, nokapohina tamin’ny kibay ny lohany ary novelezina ny lamosiny sy ny tehezany, teo am-panatrehana ny fivorian’ny Vavolombelon’i Jehovah

[Sary, pejy 23]

28 JONA 2000 - Noravan’ny mpandoro zavatr’olona ny trano fanatobiana bokin’ny Vavolombelon’i Jehovah, any Tbilissi

[Sary, pejy 23]

16 AOGOSITRA 2000 - Nodarohan’ny mpomba an’i Vasili Mkalavishvili tao amin’ny fitsaran’i Gldani-Nadzaladevi, i Warren Shewfelt, Vavolombelona kanadianina

[Sary nahazoan-dalana, pejy 24]

AP Photo/Shakh Aivazov

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara