Tokony ho Fatorana Maharitra ny Fanambadiana
ASEHON’NY filma misy tantaram-pitiavana fa tanjona faniry ny fanambadiana. Matetika ilay lehilahy sy ilay vehivavy no afaka niaraka ihany ary nivady sy “sambatra be nanomboka teo.” Izay matetika no faran’ny filma.
Tsy ny fampakaram-bady anefa no farany, raha ny tena zava-misy no jerena. Vao ny fiandohan’ny fiainana vaovao iarahana kosa izy io. Antenaina koa fa ho “tsara ny iafaran’ny raharaha noho ny iandohany”, araka ny Mpitoriteny 7:8.
Fatorana maharitra
Ilaina ny fitsinjovana ny hoavy. Tokony ho mafy ny fototry ny fanambadiana, raha tiana haharitra sy hahafa-po izy io. Raha tsy izany, dia mety ho mafy kokoa noho ny talohan’ny fampakaram-bady ny fanerena aorian’izany. Tsy misy Kristianina handeha hanambady ka tokony hanao hoe: ‘Misara-panambadiana fotsiny aho, raha tsy mandeha tsara ilay izy.’ Tokony hoheverina ho fatorana maharitra ny fanambadiana.
Nilaza mazava i Jesosy, rehefa nisy nanontany azy momba ny fisaraham-panambadiana, fa tokony haharitra ny fanambadiana. Hoy izy: “Tsy mbola novakinareo va ny teny, fa Izay nahary azy tamin’ny voalohany dia nahary azy ho lahy sy vavy, ka dia nanao hoe: ‘Ary noho izany ny lehilahy dia handao ny rainy sy ny reniny ka hikambana amin’ny vadiny; ary dia ho nofo iray ihany izy roroa’? ka dia tsy roa intsony izy, fa nofo iray ihany. Koa amin’izany, izay nampiraisin’Andriamanitra dia aoka tsy hampisarahin’olona.”—Matio 19:4-6.
Aorian’ny fampakaram-bady
Marina ilay teny hoe ny fanambadiana no zavatra faharoa lehibe indrindra eo amin’ny fiainan’ny Kristianina, ankoatra ny fanoloran-tenany ho an’Andriamanitra. Ity farany dia mamatotra an’ilay olona mandrakizay amin’ny Mpamorona, ka ny batisa no mampiseho izany ampahibemaso. Ny fanambadiana kosa dia ny fanambarana ampahibemaso ny fanekena mandrakizay atao amin’ny olona iray. Tsy mety mihitsy ny manolo-tena ho an’Andriamanitra, na manambady olona iray, kanefa misalasala be ihany. Tokony hoeritreretin’ireo mihevitra ny hanambady tsara àry ny zavatra inoana sy zava-kendrena ary ny fihetsika sy toe-tsain’ilay hovadiny.
Zava-dehibe, mandritra ny fanomanana fampakaram-bady, ny hatsaram-panahy sy fiahiana ary fiaraha-miasa. Vao mainka aza mbola zava-dehibe ireo toetra ireo, aorian’ilay fampakaram-bady, mba hampahomby ilay fanambadiana mihitsy. Mifankatia ireo mpivady vao, nefa tokony hotadidina isan’andro fa “tsy mitady ny azy” ny fitiavana. “Ny fitiavana tsy ho levona mandrakizay”, rehefa aseho mandavantaona. (1 Korintiana 13:5, 8) Ho mora kokoa ny haneho ireto toetra ireto, rehefa maharitra ny fitiavana: fahari-po, hatsaram-panahy, hatsaram-po, fahalemem-panahy, ary fifehezan-tena. Tena ilaina mba hampahomby ny fanambadiana ireo toetra vokatry ny fanahin’Andriamanitra ireo.—Galatiana 5:22, 23.
Ny fanohizana mampiseho ireo toetra ireo no tena sarotra, aorian’ny fampakaram-bady. Izao anefa no fanalahidin’ny fanehoana ireo toetra tsara ireo: Tiavo ilay olona novadinao, ary miezaha hanao sorona ho azy.
Nilaza i Jesosy fa ny fitiavana an’i Jehovah no didy lehibe indrindra ho an’ny olona, ary ny didy lehibe faharoa kosa dia hoe: “Tiava ny namanao tahaka ny tenanao.” (Matio 22:39) Ny vady no namana akaiky indrindra, satria tsy misy zavatra hafa mahavita manambatra olona toy ny fanambadiana.
Tsy voatery hampiray ny fihetseham-po anefa ny firaisan’ny nofo. Tsy voatery hiray saina ny olona manao firaisana. Ilaina koa ny firaisan’ny fo sy ny zava-kendrena, mba hahatonga ny firaisan’ny nofo hahafa-po indrindra. Matetika no ilaina ny manao sorona ho an’ilay vady, mba hampahomby ny fanambadiana. Iza no tokony hanao sorona? Ilay lehilahy sa ilay vehivavy?
Fitiavana sy fanomezam-boninahitra
Mandidy toy izao ny Tenin’Andriamanitra: “Mitariha làlana amin’ny fifanomezam-boninahitra.” (Romana 12:10) Raha azonao atao, dia manaova sorona, alohan’ny hangatahan’ny vadinao izany. Tsy very tokoa ve ny hasarobidin’ny zavatra iray raha efa nangatahina imbetsaka ilay izy vao azo? Tokony hiezaka ho zatra hanao ny dingana voalohany hifanome voninahitra kosa ny mpivady.
Ny lehilahy, ohatra, dia didiana mba hihevitra ny vadiny ho toy ny ‘fanaka malemilemy kokoa mba tsy ho voasakana ny fivavahany.’ (1 Petera 3:7) Hisy vokany ratsy amin’ny fivavahan’ilay lehilahy amin’Andriamanitra, raha tsy manome voninahitra ny vadiny izy. Inona anefa no tiana holazaina amin’ny hoe manome voninahitra an’ilay vehivavy? Midika izany hoe asiana fiheverana foana izy, henoina ny heviny, ary omena safidy voalohany matetika amin’ny raharaha samihafa izy. Manome voninahitra ny vadiny koa ny vehivavy, rehefa miezaka mba hiara-miasa sy hanampy azy.—Genesisy 21:12; Ohabolana 31:10-31.
Hoy ny Tenin’Andriamanitra: “Ny lehilahy tokony ho tia ny vadiny tahaka ny tenany ihany. Izay tia ny vadiny dia tia ny tenany. Fa tsy mba nisy olona tsy tia ny nofony, fa mamelona sy mitaiza azy, dia tahaka an’i Kristy amin’ny fiangonana.” Nanao ahoana ny haben’ny fitiavan’i Kristy ny mpanara-dia azy? Vonona ho faty ho azy ireo izy. Hoy koa ny Baiboly: “Samia tia ny vadiny tahaka ny tenany hianareo lehilahy rehetra.” (Efesiana 5:28-33) Milaza amin’ny vehivavy kosa ny Tenin’Andriamanitra mba “ho tia ny vadiny, ... hanaiky ny vadiny, mba tsy hitenenana ratsy ny tenin’Andriamanitra.”—Titosy 2:4, 5.
Mandefera amin’ny fahadisoana
Hanao fahadisoana ny olona, satria efa tsy lavorary hatrany an-kibon-dreniny. (Romana 3:23; 5:12; 1 Jaona 1:8-10) Aza manitatra fahadisoana anefa, fa araho kosa ilay torohevitry ny Baiboly hoe: “Ary mihoatra noho ny zavatra rehetra, mifankatiava tsara; fa ‘ny fitiavana manarona fahotana maro.’ ” (1 Petera 4:8) Tsara kokoa raha odiana tsy hita ny fahadisoana madinika. Mety ho azo atao toy izany, na dia ireo fahadisoana lehibe kokoa aza. Hoy ny Kolosiana 3:12-14: “Mitafia famindrampo sy fiantrana, fahamoram-panahy, fanetren-tena, fahalemem-panahy, fandeferana ... Mifandefera, ka mifamelà heloka hianareo, raha misy manana alahelo amin’ny sasany; tahaka ny namelan’ny Tompo ny helokareo no aoka mba hamelanareo heloka kosa. Ary aoka ho ambonin’izany rehetra izany ny fitiavana, fa fehin’ny fahatanterahana izany.”
Impiry isika no tokony hamela ny fahalemena sy ny fahadisoana kelin’ny vadintsika? Nanontany an’i Jesosy i Petera hoe: “Tompoko, impiry moa no hanotan’ny rahalahiko amiko, ka havelako izy? Hatramin’ny impito va? Fa hoy Jesosy taminy: Tsy lazaiko aminao hoe: Hatramin’ny impito, fa hatramin’ny impito amby fito-polo.” (Matio 18:21, 22) Raha ny tsy mpivady aza nilazan’i Jesosy toy izany, tsy vao mainka ve mila mifamela heloka kokoa ny mpivady?
Ekena fa nokianina mafy ny fanambadiana tato anatin’ireo taona faramparany. Ho tafajoro eo ihany anefa ny fanambadiana, amin’ny farany, satria Andriamanitra no nanorina azy io, ary “tsara indrindra” ny zavatra rehetra naoriny. (Genesisy 1:31) Tsy hanjary ho lany andro mihitsy izy io. Hahomby koa izy io, indrindra fa ho an’ireo mankatò sy manandratra ny didin’Andriamanitra. Izao anefa no sarotra: Hanefa ny voadiny nataony tamin’ny fampakaram-bady ve izy roa, dia ny hoe hifankatia sy hifandala hatrany? Tena sarotra tokoa izany, ka mety ho voatery hiady mafy ianao mba handresy. Mendrika ny hanaovana izany anefa ny vokany!
[Efajoro, pejy 10]
FISARAHAM-PANAMBADIANA SY FISINTAHANA
Nataon’Andriamanitra, Loharanon’ny fanambadiana, ho fatorana maharitra ny fanambadiana. Misy antony araka ny Soratra Masina ve anefa ahafahan’ny olona misaraka amin’ny vadiny, ka hahafahany hanambady olon-kafa? Nanazava izany toy izao i Jesosy: “Lazaiko aminareo: Na zovy na zovy no misaotra ny vadiny, afa-tsy noho ny fijangajangana ihany, ka mampakatra ny hafa, dia mijangajanga.” (Matio 19:9) Ny fanaovan’ilay vady firaisana tamin’olon-kafa ihany no antony mety hisaraham-panambadiana ka hahafahan’ilay vady tsy manan-tsiny hanambady olon-kafa.
Manome lalana hisintaka koa ny tenin’ny Baiboly, ao amin’ny 1 Korintiana 7:10-16, na dia mampirisika ny mpivady hiara-mitoetra foana aza. Nisy niady mafy mba hiarovana ny fanambadiany, kanefa toa tsy maintsy nisintaka ihany. Inona no antony eken’ny Soratra Masina hanaovana izany?
Antony iray ny finiavana tsy hamelona. Andraikitry ny lehilahy manambady ny mamelona ny vady aman-janany. “Efa nandà ny finoana ... ka ratsy noho ny tsy mino aza” ny lehilahy minia tsy manome ny zavatra ilain’ny fianakaviany eo amin’ny fiainana. (1 Timoty 5:8) Azo atao amin’izay ny misintaka.
Antony hafa koa ny herisetra tafahoatra. Azon’ilay voavono atao ny misintaka, raha mamono azy ny vadiny. (Galatiana 5:19-21; Titosy 1:7) “Ny ratsy fanahy sy ny mifaly hampidi-doza dia samy halan’ny [fanahin’Andriamanitra].”—Salamo 11:5.
Antony hafa ahafahana misintaka koa ny fandrahonana tanteraka ny fahasalamana ara-panahin’ilay mpino, izany hoe ny fifandraisany amin’Andriamanitra. Nanohitra azy ny vadin’ny mpino sasany, ary angamba nanakantsakana be azy mihitsy. Nanjary tsy afaka nanohy ny fivavahana marina mihitsy izy, ka nety ho simba ny fahasalamany ara-panahy. Nanjary nila nisintaka izy, noho izany.a—Matio 22:37; Asan’ny Apostoly 5:27-32.
Tsy ho afaka hanambady olon-kafa anefa ilay nisintaka, raha nisara-panambadiana mihitsy taorian’ilay fisintahana. Araka ny Baiboly, dia ny “fijangajangana” ihany no antony mety hisaraham-panambadiana sy hahafahana hanambady olon-kafa.—Matio 5:32.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Jereo Ny Tilikambo Fiambenana 1 Febroary 1989, pejy 22-23, mba hahitana fanazavana momba ny fisintahana.
[Sary, pejy 9]
Tokony hoheverina ho fatorana maharitra ny fanambadiana
[Sary, pejy 10]
Nilaza i Jesosy fa tokony hamela heloka “impito amby fito-polo” isika