Salama sy Finaritra eny Ambony Kodiaran-droa
AVY AMIN’NY MPANORATRA NY MIFOHAZA! ANY GRANDE-BRETAGNE
INONA àry izany: Mora vidy noho ny ankamaroan’ny fitaovam-pitaterana hafa izy, haingana kokoa noho ny fiara any amin’ny tanàn-dehibe maro, mahasalama, ary mahafinaritra? Ny bisikileta. Fanatanjahan-tena sady mahasoa no mahafinaritra ny mandeha bisikileta. Olona maro izao no manahy ny amin’ny fahasalamany, ka tsara hoeritreretina ny fandehanana bisikileta.
I Baron Karl von Drais, alemà mpamoron-javatra, no voalaza fa namorona ny bisikileta. Tsotra ny soavaly hazo kilalao namboariny, tamin’ny 1817 tany ho any. Nanana kodiarana roa sy lasely ary familiana izy io, saingy tsy nisy fivoy. Tamin’ny 1839 no nanomboka nisy bisikileta voizina, ary ilay ekosey mpanefy vy antsoina hoe Kirkpatrick Macmillan no nanao izany. Izy no nanisy fivoy nampifandraisiny tamin’ny kodiarana aoriana tamin’ny alalan’ny vy lavalava. Nisy fiovana lehibe nahatonga ny bisikileta ho be mpitia, taorian’izay. Nisy frantsay mianaka antsoina hoe Pierre sy Ernest Michaux nametaka fivoy teo amin’ny kodiarana aloha ka nahavita ny bisikileta voalohany nisy fivoy. Nandeha haingana kokoa sady mora nentina kokoa izy io.
Nitombo ny hafainganam-pandeha, rehefa nohalehibeazina ny kodiarana aloha. Nisy karazana bisikileta iray nivoatra teto Angletera. Nahatratra iray metatra sy sasany ny savaivon’ny kodiarana alohan’izy io, fa tena kely kosa ny kodiarany aoriana.
Noforonina taorian’izay ny bisikileta azo antoka. Toy ilay karazany teo aloha ihany ny endriny, saingy tsy mihilangilana kokoa rehefa mitaingina azy, ary nitovy na somary samy hafa kely ny halehiben’ny kodiarany roa. Narantin’ny anglisy iray antsoina hoe Henry Lawson, tany Paris, tamin’ny 1879 ny karazany hafa iray nisy rojo nanodina ny kodiarany aoriana. Io modely io tamin’ny farany no nantsoina hoe bisikileta.
Mitovy ny halehiben’ny kodiarana aloha sy aorian’ny bisikileta ankehitriny. Tsy niova firy ny bikabikany. Mampahazo aina tsara ny mandeha aminy; misy kodiarana fingotra izy ary maivana. Anisan’ireny ny bisikileta mahazatra, fitondra mitsangantsangana, fanaovana fifaninanana ary ny tsy mifidy lalana.
Salama sy finaritra
Fitaovam-pitaterana mahasoa any amin’ny tany maro ny bisikileta, sady tsy mitabataba no tsy mandoto rivotra, ary haingana kokoa noho ny fiara matetika raha ho any amin’ny toerana akaiky. Fitondrana ny zavatra rehetra ny bisikileta any Afrika sy any Azia ary any an-toeran-kafa, ka itondran’ny mpitaingina, na mpanosika, ny entana hamidiny eny an-tsena. Tsy olona iray ihany matetika no mitaingina an’ilay bisikileta, fa mipetraka eo amin’ny cadre na mihafihafy eo ambonin’ny fitoeran’entana ny havana aman-tsakaiza.
Manjary malaza indray ny bisikileta atỳ amin’ny tany tandrefana, na dia manana fiara aza ny ankamaroan’ny olona. Mihamitombo hatrany mantsy ny olona manahy ny amin’ny fahasalamany sy leon’ny fiainana an-tanàn-dehibe. Nasiana lalan-kely ho an’ny bisikileta any amin’ny arabe maro. Faly noho ny lalan-kely mirefy kilaometatra maromaro ho an’ny mpitaingina bisikileta, ohatra, ny manam-pahefana maro eto Grande-Bretagne.
Mety hahasalama ny mandeha bisikileta, raha tsy resahina ny fandotoana mety hateraky ny setroka. “Miaro amin’ny aretin’ny fo sy ny lalan-dra izy io. Ireo aretina ireo mantsy no antony voalohany mahatonga fahafatesana sy fahafatesana aloha be eto Grande-Bretagne”, hoy ny nomarihin’i Adrian Davis, mpanolo-tsaina momba ny fitaterana. Mila hery betsaka kokoa ny mandeha bisikileta, satria mandany tokotokony ho 60 ka hatramin’ny 85 isan-jaton’ny herin’ny olona, fa 45 ka hatramin’ny 50 isan-jato kosa no lanin’ny fandehanan-tongotra. Tsy mivesatra loatra ny lanjan’ny vatana ny tongotry ny mpandeha bisikileta, ka tsy mora simba toy ny rehefa mandeha an-tongotra ny taolana.
Mahasalama koa ny bisikileta satria mahazo fahafinaretana ilay mpitaingina. Asehon’ny fikarohana fa mahatonga ny atidoha hamoaka zavatra simika mahafalifaly ny fandehanana bisikileta. Tsy vitan’ny hoe mahafalifaly anefa ny fandehanana bisikileta, fa mahatsara bika koa. Ahoana izany? Milaza ny gazety Ilay Mpiambina (anglisy) hoe: “Mandany kaloria fito eo ho eo isa-minitra, na 200 isaky ny antsasak’adiny ny mpandeha bisikileta.” Inona no vokany? Mety ho kelikely kokoa ny andilana ary tsy hatavy intsony ny fe.
Fiarovana mba hahazoana fahafinaretana
Manahy hatrany momba ny fiarovana ny mpandeha bisikileta ny olona any amin’ny firenena be fiarakodia. Tokony hanao fiarovan-doha ve, ohatra, ny mpandeha bisikileta? Tena tsara ny misoroka loza. Ny fanaovana fiarovan-doha fotsiny koa anefa dia tsy miantoka fa ho voaro amin’ny loza ilay mpandeha bisikileta. Nisarika ny saina ho amin’ny fandinihana natao tamin’ny mpandeha bisikileta 1 700 samy hafa taona sady samy nanao fiarovan-doha, i Celia Hall, mpanoratra an-gazety. Anisan’ny nanaitra tamin’ny vokatr’ilay fikarohana ny hoe nanjary nihevitra ireo mpandeha bisikileta hoe tsy haninona mihitsy izy ireo satria nanao fiarovan-doha. Ny mbola ratsy kokoa aza, dia fiarovan-doha tsy antonona azy akory no nanaovan’ny 6 isan-jaton’izy ireo. Hitombo ho 50 isan-jato ny mety hampaharatra amin’ny loza iray, raha fiarovan-doha tery na malalaka loatra no anaovana. Ataovy antonona tsara ny fiarovan-dohanao. Jereo tsy tapaka koa ny fiarovan-dohan’ny zanakao. Mety hahafaty ny fiarovan-doha lehibe loatra.
Manelingelina ny mpitondra fiarakodia matetika ny mahita an’ireo mpitaingina bisikileta hany ka odiany tsy hita izy ireny. Ataovy àry izay hahitana anao. Manaova akanjo marevaka amin’ny antoandro, ary akanjo mamerina hazavana amin’ny alina. Tokony ho hita tsara koa ny bisikiletanao, na dia rehefa maizina aza ny andro. Matetika no takin’ny lalàna, sady fiarovana tena tsara, ny fametrahana mpamerina hazavana eo amin’ny fivoy sy ny fisian’ny jiro aloha sy aoriana madio tsara. Jereo raha mifanaraka amin’izay takin’ny lalàna ao amin’ny taninao ny fitaovam-piarovana fidinao.
Zava-dehibe ny hikojakojana ny bisikileta mba tsy hampidi-doza anao. Amboary ny simba ary diovy sy kojakojao foana ny bisikiletanao. Mety ho hevitra tsara ny mandeha any amin’ny lalana tsy be fifamoivoizana rehefa voatandrinao ireo fepetra fiarovana ireo. Mila ilay karazana bisikileta mety anefa ianao mba hanaovana izany tsy hisy hatahorana.—Jereo ilay faritra voafefy hoe “Ny Mety Aminao.”
Fanatanjahan-tena
Fanatanjahan-tena ny fitaingenana bisikileta ho an’ny sasany. Nanjary nampifandraisina tamin’ny fampiasana zava-mahadomelina sy ny famitahana ny fifaninanana am-bisikileta, noho ilay raharaha mahafa-baraka tamin’ilay fifaninanana malaza antsoina hoe Tour de France. Nilaza ny gazety Ny Fotoana (anglisy) tao amin’ny lahatsorany hoe “Enga Anie ka ny Zava-mahadomelina Tsara Indrindra no Handresy!” fa “nikorontana tanteraka” ilay fifaninanana. Nanjary ratsy laza ilay fanatanjahan-tena, rehefa niadiana hevitra ny fampiasana zava-mahadomelina sy zavatra simika manatanjaka.
Mandinika tsara ny hery sy fotoana holaniny amin’ilay fanatanjahan-tena ny mpitaingina bisikileta hendry. Mahasarika olona ny mitaingina bisikileta satria mahasalama. Manaiky anefa ny olona mahay mandanjalanja fa fomba iray fotsiny hananana fiainana lava sy mahasalama ny fanazaran-tena. Na izany aza, mahazoa fahafinaretana sy fahasalamana eny ambony kodiaran-droa rehefa mandeha bisikileta ianao amin’ny manaraka!
[Efajoro/Sary, pejy 21]
Ny Mety Aminao
Tena natao ho an’ny karazan-dalana rehetra ny bisikileta tsy mifidy lalana. Kely ny vatany nefa matanjaka, mahitsy ny familiany, avo kokoa noho ny an’ny bisikileta mahazatra ny fivoy eo aminy, ary lehibe ny kodiarany ka afaka mamikitra amin’ny lalan-dratsy. Mora kokoa ny miakatra fiakarana satria manana vitesy maro io bisikileta io.
Bisikileta mahazatra sady fandehanana amin’ny lalan-dratsy kosa no ilainao raha mandeha eny amin’ny arabe sy ny lalana mikitoantoana ianao. Manifinify ny kodiarany ary somary ambany ny fivoy eo aminy. Vitsivitsy ny vitesin’ny bisikileta mahazatra ary somary mahitsy kokoa ny fomba fipetraky ny olona mitaingina azy.
Ataovy azo antoka hoe mety aminao izay bisikileta fidinao. Andramo itaingenana aloha ilay izy. Amboary ny familiana sy ny lasely ary ny fivoy mba hety aminao. Tokony ho afaka hitehika amin’ny tany ny tongotrao roa rehefa misabaka eo amin’ny cadre ianao (jereo etsy ambony).
Izao no fomba hanamboarana ny haavon’ny lasely mba tsy hampidi-doza sy hampahazo aina: Atsotra ny tongotra, ka tokony ho tafapetraka eo ambony fivoy ny voditongotra, rehefa midina ambany ilay fivoy (jereo etsy ankavia). Tokony hitovy, amin’ny ankapobeny, ny haavon’ny lasely sy ny familiana.—Loharanon-kevitra: Gazety Iza Amin’ireo? (anglisy).
[Sary, pejy 18, 19]
Bisikileta voalohany teto Angletera
[Sary nahazoan-dalana]
Police Gazette, 1889
[Sary, pejy 19]
Bisikileta voalohany nisy fivoy
[Sary nahazoan-dalana]
Lehilahy: A Pictorial Archive from Nineteenth-Century Sources/ Dover Publications, Inc.
[Sary, pejy 20]
Fitaovam-pitaterana mahasoa ny bisikileta any amin’ny tany maro
[Sary, pejy 20]
Takin’ny lalàna ny fiarovan-doha any amin’ny toerana sasany