FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g02 8/4 p. 23-25
  • Fomba Hisorohana sy Hampihenana ny Tosidra Ambony

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fomba Hisorohana sy Hampihenana ny Tosidra Ambony
  • Mifohaza!—2002
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Antony tsy azonao ialana
  • Antony azonao ialana
  • Fomba fiaina mahasalama
  • Ny Ra — Iankinan’ny Aina
    Ahoana no Ahafahan’ny Ra Mamonjy ny Ainao?
  • Famonjena ny aina amin’ny alalan’ny ra — Amin’ny fomba ahoana?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1991
  • Ho fanehoana fiheverana an’Andriamanitra dia aoka isika hanaja ny aina sy ny ra
    Ny Fahamarinana Izay Mitarika ho Amin’ny Fiainana Mandrakizay
  • Hevero ho Sarobidy ny Aina Nomena Anao
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2004
Hijery Hafa
Mifohaza!—2002
g02 8/4 p. 23-25

Fomba Hisorohana sy Hampihenana ny Tosidra Ambony

AVY AMIN’NY MPANORATRA NY MIFOHAZA! ANY BREZILA

NATAHOTRA i Marian! Tsy hitahita akory dia nandeha ra be ny orony. Hoy izy: “Noheveriko fa ho faty aho.” Nolazain’ny dokotera tamin’i Marian fa nandeha ran’orona izy satria ambony ny tosidrany. “Izaho ange tsy marary e”, hoy i Marian. “Maro ny olona tsy mahafantatra hoe ambony tosidra izy satria tsy marary”, hoy ilay dokotera.

Ahoana ny amin’ny tosidranao? Mety hampiakatra azy io amin’ny hoavy ve ny fomba fiainanao ankehitriny? Inona no tokony hataonao mba ho antonony foana ny tosidranao?a

Ny tosidra dia ny tosiky ny ra na ny heriny ao amin’ny lalan-dra. Azo refesina izy io amin’ny alalan’ny karazana lamba kely iray azo abontsina izay amehezana ny sandry sy mifandray amin’ny fitaovana iray hafa manondro ny tosidra. Isa roa no azo. Ohatra: 120/80. Ny isa voalohany manondro ny tosidra rehefa mitepo ny fo, ary ny isa faharoa kosa manondro ny tosidra eo anelanelan’ny fitepo roa mifanarakaraka. Volavelona amin’ny milimetatra no amaritana ny tosidra. Lazain’ny dokotera fa ambony tosidra ny marary rehefa mihoatra ny 140/90 izy io.

Inona no mampiakatra ny tosidra? Eritrereto hoe manondraka zaridaina ianao. Mandeha mafy kokoa ilay rano arakaraka ny andefasanao ny raobine, na rehefa hakelezinao ny vavan’ilay fantsona. Toy izany koa ny tosidra: Miakatra izy io rehefa mandeha be ny ra, na mihena ny haben’ny lalan-dra. Nahoana no miakatra ny tosidra? Maro ny antony mahatonga izany.

Antony tsy azonao ialana

Hitan’ny manam-pahaizana fa tena mety ho ambony tosidra ny olona iray raha toa ka efa misy ambony tosidra ny havany. Nasehon’ny antontan’isa azo fa betsaka kokoa ireo kambana mitovy no ambony tosidra, raha oharina amin’ireo kambana tsy mitovy. Nisy fikarohana natao “hahitana ireo fototarazo mahatonga tosidra ambony”, mba hanaporofoana fa manaranaka ny tosidra ambony. Fantatra koa fa mety hiakatra ny tosidra, arakaraka ny itomboan’ny taona, ary be kokoa izany eo amin’ny lehilahy mainty hoditra.

Antony azonao ialana

Tandremo ny sakafonao! Ny sira (sodioma) dia mety hampiakatra ny tosidran’ny olona sasany, indrindra fa ny olona voan’ny diabeta, ireo efa tena ambony tosidra, ny zokiolona ary ny olona mainty hoditra sasany. Mety hisy kolesterola hipetraka amin’ny sisin’ny lalan-dra rehefa be loatra ny tavy anaty ra. Noho izany, dia mety hihatery ny lalan-dra ka hiakatra ny tosidra. Mety hiakatra ny tosidran’ny olona iray, raha mihoatra 30 isan-jato amin’ny tokony ho izy ny lanjany. Mety hampidina ny tosidra ny fihinanana potasioma sy kalsioma bebe kokoa, araka ny fikarohana natao.

Ny fifohana sigara dia tena atahorana hahatonga aretina ao amin’ny mpanelira, hahavoan’ny diabeta sy aretim-po, ary mety hahatapaka lalan-dra. Mety hampidi-doza ny olona ambony tosidra àry ny fifohana sigara, satria mety hampaharary ny fony sy ny lalan-drany izany. Na dia tsy mifanaraka daholo aza ny valin’ny fikarohana rehetra dia hita fa mety hampiakatra tosidra ny kafeinina (ao anaty kafe sy dite ary coca), ny fikorontanana ara-pihetseham-po ary ny harerahana. Fantatry ny mpahay siansa koa fa mety hitombo ny tosidran’ny olona raha misotro toaka be loatra izy, na zatra misotro toaka, na tsy mampiasa tena firy.

Fomba fiaina mahasalama

Tsy mety raha andrasana hiakatra ny tosidra vao tsaboina. Tena tokony hanana fomba fiaina tsara ny olona, dieny mbola kely. Ho salama kokoa izy amin’ny hoavy, raha mitandrina dieny izao.

Nosoritan’ny Fifanarahana Brezilianina Fahatelo Momba ny Tosidra Ambony ny fiovana izay mety hampihena tosidra. Toro lalana mahasoa ho an’izay manana tosidra ambony sy antonony izany.

Manoro hevitra ny olona matavy be loatra ny mpikaroka mba hampihena ny sakafo hohaniny, nefa atao araka ny antonony. Tsy tokony hanaraka fomba fampihenan-tena be ao anatin’ny fotoana fohy izy ireo, fa hanao fanatanjahan-tena matetika, nefa tsy mafy loatra. Tsy tokony hihoatra ny enina grama, na eran’ny sotrokely isan’andro ny sira hanin’izy ireo.b Tokony hahena ho faran’izay kely àry ny sira atao amin’ny sakafo, hahena koa ny fihinanana sakafo am-bifotsy sy ny karazana saosisy toy ny salami, jambon sy ny sisa, ary ny laoka asaly. Mihena koa ny sira hanina rehefa miezaka tsy hanampy sira ianao mandritra ny sakafo. Jereo tsara ny fonon’ireo sakafo, mba hahitana ny habetsahan’ny sira ao anatiny.

Nampirisika ny olona hihinana potasioma bebe kokoa ny Fifanarahana Brezilianina, satria mety “hampidina tosidra” izy io. Raha tiana hahasalama àry ny sakafo dia tokony ho “kely sodioma fa ho be potasioma”, toy ny tsaramaso, ana-maitso, akondro, karazana voanketsihetsy, karaoty, betiravy, voatabiha (tomaty), ary voasary. Ilaina koa ny mahalala onony rehefa misotro toaka. Nisy mpikaroka nilaza fa tsy tokony hihoatra ny 30 mililitatra isan’andro ny toaka sotroin’ny lehilahy ambony tosidra, ary tsy tokony hihoatra ny 15 mililitatra isan’andro kosa ny an’ny vehivavy mahiahia.c

Teo am-pamaranana dia nilaza ilay Fifanarahana Brezilianina fa mampihena ny tosidra ny fanaovana fanatanjahan-tena matetika, hany ka mahatonga ny olona iray tsy atahorana hiakatra tosidra. Mahasoa koa ny fanatanjahan-tena mamela anao hifoka rivotra madio, toy ny manao dia an-tongotra sy mandeha bisikileta ary milomano mandritra ny 30 ka hatramin’ny 45 minitra, intelo ka hatramin’ny indimy isan-kerinandro.d Anisan’ny fomba fiaina mahasalama kokoa ny miala amin’ny sigara, mampihena ny tavy (toy ny kolesterola) ao amin’ny ra sy ny mitsabo ny diabeta, ny mihinana kalsioma sy manezioma ampy tsara, ary ny mampihena ny fikorontanana ara-pihetseham-po sy ny harerahana. Mety hampiakatra tosidra ny fanafody sasany toy ny fanafody ampiasaina rehefa tsentsina ny orona, fanafody manala asidra nefa be sodioma, fanafody mampahalain-komana, ary fanafody manala aretin’andoha izay misy kafeinina.

Azo antoka fa ny dokoteranao no tsara toerana indrindra mba hanoro hevitra anao momba ny karazan-tsakafo sy fahazarana mety aminao, raha ambony tosidra ianao. Na ahoana na ahoana anefa, dia mahasoa foana ny manana fomba fiaina mahasalama dieny mbola kely, tsy ho an’ny olona ambony tosidra ihany fa ho an’ny mpianakavy rehetra mihitsy. Tsy maintsy nanova ny fomba fiainany i Marian, ilay voalaza terỳ am-piandohana. Mitsabo tena izy ankehitriny, ary mandeha tsara indray ny fiainany na dia eo aza ilay aretiny. Ahoana ny aminao? Hazony ho antonony foana ny tosidranao, eo am-piandrasana ilay fotoana hahasalama ny olona rehetra ka ‘tsy hisy mponina hilaza hoe: Marary aho’!—Isaia 33:24.

[Fanamarihana ambany pejy]

a Tsy mampirisika ny olona hanaraka fitsaboana iray manokana ny Mifohaza! satria ny tsirairay no manapa-kevitra ny amin’izany.

b Anontanio ny dokoteranao ny habetsahan’ny sodioma sy potasioma ilainao isan’andro, raha ambony ny tosidranao, na marary fo, na aty ianao, na marary ny voanao sady efa mihinam-panafody ianao.

c Ny toaka 30 mililitatra dia mitovy amin’ny toaka notanehina (whisky, vodka, ary ny toaka hafa) 60 mililitatra, na divay 240 mililitatra, na labiera 720 mililitatra.

d Anontanio ny dokoteranao ny fandaharana tokony harahinao hanaovana fanatanjahan-tena.

[Efajoro, pejy 24]

FIADIANA AMIN’NY TOSIDRA AMBONY

1. Fepetra mety hampihena ny tosidra ambony

• Mampihenà tena

• Ahenao ny sira hohaninao

• Mihinàna sakafo be potasioma kokoa

• Ahenao ny toaka sotroinao

• Manaova fanatanjahan-tena matetika

2. Fepetra hafa mety hampihena ny tosidra

• Mihinana kalsioma sy manezioma

• Tsy mihinan-kena fa sakafo be tsiratsiraka (fibra)

• Miezaka mampihena ny korontana ara-pihetseham-po sy harerahana

3. Fepetra mifandray amin’izany

• Mialà amin’ny sigara

• Ahenao ny kolesterola

• Tsaboy ny diabeta

• Aza mihinana fanafody mety hampiakatra tosidra

[Sary nahazoan-dalana]

Araka ilay Fifanarahana Brezilianina Fahatelo Momba ny Tosidra Ambony—Gazety Brezilianina Momba ny Hopitaly sy ny Fitsaboana.

[Sary, pejy 25]

Hisoroka sy hampihena ny tosidra ambony ianao raha manao fanatanjahan-tena matetika sy mihinana sakafo mahasalama

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara