FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g02 8/5 p. 31
  • Zavamaniry Hafakely Manala Hetaheta

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Zavamaniry Hafakely Manala Hetaheta
  • Mifohaza!—2002
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Fanamboarana ny bissap
  • Inona no Lazain’ny Baiboly Momba ny Zava-pisotro Misy Alkaola?
    Ankafizo Mandrakizay ny Fiainana!—Fianarana Baiboly Natao ho Anao
  • Fanatitra Zava-pisotro
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Inona no Tokony ho Fantatro Momba ny Toaka?
    Manontany ny Tanora
  • Voatavomonta
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
Hijery Hafa
Mifohaza!—2002
g02 8/5 p. 31

Zavamaniry Hafakely Manala Hetaheta

AVY AMIN’NY MPANORATRA NY MIFOHAZA! ANY NIGER

TIANAO ve ny misotro zavatra mangatsiatsiaka amin’ny andro mafana? Fianakaviana maro atỳ Afrika Andrefana no tia misotro ranon-javatra iray mareva-doko, tsara tsiro sy mahasalama ary tsy lafo, avy amin’ny zavamaniry iray. Bissap no anaran’ilay zava-pisotro, ary ny hibiscus, no zavamaniry akana azy. Mahatratra roa metatra mahery ny haavon’ilay zavamaniry. Maniry amin’ny faritra maro maneran-tany izy io, indrindra fa atỳ amin’ny tany mafana toa an’i Niger sy Mali ary Sénégal.

Fanamboarana ny bissap

Asiana ravimbony eran’ny sotro ao anaty rano iray litatra eo ho eo. Ampangotrahina izany avy eo, ary avela hilona 15 na 20 minitra. Tantavanina ilay izy, ary azo sotroina amin’izay, mafana na mangatsiaka, asiana siramamy na tsia. Tianay ny manao zava-pisotro mangatsiatsiaka ankafizin’ny ankizy amin’izao fotoana izao, ka asianay siramamy ilay izy. Ny fianakaviana sasany manampy zava-manitra toy ny solila na lavanila. Atao ao anaty fonony plastika kely manify avy eo ilay bissap mangatsiaka, mena dorehitra, ary hidiana ny vavan’ilay plastika. Azo zaraina amin’ireo ankizy efa miandry amin’izay ilay izy! Faly erỳ izy ireo mandrovitra kely ny sisin’ilay plastika, ary mitsentsitra ilay zava-pisotro tiany indrindra. Misy koa tia misotro azy ao anaty vera.

Tsy vitan’ny hoe tsara tsiro fotsiny ny bissap, fa mahasalama anao koa. Misy kalsioma, faosifaoro, vitaminina A sy C, ary zavatra hafa koa izy io! Misy milaza fa mampivalana sy mampivalan-drano ary manaitaitra ny aty koa ny bissap. Na izany na tsy izany, dia tena faly izahay satria tsy tsara tarehy fotsiny ilay zavamaniry, fa manome anay zava-pisotro mahasalama sy manala hetaheta koa!

[Sary nahazoan-dalana, pejy 31]

Sary: Kazuo Yamasaki

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara