Mahagaga ny Atodin’aotirisy
AVY AMIN’NY MPANORATRA NY MIFOHAZA! ATSY AFRIKA ATSIMO
MIPETRAKA tsara ao anatin’ny fanakotrehana ny atodin’aotirisy. Tsy hita soritra etỳ ivelany mihitsy izay mitranga ao anatin’ny atody ao, na ny fisehoan-javatra mampientam-po hanomboka tsy ho ela. Atỳ amin’ny toeram-piompiana anefa izahay, dia afaka mamantatra ny fitombon’ny aotirisy amin’ny fomba mahagaga, manomboka amin’ny fotoana ahalatsahan’ny atody.
Fikenakenana ny atody
Manatody any amin’ny akany tsotra dia tsotra, any anaty fasika, ny reny aotirisy. Tsy tena fotsy be ny lokon’ny atodiny ary milanja 1,45 kilao ny iray.a Afindran’ireo mpiasa any amin’ny fanakotrehana ao amin’ny toeram-piompiana ny atody vaovao, isan’andro. Apetraka ao mandritra ny enina herinandro eo ho eo izy ireo.
Tsy maintsy kenakenaina tsara izao ny atody akotrika. Atao tsara toerana sady mafana izy ireo, ka 37 degre eo ho eo no hafanana antonona, mba hitomboan’ireo zana-borona vao mitsaika ao anaty akorany. Apetrak’ilay mpiompy ao anaty tranony manokana ny atody, ka misy fitaovana manodina azy ao na ahodiny tanana isan’andro. Tsy maintsy atao an’izany ny atody mba tsy ho lasa any ambany ny tamenak’atody na ny tsimokaina, ka hiraikitra amin’ny hoditra manify amin’ny akorany. Manodinkodina ny atodiny toy izany ny aotirisy lahy sy vavy, any amin’ny fikotrehany feno fasika any anaty lobolobo.
Mangala-pijery ny ao anatiny
Ahoana anefa no hahalalana izay mitranga ao anatin’ny akoran’atody ao? Raisin’ilay mpiompy moramora ny atody, ary ataony ao anatin’ny lavaka eo amin’ny tampon’ny boaty iray misy jiro mazava be. Fomba hitarafana ny atody izany, ka hahafahan’ilay mpiompy hahita amin’ny aloka, ny fitomboana mahavariana ao anatin’ny atody. Tarafiny toy izany tsindraindray ny atody mba hahitany ny fivoarana ao anatiny. Raha hita fa mbola mitsiranoka foana ny eo ampovoan’ny atody, rehefa tarafina matetitetika, dia lamòka izy izay ka tsy averiny ao anaty fanakotrehana intsony.
Mahagaga ny fitomboana mitranga ao anatin’ilay akora toy ny bakoly, mandritra ireo 39 andro hikotrehana ny atodin’aotirisy. Misy fitoeran-drivotra miforona ao anatin’ilay atody amin’izay fotoana izay, ary mibahana ny ampahatelon’ilay atody izany amin’ny farany.b Teritery ao anatin’ny akorany ireo zana-borona mbola tsy foy, ary efa maka toerana satria kely sisa dia ho foy. Misy zavatra iray tena lehibe tsy maintsy mitranga anefa, alohan’ny hahafoy azy. Miditra avy eo amin’ny tadim-poitrany mankany amin’ny foitrany ny kitapo kely misy ny tamenaka ary mankao amin’ny kibo keliny. Tena iankinan’ny ainy izany, satria io kitapo kely io no misy ny sakafo sy ny angovo hilain’ny zana-borona, rehefa hivoaka avy ao anatin’ny akorany izy.
Foy ny atody
Tonga ihany ilay andro lehibe, ary hahita azy io izahay. Tsy maintsy higorobaka avy eo amin’ilay hoditra manify mankao amin’ny fitoeran-drivotra aloha ilay zana-borona, izay vao ho tonga ao amin’ny akorany. Tsy manana ilay toy ny nify famakiana ny akorany sahala amin’ny zana-borona hafa ny aotirisy. Misy fonony manify kosa miaro ny tendron’ny vavany mbola marefo. Apetany amin’ny akorany iny vavany iny ary atosiny amin’ny hatony ilay hoditra manify manasaraka ny akorany sy ny fitoeran-drivotra. Rovitra ilay hoditra manify amin’ny farany, rehefa atosiny mafy sy kosehiny eo foana. Amin’izay ilay zana-borona no atao hoe foy, ka afaka mameno ny akorany manontolo ny vatany.—Jereo ny sary A.
Nahazo rivotra izao ny havokavoka keliny, ka miasa amin’izay. Mahatsiaro ho tsy ampy rivotra mihitsy anefa izy, ao anatin’ilay akorany tery kely, noho ilay ezaka mafy nataony teo. Tsy misy hevitra intsony àry izao, fa tsy maintsy miezaka izy hivoaka avy ao anatin’ilay akora. Mihatokatoka imbetsaka sy araka ny faran’izay hainy izy, ka mandoaka ny akoran’atody amin’ny tendron’ny vavany. Tsitapitapitrizay, dia mahita hazavana kely avy eo amin’ny triatra kely amin’ny akorany ilay zana-borona efa reraka. Mahazo rivotra madio avy eo amin’ilay triatra kely izy!—Jereo ny sary B.
Tena mila maka aina kely izy aloha. Manohy mamaky an’ilay akora efa triatra izy rehefa mahazo aina indray, ka ny tongony havanana sy ny vavany kely mifono no ampiasainy. Manilika mafy ny potipotiky ny akorany izy avy eo, ohatran’ny mba hoe matanjaka be erỳ! Miezaka miarina izy, mipipy maso mijery ny manodidina, kevoka sady matoky tena erỳ, toa milaza hoe aotirisy vao foy sy mangozohozo fa mahavita azy!—Jereo ny sary D.
Nahoana àry no tsy ampian’ilay mpiompy ilay zana-borona hivoaka avy ao anatin’ny akorany efa vakivaky? Ho fitsinjovana an’ilay zana-borona no tsy hanaovana an’izany. Mila fotoana kely mantsy vao tafiditra any amin’ny foitran’ilay zana-borona ny tamenak’atody, ary mifintina sy mikatona ny foitrany avy eo. Tsy mahita izay tena mitranga ao ny olona, ka mety haratra na harary ilay zana-borona mbola marefo raha ampiana hivoaka haingana fotsiny.
Izany eo ihany, fa tafavoaka avy tao anaty akorany ihany ireo zana-borona kely, eto amin’ilay toeram-piompiana. Nitolagaga izahay nahita ireo zanak’aotirisy nivoaka avy ao amin’ny potipotik’akorany niparitaka. Reraka izy ireo kanefa vitany ilay izy.
Nahita ireo solon-dray aman-dreny
Rehefa afaka kelikely, dia mainan’ny rivotra mafana ao amin’ny fanakotrehana ny volo malefak’ilay zana-borona, ka volovoloina mahafatifaty erỳ izy. Atao ao anaty fefy kely eny ivelany izy rehefa avy eo. Tian’izy ireo erỳ izany! Ela ny ela ka afaka mampiasa ireo tongo-keliny mangozohozo amin’izay izy ireo.
Fotoan-dehibe ny andro manaraka, ho an’ireo zana-borona volomboloina kely ireo. Hampifankahalalaina mantsy izy ireo sy ny solon-dray aman-dreniny, dia ireo aotirisy efa lehibe izay hikarakara azy ireo mandritra ny telo volana manaraka. Mbola tsy noana foana ireo aotirisy kely hatramin’izao, satria mbola ampy azy ny sakafo azony avy tamin’ny tamenak’atodiny. Manomboka mahatsiaro noana anefa izy rehefa afaka andro vitsivitsy taorian’ny nahafoy azy. Inona anefa no hohaniny? Gaga izahay, fa manomboka mihinana ny tain’ireo solon-dray aman-dreniny ireo zana-borona! Nanazava ilay mpiompy fa mety hampitombo ny rafi-kery fanefitra mbola marefon’izy ireo izany.
Jereo ange! Mikoropadropaka ireo zana-borona kely miezaka manaraka ny dingan-davan’ireo solon-dray aman-dreniny. Mila ezaka be izany. Haingana be mihitsy anefa ny fitombon’ny zanak’aotirisy. Mitombo 30 santimetatra isam-bolana ny haavony, ka mahavariana fa afaka iray volana monja, dia arak’izy ireo ny dian’ny aotirisy efa ngezabe.
Tsy mitombo intsony ny aotirisy tanora rehefa feno enim-bolana, ary efa ho 2,5 metatra ny haavony. Tsy mampino hoe fito volana mahery kely talohan’izay dia mbola atody nipetraka tsara, tao anaty fanakotrehana tao amin’ny fiompiana aotirisy ireny vorona lava ranjanana ireny.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Raha mila tsipiriany kokoa momba ny aotirisy, dia jereo ilay lahatsoratra hoe “Un étonnant bolide: l’autruche”, ao amin’ny Mifohaza! (frantsay) 22 Jolay 1999, pejy faha-16-18.
b “Feno lavadavaka kely idiran’ny rivotra” ny atodina aotirisy. “Lasa misy fitoeran-drivotra any amin’ny fanambanin’ny atody, eo anelanelan’ny hoditra manify anankiroa ao anaty akorany, satria misy etona miforona ao anatin’ny atody, aorian’ny fanatodizana.”—Fiompiana Aotirisy any Karroo (anglisy).
[Kisary, pejy 23]
(Jereo ny gazety)
FOY NY ATODY
A
B
D
[Sary nahazoan-dalana]
Nahazoana ireo sary: Dr. D. C. Deeming
[Sary, pejy 23]
Ilay andro iray toa zato: foy ireo atody!
[Sary nahazoan-dalana, pejy 25]
John Dominis/Index Stock Photography