FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g02 8/8 p. 13-15
  • Inona no Azoko Atao mba Hahatonga Ahy Hahasarika Kokoa?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Inona no Azoko Atao mba Hahatonga Ahy Hahasarika Kokoa?
  • Mifohaza!—2002
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Hadalana ny faniriana hanana bika “lavorary”
  • Toetra anaty
  • Sariaka fa tsy miangolangola
  • Maninona Aho no Tsy Tian’ny Ankizivavy?
    Manontany ny Tanora—Torohevitra Mahasoa, Boky Voalohany
  • Maninona Aho no Tsy Tian’ny Ankizivavy?
    Mifohaza!—2009
  • Mpinamana Fotsiny ve Izahay?—Fizarana 2
    Mifohaza!—2012
  • Vonona ho Amin’ny Fiarahana Amin’ankizilahy na Ankizivavy Iray Tsy Tahaka Ahy ve Aho?
    Manontany ny Tanora—Valiny Mandaitra
Hijery Hafa
Mifohaza!—2002
g02 8/8 p. 13-15

Manontany ny Tanora Hoe . . .

Inona no Azoko Atao mba Hahatonga Ahy Hahasarika Kokoa?

“Sarotra tamiko ny niresaka tamin’ny ankizivavy sady tsy azoko mihitsy ny aiko. Tsy haiko hoe inona no any an-tsainy, inona no any am-pony, na ahoana no fomba fijeriny zavatra.”—Tyler.

ANKIZILAHY toy inona no tena tian’ny ankizivavy? Ny ankizilahy “matoky tena”, hoy ny ankizivavy iray atao hoe Emily. Ny ankizilahy be vazivazy kosa no tena tian’i Robyn. Ankizivavy toy inona kosa no tena tian’ny ankizilahy? Hita tamin’ny fanadihadiana iray fa, araka ny nampoizina, dia ny ankizivavy tsara tarehy no be mpitia indrindra. Tsy zava-dehibe loatra amin’izy ireo kosa anefa ny hoe mitovy zavatra tiana sy mitovy fihevitra aminy momba ny fiainana, ilay ankizivavy.

Fahita matetika ao amin’ireo gazety ho an’ny tanora ny lahatsoratra sy fanadihadiana momba ny fifandraisana eo amin’ny ankizilahy sy ankizivavy. Hita, araka izany, fa tanora maro no mieritreritra matetika, na angamba manahy mihitsy aza hoe ahoana no fahitan’ny ankizilahy na ny ankizivavy azy. Manahy toy izany koa angamba ianao indraindray. Tsy hoe efa te hanambady akory ianao fa samy maniry ho tiana daholo fotsiny ny olona! Hoy i Tyler: “Raha tanora ianao, dia tianao ho voasarika aminao daholo ny olona rehetra. Maniry ho tian’ny tanora hafa ianao, na lahy izy na vavy.” Mety haniry hitady vady sahaza anao koa ianao, indray andro any. Azo antoka fa te hahay hisarika izany olona izany ianao.

Raha tanora kristianina anefa ianao, dia mety mbola tsy mahay mifandray tsara amin’ny ankizilahy raha ankizivavy ary amin’ny ankizivavy raha ankizilahy. Mety haniry ho tsara tarehy koa ianao satria te hitovy amin’ny tanora hafa toa anao. Betsaka koa ny vehivavy tsara bika sy mpilalao sarimihetsika bokon’ozatra aseho ao amin’ny tele sy ny gazety. Tsy mahagaga àry raha mety tsy hatoky tena sady hahatsapa hoe tsy maharaka ianao! Inona àry no zavatra voalanjalanja sady mahasoa tokony hataonao mba hahatonga anao hahasarika olona?

Hadalana ny faniriana hanana bika “lavorary”

Voamarik’i William Pollack, dokotera psikology, fa noho ny fampirisihan’ny indostrian’ny fialam-boly, dia tanora maro no ‘mandany fotoana be dia be hitandremana sakafo sy hibatana fonjam-by ary hanaovana fampiasan-tena mba ho bokon’ozatra na ho tsara bika.’ Tafahoatra loatra mihitsy aza indraindray ny ataon’ny sasany, satria zara raha misakafo izy ireo mba hananana izany bika “lavorary” izany. Hoy anefa ny Foibem-pikarohana Momba ny Raharaha Ara-tsosialy: ‘Latsaka ny 5% amin’ny vehivavy monja no mitovy amin’ireo vehivavy heverina fa tsara tarehy indrindra aseho ao amin’ny gazety sy tele. Ny lanja sy habe fotsiny amin’izany no mba itovizan’izy ireo. Raha ny bika aman’endrika, sns., indray, dia angamba 1% eo ho eo amin’ny vehivavy no mba manana izany.’

Mahasoa àry ity torohevitry ny Baiboly ao amin’ny Romana 12:2 ity: “Aza manaraka ny fanaon’izao tontolo izao.” Tsy midika akory izany hoe tsy hiraharaha ny fisehoanao ivelany ianao. Azonao atao ny mikarakara vatana amin’ny fanaovana fampiasan-tena sy fitandreman-tsakafo voalanjalanja. (Romana 12:1; 1 Timoty 4:8) Afaka manampy anao hanatsara ny endrikao sady hahazo aina tsara ny fialan-tsasatra sy torimaso ampy. Aoka ianao hadio sy hahava-tena. Hoy ny tanora britanika iray atao hoe David: “Mba tsara ihany izay ankizivavy iray izay, saingy maimbo ka ihatakatahan’ny olona.” Mandroa matetika àry. Tsara kokoa ny fisehoanao ivelany raha madio ny tananao sy ny volonao ary ny hohonao.

Tsy mampirisika anao hihevitra be loatra ny amin’izay akanjo hanaovanao ny Baiboly. Manoro hevitra ny Kristianina anefa izy mba “hiravaka amin’ny fitafiana mahamendrika mbamin’ny fahamaotinana sy ny fahononan-tena.” (1 Timoty 2:9) Manaova akanjo manendrika anao nefa tsy hanafintohina ny olona.a Hanampy anao hatoky tena kokoa ny fikarakaranao araka ny antonony ny fisehoanao ivelany. Hoy ny tanora iray atao hoe Paul momba izany: “Tsy voatery ho tsara tarehy be ianao, nefa azonao hatsaraina izay anananao.”

Toetra anaty

Mety hahasarika ny olona ny tarehy sy ny bika tsara, nefa “zava-poana” izy ireny rehefa ela ny ela. (Ohabolana 31:30) Tsy maharitra ny hatsaran-tarehy sady tsy mahasolo ny toetra mahafinaritra mihitsy. (Ohabolana 11:22) Tadidio koa fa “ny olona mijery ny miseho eo ivelany, fa Jehovah kosa mijery ny fo.” (1 Samoela 16:7) Aza mifantoka amin’ny bikanao na ny fanaovana izay hahatonga anao ho bokon’ozatra àry, fa aoka kosa ianao hiezaka hiravaka “toetra miafina ao am-po, izay tsy mety ho lo, dia ny fanahy malemy sady miadana, izay soa indrindra eo imason’Andriamanitra.” (1 Petera 3:3, 4; Efesiana 4:24) Marina fa tanora maro ankehitriny no mety tsy hiraharaha firy intsony izany hoe toetra tena tsara izany, mainka moa fa ny toetra ara-panahy.b Tian’ny olona manaraka ny fitsipik’Andriamanitra sy mahasarika azy anefa ireo toetra ireo!

Ny fomba tsara indrindra isarihana ny lehilahy na ny vehivavy kristianina araka ny fanahy àry dia ny fiezahanao ho tonga olona araka ny fanahy. Ataovy foana izay hahasalama anao ara-panahy, ka mivavaha, manaova fianarana samirery ny Baiboly, ary manatreha fivoriana kristianina. (Salamo 1:1-3) Mbola misy fahaizana sy toetra azonao ampitomboina koa anefa. Tsy voatery “hampiaraka” ianao vao hahay hamboly an’ireo toetra ireo. Afaka manao izay hananana azy ireo kosa ianao rehefa mifanerasera amin’ny olona isan’andro.

Ohatra, raha ankizilahy ianao, tsy mahazo aina ve ianao sady menatra rehefa eo anatrehan’ny ankizivavy? Niaiky toy izao ny tanora iray atao hoe Paul: “Tsy azoko ny aiko indraindray rehefa ankizivavy no miresaka amiko, satria tsy dia haiko loatra izay eritreretiny raha oharina amin’ny an’ny ankizilahy. Matahotra koa aho sao manao fihetsika mahamenatra eo anoloan-dry zareo.” Ahoana no ahafahanao hatoky tena sy ho tony eny imason’olona, ka hahatonga azy ireo hahazo aina tsara rehefa miresaka aminao? Ny fomba iray dia ny fiezahana hifandray amin’ny karazan’olona rehetra eo anivon’ny fiangonana kristianina. Iezaho fantarina ny olona tsirairay any am-pivoriana, tsy ny tanora mitovy taona aminao ihany fa ny zaza sy ny olon-dehibe ary ny zokiolona koa. (Filipiana 2:4) Hanampy anao hatoky tena kokoa ny fianaranao mifandray tsara amin’izany karazan’olona rehetra izany.

Mitandrema anefa. Hoy mantsy i Jesosy: “Tiava ny namanao tahaka ny tenanao.” (Matio 19:19) Hahazo aina kokoa ianao eo anatrehan’ny olon-kafa raha matoky tena.c Tsy tokony ho tafahoatra loatra koa anefa izany na dia ilaina aza. Hoy ny apostoly Paoly: ‘Izao no lazaiko amin’ny olona rehetra izay eo aminareo: Aza mihevitra mihoatra noho izay tokony hoheverina.’—Romana 12:3.

Mandiniha tena tsara koa mba hahitana raha mahalala fomba ianao sady mahay mifandray amin’olona. Hoy ny ankizivavy britanika iray atao hoe Lydia: “Betsaka ny ankizivavy tia an’izay ankizilahy iray ao am-pianaranay izay. Lasa tsy tian’izy ireo intsony anefa izy nony fantatr’izy ireo tsara, satria tsy mahalala fomba sady mivantambantam-piteny.” Ny tanora tsara fanahy sy tsy milaza zavatra manafintohina ny hafa ary miahy azy ireo no mahasarika ny olona. (Efesiana 4:29, 32; 5:3, 4) Hoy ny Dr. T. Brazelton: ‘Toy ny pasipaoro ny fahalalam-pomba. Manamora ny fifandraisana amin’olona izy io. Tena ilaina izy io raha irintsika ny ho tian’ny olona.’

Samihafa ny fanao sy ny fitsipi-pahalalam-pomba maneran-tany. Mety ho azonao atao àry ny hijery ny fomba fifampitondran’ny lehilahy sy vehivavy kristianina ao amin’ny taninao. Ohatra, fomban’ny lehilahy ve ny manokatra varavarana ho an’ny vehivavy? Halaza ho olona mahalala fomba ianao raha miezaka foana manahaka an’ireny fanao ireny.

Farany, dia mety hanampy anao ny fahaizana mivazivazy rehefa ilaina izany. Milaza ny Baiboly fa “ao ny andro ihomehezana”, sady mora mahazo namana matetika ny olona mahay mivazivazy.—Mpitoriteny 3:1, 4.

Sariaka fa tsy miangolangola

Nanoro hevitra ny gazety iray milaza ho manam-pahaizana momba ny fiarahana amin’ny ankizilahy na ankizivavy fa ny fomba tsara indrindra hisarihana ankizilahy dia ny fiangolangolana aminy. Nampirisika ny mpamaky io gazety io mba hianatra ny fomba fitsiky sy fijerena ny mason’ilay olona iresahana ary hanatsara ny fomba ‘fanombohan-dresaka.’ Mifanohitra amin’izay tian’i Paoly holazaina tamin’i Timoty izany. Nanoro hevitra an’i Timoty mantsy izy mba hitondra ny rehetra “amin’ny fahadiovana rehetra.”—1 Timoty 5:2.

Mety hahatonga ny ankizivavy iray hatoky tena kokoa ny fiangolangolana amin’ankizilahy, nefa fihatsarambelatsihy fotsiny izy io sady tsy mendrika. Tsy voatery hiangolangola na ho mody saro-kenatra ianao vao ho afaka hanao resaka mahaliana. Tsy voatery hametraka fanontaniana mahasanganehana na tsy mety koa ianao mba hahafantarana izay any am-po na izay any an-tsain’ilay ankizilahy na ilay ankizivavy. Zavatra ‘mahitsy, madio, mahate-ho-tia’ foana resahina. Hasehonao amin’izany fa efa manomboka ho tonga lehilahy na vehivavy matotra sy araka ny fanahy ianao. (Filipiana 4:8) Tsy ny ankizilahy na ny ankizivavy ihany no ho voasarika aminao raha mankatò ny toro lalana ao amin’ny Baiboly ianao, fa Andriamanitra mihitsy.d—Ohabolana 1:7-9.

[Fanamarihana ambany pejy]

a Jereo ilay lahatsoratra hoe: “Le genre de nos vêtements: a-t-il de l’importance?” ao amin’ny Réveillez-vous! 8 Febroary 1999 sy Ny Tilikambo Fiambenana 15 Janoary 2001, pejy 5, fehintsoratra 2.

b Nasehon’ny fanadihadiana nataon’ny mpikaroka iray fa matetika no misy mananihany ny ankizy mahay. Koa misy ankizy sasany àry mody miseho hoe tsy mahay.

c Misy torohevitra mahasoa vitsivitsy momba ny fomba hananana fatokian-tena ao amin’ny toko faha-12 amin’ny boky Manontany ny Tanora—Valiny Mandaitra, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

d Raha mbola kely loatra ianao ka tsy vonona hanambady, dia fahendrena raha eo anivon’ny antokon’olona misy lehilahy sy vehivavy no mifandray amin’ny ankizilahy sy ny ankizivavy. Jereo ilay lahatsoratra “Manontany ny Tanora Hoe . . . Mbola Kely Loatra Aho, hoy i Dada sy i Neny, ka Tsy Tokony Hampiaraka—Dia Ahoana?” ao amin’ny Mifohaza! 8 Febroary 2001.

[Sary, pejy 15]

Miezaha hanana toetra ara-panahy fa aza mifantoka amin’ny fisehoanao ivelany

[Sary, pejy 15]

Mianara manao izay hahazoana aina tsara rehefa miresaka amin’ny karazan’olona rehetra

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara