Maizina ny Mitataovovonana
AVY AMIN’NY MPANORATRA NY MIFOHAZA! ANY ANGOLA SY ZAMBIA
‘MAIZINA amin’ny mitataovovonana hoe? Aiza koa no hisy an’izany!’, hoy angamba ny sasany. Tsy vitan’ny hoe misy anefa izy io, fa miseho imbetsaka ao anatin’ny folo taona, isaky ny takona tanteraka ny masoandro. Inona no mahatonga ny tako-masoandro, ary nahoana izy io no mahatalanjona aoka izany? Ny fandinihana ny volana no ahitantsika ny valin’izany.
Hainao tsara ve ny fiovaovan’ny endriky ny volana, rehefa manodidina ny tany izy? Rehefa eny amin’ny andaniny roa amin’ny faravodilanitra ny volana sy ny masoandro, dia hitantsika miposaka eny atsinanana ilay atao hoe volana fenomanana, raha iny milentika eny andrefana iny ny masoandro. Mihatara isan’alina ny fiposahan’ny volana ka mihamanatona ny masoandro miposaka izy rehefa ela ny ela. Mihakely ilay faritra mazava eo amin’ny volana, ary ny ampahefany sisa no hita, amin’ny farany. Tsy tazana na dia io ampahefany io aza, rehefa tafaraka eny amin’ny habakabaka eny mandritra ny andro manontolo ny masoandro sy ny volana. Lasa tsy hita intsony ny volana amin’izay, satria ilay tapany maizina no manatrika ny tany. Io ilay antsoina hoe maizim-bolana. Mifamadika indray ilay toe-javatra avy eo. Mihamanalavitra ny masoandro mantsy ny volana ary lasa fenomanana indray izy amin’ny farany. Miverina foana izany rehetra izany isaky ny 28 andro eo ho eo.
Rehefa maizim-bolana ihany vao mety ho takona ny masoandro. Matetika no miserana fotsiny eny anoloan’ny masoandro eny ny volana mandritra ny andro, saingy tsy tazantsika, satria tsy mifanitsy ny volana sy ny masoandro ary ny tany. Mifanitsy tsara anefa izy ireo indraindray. Tonga etỳ an-tany ny aloky ny volana amin’izay fotoana izay, ka mahatonga ny tako-masoandro.
Ny fifandraisana manokana eo amin’ny masoandro sy ny volana ary ny tany no mahatonga ny tako-masoandro. Goavam-be ny masoandro: Avo 400 heny noho ny haben’ny volana ny habeny. Tsara homarihina anefa fa ny elanelan’ny tany sy ny masoandro dia avo 400 heny noho ny elanelan’ny volana sy ny tany. Mila hitovy àry ny fahitantsika ny haben’ny volana sy ny masoandro. Noho izany, dia toa mahatakona ny masoandro tsara ny volana indraindray.
Mba hahatakona tanteraka ny masoandro, dia sady tsy maintsy mifanitsy tsara izy sy ny volana no tsy maintsy manakaiky ny tany koa ny volana.a Manamaizina faritra kely amin’ny tany ny aloky ny volana, amin’io fotoana io.
Tokony ho nahatratra 200 kilaometatra ny faritra tratran’ilay aloka, tamin’ny 21 Jona 2001, rehefa takona tanteraka ny masoandro. Nanomboka tany amin’ny faritra atsinanan’ny morontsirak’i Amerika Atsimo ilay haizina, rehefa niposaka ny masoandro. Namakivaky an’i Atlantika Atsimo izy avy eo ary tao izy no naharitra ela indrindra, izany hoe dimy minitra latsaka kely. Rehefa avy nandalo tany Angola, Zambia, Zimbabwe ary Mozambika izy io, dia nifarana tany amin’ny morontsiraka atsinanan’i Madagasikara, rehefa nody ny masoandro. Andeha hojerentsika ny fahitan’ireo mpijery tany Angola sy Zambia an’io zava-mahatalanjona eny amin’ny habakabaka io.
Fanomanana ilay fisehoan-javatra
Nanao rodobe nankatsy Afrika ny mpikaroka matihanina sy ny mpankafy astronomia ary ny olon-kafa maro. Nanantena hahita zavatra tokoa mantsy izy ireo, rehefa hijery iny tako-masoandro voalohany amin’ny taonarivo vaovao iny. Vahiny maro no nankany Lusaka, atsy Zambia, mba hijery ny tako-masoandro, satria io no hany renivohitra nandalovany.
Mbola tsy nahasarika mpizaha tany maro be toy izany angamba i Zambia hatramin’izay. Feno vahiny an’arivo i Lusaka, andro vitsivitsy talohan’ilay tako-masoandro. Efa am-bolana maro talohan’ilay fisehoan-javatra no natao ny fiomanana. Efa voafandrika daholo na hotely, na toerana fitobiana, na trano hofana, izay natao handraisana ireo vahiny maro be.
Anisan’ny toerana nahafahana nijery azy io ny seranam-piaramanidin’i Lusaka. Azon’ny vahiny natao ny tonga maraina, nijery ilay fisehoan-javatra ary nody ny hariva. Herinandro maro mialoha, dia efa nilaza ilay zava-mahatalanjona hitranga ny radio sy tele. Imbetsaka izy ireo no nampitandrina ny amin’ny loza ateraky ny fijerena mivantana ny masoandro. Be dia be noho ny nieritreretana azy ny solomaso manokana lafo ary maro ny fivarotana nahalany ny tahiriny.
Tany Sumbe, tanàna any amorontsirak’i Angola, anefa no nandalovan’ny tako-masoandro voalohany, tatỳ amin’ny kontinanta afrikanina. Takona tanteraka nandritra ny efatra minitra sy sasany ny masoandro, tany amin’io toerana io. Tany no naharitra ela indrindra ny tako-masoandro, raha jerena avy tetỳ an-tanety.
Napetaka tao Luanda, renivohitr’i Angola, sy tany amin’ny tanàn-dehibe hafa ny peta-drindrina nanambara ilay tako-masoandro, sy ny fampitandremana momba ny loza aterak’izy io. Nandalo tany afovoan’i Angola ny aloky ny volana. Noho izany, dia nahita tako-masoandro ny olon-drehetra tany, na dia tsy tena takona tanteraka aza. Hitan’ny olona tany Luanda, fa takona ny 96 isan-jaton’ny masoandro. Nifampiraharaha tamin’ny kompania ny fitondram-panjakana, ka nanafatra sy nivarotra solomaso manokana an-tapitrisa. Maro tamin’izy ireo no nozaraina maimaim-poana ho an’ireo tsy nanam-bola hividianana.
Tao Sumbe no tena nakotroka ny fikarakarana mahakasika ny tako-masoandro. Lemaka kely mahafinaritra sady amorontsiraka no misy azy io, eo anelanelan’i Atlantika Atsimo sy ny lembalemba ao afovoan’i Angola. Tsy mba niharan’ny fifandonana faran’izay nahery vaika, izay nandrava an’i Angola, ny faritra misy an’i Sumbe. Tsy tanàna rava àry no nivantanan’ny vahiny, teo koa ireo mponina 25 000 eo ho eo izay sady mahay mandray olona no sariaka. Nisy toerana fanampiny namboarina mba handraisana ireo vahiny rehetra ireo, ary natao izay hanatsarana ny fandehan’ny herinaratra tao an-toerana. Nisy fandaharana manokana momba ny tako-masoandro, natao ho an’ny mpahay siansa sy minisitra ary mpanao asa soa avy tany Angola sy ny firenen-kafa. Naorina teo amin’ny torapasika ny sehatra goavana iray, mba hanaovana lanonana. Mbola tsy nisy lanonam-be toy izany tany Sumbe, hatramin’izay.
Tonga ilay andro lehibe
Tena nahafinaritra ny nijery ny tako-masoandro tany Angola, satria maina ny andro any, ny volana Jona. Mba alao sary an-tsaina anefa ny fahadisoam-panantenana, rehefa nanjary nandrahona i Sumbe, ny andro mialoha ilay tako-masoandro! Nitatao tao amin’ilay tanàn-dehibe ny rahona matevina, ny hariva manontolo sy ny ampitso maraina. Ho rava ve ilay fanantenana hahita tako-masoandro? Nisava ihany anefa ilay rahona rehefa elaela, ary manga tsy semban-drahona intsony ny lanitra nony antoandro. Azo indray ny aina! Nanahy koa ny olona tany Zambia, satria feno rahona ny habakabaka raha vao niposaka ny masoandro. Nazava ara-potoana koa anefa ny habakabaka tany amin’io toerana io. Nanazava toy izao ireo nahita maso ilay fisehoan-javatra.
Angola: “Toerana avo mahatsinjo ny ranomasina no nofidinay hijerena ny tako-masoandro. Vahoaka maro be no nankeny amin’ny torapasika sy ny toerana natokana hijerena ilay fisehoan-javatra, rehefa nihantomotra ilay ora. Tamin’ny mitataovovonana, taloha kelin’ny hanombohan’ilay tako-masoandro, dia maro no nametaka ny solomaso fiarovana, ary nanomboka nijery ny volana nihananakona ny masoandro. Taoriana kelin’ny mitataovovonana no nanomboka ny tako-masoandro. Hita tamin’ny alalan’ny masolavitra, na ny teleskaopy ireo pentina maro be eo amin’ny masoandro. Hitan’ireo mpitazana fa takon’ny aloka tsikelikely ireny pentina ireny. Tsapa fa nidina ny mari-pana ary lasa nanjombona hafahafa ny andro, rehefa nihatakona ny masoandro. Rehefa takon’ilay aloka ny tapany farany tamin’izy io, dia maizina ny andro.”
Zambia: “Tsara toerana mba hahitana ny masoandro takona tanteraka ny biraon’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah atỳ Zambia. Ao Makeni, any Lusaka no misy azy io. Nanomboka nanakona ny masoandro ny volana tamin’ny telo ora sy fito minitra tolakandro. Nisy aloka lavalava nandalo teny amin’ny rindrina, ary toy ireny hazavana manonja ireny no fijery azy. Nihatony ny rivotra, ary tsy nisioka intsony ny vorona. Efa niomanomana hatory ny biby any an’ala. Tamin’ny telo ora sy sivy minitra, rehefa segondra vitsy sisa tsy hahatakona tanteraka ny masoandro, dia hazavana kely niendrika vakana namirapiratra vitsivitsy sisa tazana. ‘Vakana’ iray sisa no hita avy eo, ary peratra diamondra no iantsoana azy io.b Tara-pahazavana mavokely manopy mena indray no hita taorian’izay. Takona tanteraka ny masoandro avy eo ary maizina ny andro!”
Angola: “Gaga sady nihoraka ny olona rehefa nahita ny fanjelanjelatr’ilay peratra diamondra. Nanomboka takona tanteraka ny masoandro tamin’ny iray ora sy valo amby efapolo minitra, ora teto an-toerana. Samy hafa ny fihetsiky ny olona. Tao ny variana naka sary. Ny hafa kosa, nanomboka niara-niantsoantso hoe: ‘Takona e! Takona e! Takona e!’ Tao koa ny gaga ka nanomboka nisioka sady nikiakiaka, satria maizina ny mitataovovonana. Nisy hazavana nanjelatra nanodidina ny masoandro nony takona tanteraka izy. Gaza sy rivotra izy ireo raha ny marina. Nahita gaza mirehitra manodidina ilay volana maizina izahay. Tsitapitapitrizay, dia tapitra ny tako-masoandro. Nisy tara-masoandro nanjelatra tamin’izay.”
“Nanomboka niseho ny masoandro. Hitanay ireo pentina takona teo aloha, nipoitra tsirairay avy tao anaty haizina, rehefa niverina tsikelikely tamin’ny laoniny ilay masoandro.”
Zambia: “Takona nandritra ny telo minitra sy efatra ambin’ny folo segondra ny masoandro, hany ka nisy fotoana nankafizana ilay fisehoan-javatra mahavariana. Maizina ny andro, saingy nazava ratsy ny faravodilanitra. Tazana ireo planeta takon’ny masoandro, na dia mbola manga aza ny lanitra. Hita tsara, ohatra, ry Jupiter sy Saturne. Ny tena nahavariana indrindra angamba, rehefa takona ny masoandro, dia ilay hazavana manodidina azy. Toy ireny hazavana manodidina bola maizina ireny no fahitana azy io ary ohatran’ny mavokely manopy fotsy ny lokony. Tena nambabo ireo mpijery izany, ka nilaza izy ireo fa ‘tena mahavariana sady kanto’ ilay izy. Nipoitra tsikelikely ny masoandro rehefa nihanikisaka ny volana. Tsy voasakantsakana intsony ny tara-masoandro noho izany fa tonga tsara tetỳ an-tany. Tamin’ny efatra ora sy valo amby roapolo minitra teo ho eo, dia tapitra ny tako-masoandro!”
Lesona avy tamin’ilay tako-masoandro
Maro no nihetsi-po noho iny fisehoan-javatra iny. Nilaza, ohatra, ny vehivavy iray tany Angola fa saika latsa-dranomaso mihitsy izy. Nisaintsaina ilay fanomezana tena kanto avy tamin’Andriamanitra kosa ny iray hafa. Mbola nisy koa nilaza fa Andriamanitra be fitiavana ihany no hanome zava-mahatalanjona toy iny, mba hahitan’ny olona fa tsy mampino tokoa ny hakanton’ny masoandro, izay mpamokatra angovo ho an’ny tany.
Niharihary tamin’izany fa olona maro no manaja fatratra ny Mpamorona sy ny Baiboly, atỳ Afrika. Niresaka tamin’ny hafa momba ny tako-masoandro ny Vavolombelon’i Jehovah tao Sumbe, ary nilaza fa iray monja amin’ny zavatra mahatalanjona ataon’i Jehovah, Mpamorona antsika, izy io. Tena nahaliana ny mponina tao izany ary nanaiky hiresaka momba azy io izy ireo. Maro no faly erỳ nandray Ny Tilikambo Fiambenana vao haingana mahakasika ireny zava-mahatalanjona ireny.
Olona an-tapitrisa no nanadino vetivety ny olana nahazo azy, rehefa nitazana iny zava-niseho teny amin’ny habakabaka iny. Nifantoka tamin-javatra nampientam-po sy nahatalanjona kosa izy ireo. Nahatazana endriny kanto sady tsy fahita matetika tamin’ny masoandro ny hafa ka nisaintsaina ny voninahitra tena lehibe ananan’i Jehovah Andriamanitra, ilay Mpamorona azy io.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Manao boribory lavalava ny lalan’ny volana sy ny tany, ka arakaraka ny toerana misy azy eo amin’ilay lalany dia miova kely ny fahitana ny haben’ny masoandro sy ny volana. Mety tsy ho tody tanteraka etỳ an-tany ny aloky ny volana, rehefa amin’ny faritra lavitra indrindra amin’ny tany no misy azy. Amin’izay fotoana izay, dia mahita tako-masoandro ihany ny olona eny amin’ny faritra tandrifin’ilay aloka, etỳ an-tany. Mipoitra kely ihany anefa io masoandro io, toy ny peratra manjelanjelatra manodidina faritra maizina iray.
b Mamakivaky ireo havoana eny amin’ny volana ireo tara-masoandro, aloha kelin’ny hahatakona tanteraka ny masoandro. Izany no miteraka ireo hazavana miendrika vakana mamirapiratra. Ilay hoe “peratra diamondra” dia milaza ny endriky ny masoandro, aloha kelin’ny hahatakona azy tanteraka. Mbola mipoitra mantsy ny tapany kely amin’ny masoandro amin’io fotoana io, ka toy ny peratra fotsy misy diamondra mamirapiratra no fahitana azy.
[Kisary, pejy 19]
(Jereo ny gazety)
→ →
Masoandro → Volana ⇨ Faritra maizina ⇨ Tany
→ →
[Sary nahazoan-dalana]
© 1998 Visual Language
[Sary, pejy 21]
Vakana mamirapiratra
Takona tanteraka
Peratra diamondra
[Sary nahazoan-dalana]
Courtesy Juan Carlos Casado, www.skylook.net
[Sary, pejy 21]
Mpijery tako-masoandro tany Lusaka (Zambia)