Balolo—“Sakafo Matsiro any Pasifika”
AVY AMIN’NY MPANORATRA NY MIFOHAZA! ANY FIDJI
TIA hazan-dranomasina ve ianao? Ndeha àry isika ho any amin’ny tanàna iray any amin’ny nosy Fidji, fa misy sakafo hafakely miandry antsika any. Eo am-pihainoana ny feon’ny onjan-dranomasina mitopatopa moramora amin’ny lakana, dia voamarikay ny lafaoro iray ambany tany antsoina hoe lovo, nolavahana teo amoron-dranomasina. Misy afo narehitra eo hamanana vato nofantenana manokana. Eo mantsy ilay tena sakafo no handrahoina.
Fa iza no hitondra io sakafo io? Tsy misy! Hiandry ny hahatongavany eto aminay fotsiny izahay. Hafahafa izany sakafo izany, hoy angamba ianao, ary tena izany mihitsy. Kankana an-dranomasina miolanolana sy tena matsiro io sakafo nandrasanay hatry ny ela io! Antsoina hoe sakafo matsiro any Pasifika izy io. Volontsôkôlà somary menamena ny lahy ary maitso manopy manga ny vavy. Antsoina hoe balolo io hanim-py hafakely io atỳ amin’ny nosy Fidji.
Indray mandeha na indroa isan-taona mandritra ny telovolana fahatelo, dia tonga hanatody eny ambony ranomasina ireo balolo maro be. Roa na telo alina ihany no faharetan’izany.a Mbola tsy tena mazava tsara ny fomba famaritana ny fotoana anatodizany. Mihevitra anefa ny mpahay siansa fa mety hifandray amin’ny fiakaran’ny maripana eny an-dranomasina izany, na mety hifandray amin’ny volana sy ny fisondrotan’ny ranomasina na ny halavan’ny andro. Fomba amaritana ilay fotoana anatodizany koa ny fandinihana ny toetr’andro sy ny fivelaran’ny zavamaniry sasany ary ny fiovaovana eny an-dranomasina. Vao haingana dia nampiasa ny fiovaovan’ny endriky ny volana ny mpahay siansa mba hamaritana ny fotoana iakaran’ny balolo.
Miverina eo amin’ilay tanàna isika izao. Nijanona ny feon-kira arahina gitara rehefa nisy nilaza fa manomboka miakatra ny kankana. Andao hanaraka ireo lehilahy sy vehivavy ary ankizy mankeny amoron-dranomasina. Ny sasany mitafy usulu mareva-doko (karazana lambahoany ahodin’ny lehilahy sy vehivavy manaraka ny vatany) sy salusalu tsara tarehy (rojom-boninkazo mamerovero). Gaga izahay hoe mihaingo be ry zareo, nefa hitsoboka anaty ranomasina.
Misy mijanona anaty lakana mba hisambotra ireo kankana an-dranomasina, fa izahay kosa nanapa-kevitra ny hanaraka ireo olona eny amoron-dranomasina. Vetivety kely dia hatreny amin’ny valahana ilay rano mafana. Tampotampoka eo dia tsapanay fa miakatra manodidina anay eny ambonin’ny rano ireo kankana an-dranomasina an’arivoarivo!
Manomboka mankafy ilay fisehoan-javatra izahay. Lazaina fa io no “fisehoan-javatra hafahafa indrindra atỳ Pasifika Atsimo.” Ampiasaina ny fomba rehetra tonga ao an-tsaina mba hisamborana ireo biby miolanolana eo ambonin’ny rano: siny, harato, lay aro moka, harona vita amin’ny ravim-boaniho. Misy aza misambotra ilay kankana amin’ny tanana fotsiny izao. Nisy mpitsidika iray nahita lehilahy fidjianina nanana volo matevina sady olioly, nanatsoboka ny lohany tao amin’ireo kankana maro be niolanolana ka izay nisaringotra tamin’ny volony dia nahintsany tao anaty lakana iray! Misy tsy mahandry, ka mihinana avy hatrany izay azony. Sady mitsakotsako mafy izy ireo no manangona balolo ihany.
Toa vetivety ihany iny fisehoan-javatra mahatalanjona iny, fa amin’ny taona manaraka indray. Naleonay tsy nihinana ireo kankana manta, fa nanaraka ireo namanay terỳ amoron-dranomasina kosa. Teny izahay no nanandrana voalohany ilay “sakafo matsiro any Pasifika” rehefa avy nandrahoina tao amin’ilay lafaoro ambany tany ilay izy. Azo ampangotrahina, andrahoina anaty lafaoro na endasina ny balolo, izay be otrikaina sy mineraly. Azo tehirizina herinandro na mihoatra izy rehefa masaka. Tsorina aloha fa tsy ny olona rehetra no ho tia io hazandrano io e!
Tonga izao ny fotoana handehananay. Misaotra an’ireo olona nandray anay teto an-tanàna izahay noho ny fahaizany mandray vahiny. Rehefa misaintsaina ny fiakaran’ny kankana balolo izahay, ny fotoana hahatongavany, sy ny fifampiankinan’ny zavamananaina rehetra eny amoron-dranomasina, dia talanjona noho ilay Mpamorona izany karazan-javaboary be dia be izany.—Apokalypsy 4:11.
Raha toa ianao ka mikasa hitsidika ny Nosy Fidji, dia mety ho tianao ny hanandrana izany karazana kankana matsiro izany. Nefa mety haleonao koa mitondra sakafo. Izay safidinao e! Fa ny mponina any Fidji kosa dia hiandry ny fiakaran’ny balolo tena mahaliana, dia ilay “sakafo matsiro any Pasifika.”
[Fanamarihana ambany pejy]
a Mitranga any amin’ny toerana hafa any amin’ny faritra atsimo sy andrefan’i Pasifika koa ny toe-javatra toy izany, anisan’izany ny Nosy Cook, Samoa, Salomon, Tonga, ary Vanuatu. Ahitana karazana balolo koa any amin’ny toerana hafa, anisan’izany ny Vondronosy malezianina, ny Hoalan’i Meksika, ary any Caraïbes sy Japon.
[Efajoro/Sary, pejy 27]
Mihinana Kankana Tokoa ve ry Zareo?
Mety ho gaga sady faly ianao mahafantatra fa tsy tena fanangonana kankana araka ny iheverana azy loatra ilay izy. Diniho ny antony.
Miova tanteraka ny rambon’ny kankana balolo, ary mitombo haingana ka lasa taovam-pananahana. Misy tsirinaina ao anatin’izy io. Misaraka amin’ilay kankana ny rambony misy maso sy rantsambatana toy ny fivoizana, ary avy eo miakatra eny ambonin’ny ranomasina. Vaky ilay hodiny mety levona ary mamoaka atody sy tsirilahy. Miray eny ireo avy eo, raha tsy misy olona mirangorango na biby mpiremby an-dranomasina misambotra azy. Maro be izy ireo, ka na dia betsaka aza no hanin’ny zavamananaina hafa any anaty rano na samborin’ny olona, dia azo antoka ny fitomboan’ny taranany. Milomano eny ambonin’ny rano eny ireo olitra sisa ary mitady sombina vato harana mba hanorenam-ponenana sy hitomboana.
Ny rambon’ny balolo ihany àry no hohaninay, fa mbola velona eny amoron-dranomasina eny ireo kankana.
[Sary nahazoan-dalana, pejy 26]
Ambony: Sekove Bigitibau; ankavia, afovoany, ary pejy faha-11: Paul Geraghty