FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g02 8/9 p. 24-25
  • Vavaka Henoin’Andriamanitra

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Vavaka Henoin’Andriamanitra
  • Mifohaza!—2002
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Fampanantenan’Andriamanitra
  • Rehefa miatrika zava-manahirana
  • Manatòna An’Andriamanitra Amin’ny Alalan’ny Vavaka
    Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?
  • Ny fomba fivavaka mba hovalian’Andriamanitra
    Ny Fahamarinana Izay Mitarika ho Amin’ny Fiainana Mandrakizay
  • Ny fomba hahitana fanampiana amin’ny alalan’ny vavaka
    Azonao Atao ny Hiaina Mandrakizay ao Amin’ny Paradisa eto An-Tany
  • Vavaka ataon’iza no mahazo valiny?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1990
Hijery Hafa
Mifohaza!—2002
g02 8/9 p. 24-25

Ny Fiheveran’ny Baiboly

Vavaka Henoin’Andriamanitra

“Mangataha, dia homena hianareo; mitadiava, dia hahita hianareo; dondòny, dia hovohana hianareo. Fa izay rehetra mangataka no mahazo; ary izay mitady no mahita; ary izay mandondona no hovohana.”—LIOKA 11:9, 10.

MATOKY tanteraka an’ireo tenin’i Jesosy ireo ny Kristianina maro, ka mivavaka amin’Andriamanitra momba ny olana na ny fanahiana mahazo azy. Azon’izy ireo antoka mantsy fa tia azy sy miahy azy Andriamanitra. Sasa-miandry valim-bavaka anefa ny sasany. Heverinao ve fa tsy namaly ny vavakao Andriamanitra? Mihaino ve izy rehefa mivavaka ianao?

Tsy hoe tsy mihaino ny vavaka ataontsika akory Andriamanitra na dia mihevitra aza isika fa tsy voavaly izy ireny. Manome toky antsika ny Baiboly hoe: “Ny mason’ny Tompo dia mitsinjo ny marina, ary ny sofiny mihaino ny fitarainany.” (1 Petera 3:12) Mihaino ny vavaky ny marina àry i Jehovah Andriamanitra, na tononina mafy izany, na atao anakampo. (Jeremia 17:10) Fantatr’i Jehovah koa izay ao an-tsaina sy ao am-pon’ny olona iray, na dia mety ho tsy tena hain’ilay olona na tsy hainy mihitsy aza ny milaza izany amin’ny vavaka.—Romana 8:26, 27.

Misy zavatra takina anefa raha tiantsika heken’Andriamanitra ny vavaka ataontsika. Voalohany, tsy maintsy Andriamanitra irery ihany no ivavahana, fa tsy i Jesosy, na “olo-masina”, na sampy. (Eksodosy 20:4, 5) Tsy maintsy atao amin’ny anaran’i Jesosy Kristy, Zanak’Andriamanitra, koa ny vavaka. (Jaona 14:6) Midika ve izany fa i Jesosy aloha no mihaino ny vavaka ataontsika, ary mampita izany any amin’Andriamanitra avy eo? Tsia. Rehefa mivavaka amin’i Jehovah amin’ny anaran’i Kristy isika, dia mampiseho hoe mpianatr’i Kristy, ary manaiky fa noho ny avotra nataony ihany no ahafahantsika manatona an’Andriamanitra.—Hebreo 4:14-16.

Tsy maintsy atao amim-pinoana ny vavaka. Hoy ny apostoly Paoly momba izany: “Raha tsy amin’ny finoana, dia tsy misy azo atao hahazoana sitraka aminy; fa izay manatona an’Andriamanitra dia tsy maintsy mino fa misy Izy sady Mpamaly soa izay mazoto mitady Azy.” (Hebreo 11:6) Ahoana no ahafantaran’ny olona iray raha manana izany karazam-pinoana izany izy? Hoy i Jakoba, mpanoratra ao amin’ny Baiboly: ‘Haneho aminao ny finoako amin’ny asako aho.’ (Jakoba 2:18) Mahatonga antsika hanao asa, izany hoe hanao zavatra, ny finoana, ary ny zavatra ataontsika indray no mampiseho fa tia an’Andriamanitra isika ary miezaka mampifaly azy.

Tsy maintsy maharitra amin’ny vavaka koa ny mpanompon’Andriamanitra. Nasehon’i Jesosy tsara izany ao amin’ny Lioka 11:9, 10, voasoratra erỳ am-piandohana. Raha ohatra tokoa moa ka indray mandeha monja ny olona iray no mivavaka momba ny raharaha iray, tsy midika ve izany fa tsy dia zava-dehibe aminy loatra ilay izy?

Fampanantenan’Andriamanitra

Mbola miaina amin’ny “andro mahory” anefa isika, na dia mivavaka mafy hatrany aza. (2 Timoty 3:1) Tsy niteny mihitsy i Jesosy hoe tsy hisy olana ny fiainan’ny mpianany, na dia nampanantena aza izy hoe ho sambatra izy ireo. (Matio 5:3-11) Nilaza anefa izy fa afaka ny ho sambatra ny mpianany na dia eo aza ny alahelo, hanoanana, hetaheta, na fanenjehana.

Tsy vokatry ny fananana fiainana miadana akory ny fahasambarana noresahin’i Jesosy. Fahafaham-po vokatry ny fanompoantsika an’Andriamanitra kosa izy io. Afaka ny ho sambatra ihany àry isika, na dia miaina ao anatin’ny korontana aza.—2 Korintiana 12:7-10.

Rehefa miatrika zava-manahirana

Very maina ve àry ny vavaka momba ny raharaha manokana, toy ny fitadiavana vady sahaza na ny olana ara-pianakaviana, na ara-pahasalamana, na eo amin’ny asa? Tsia, satria hanome antsika ny fahendrena ilaina handaminana ny olana mahazo antsika Andriamanitra, na dia tsy mampanantena aza izy hoe hanala azy ireny amin’ny fomba mahagaga. Izao no nosoratan’i Jakoba, momba ny fisedrana: “Ary raha misy hianareo tsy manam-pahendrena, aoka izy hangataka amin’Andriamanitra, Izay manome malalaka ho an’ny olona rehetra sady tsy mandatsa; ary dia homena azy izany.” (Jakoba 1:5) Hitarika antsika amin’ny alalan’ny fanahiny masina àry i Jehovah. Hanampy antsika hahatakatra ny fitsipiky ny Baiboly sy hampihatra azy ireny ny fanahiny, rehefa mandray fanapahan-kevitra isika.

Tsy handray fanapahan-kevitra eo amin’ny toerantsika akory ny fanahin’Andriamanitra. Ilaina kosa ny ezaka avy amintsika. Mety hanana olana, ohatra, isika. Efa nikaroka sy nandinika ny zavatra rehetra tafiditra amin’ilay izy ve isika, raha izany? Hampiseho amin’Andriamanitra izany ezaka ataontsika izany fa manana finoana isika. (Jakoba 2:18) Miezaka mafy mandamina an’ilay olana ve isika, sady mangataka ny fitarihan’Andriamanitra hatrany? (Matio 7:7, 8) Efa nandinika tsara ny toro lalan’ny Baiboly mifandray amin’ilay toe-javatra ve isika? Afaka manampy antsika ‘ho tanteraka sy ho vonona tsara ho amin’ny asa tsara rehetra’ ny Tenin’Andriamanitra.—2 Timoty 3:16, 17.

Marina fa afaka miditra amin’ny fiainan’ny olona Andriamanitra ka mandamina izay zava-manahirana antsika, nefa namela antsika hanana safidy malalaka izy. Mampalahelo fa maro no mampiasa ny safidy malalaka mba hampijaliana ny hafa. Mety mbola hisy olana foana àry, mandra-pahatongan’ny tontolo vaovaon’Andriamanitra, na dia mivavaka momba izany aza isika. (Asan’ny Apostoly 17:30, 31) Angamba ilay izy zava-mitranga eo amin’ny faritra misy antsika, toy ny heloka bevava na ady; na koa miaritra zava-tsarotra noho ny mpanohitra isika. (1 Petera 4:4) Tsy maintsy manaiky isika fa misy zavatra tsy hihatsara mihitsy eto amin’ity tontolo tsy tia an’Andriamanitra ity.

Tia ny mpivavaka aminy anefa Andriamanitra ary maniry hanampy azy ireo. Hanala tanteraka ny olana rehetra mampijaly eto an-tany izy, rehefa ny Fanjakany irery no hitondra. (Apokalypsy 21:3, 4) Tokony hangataka ny tari-dalany foana isika mandra-pahatongan’izany, rehefa manana olana. Raha manao izany isika, dia afaka matoky fa hanatanteraka ity fampanantenany ao amin’ny Isaia 41:10 ity i Jehovah: “Aza matahotra hianao, fa momba anao Aho; ary aza miherikerika foana, fa Izaho no Andriamanitrao; mampahery anao Aho sady mamonjy anao; eny, mitantana anao amin’ny tànana ankavanan’ny fahamarinako Aho.”

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara