FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g02 8/10 p. 6-9
  • Olana Maro Atrehin’ny Ray na Reny Tokan-tena

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Olana Maro Atrehin’ny Ray na Reny Tokan-tena
  • Mifohaza!—2002
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Ny olana atrehin’izy ireo
  • Olana vokatry ny fisaraham-panambadiana
  • Tsy tokony ho hentitra loatra
  • Ilaina ny fiaraha-miasan’ny ankizy
  • Afaka Mahomby Ireo Fianakaviana Tsy Misy Afa-tsy ny Ray na ny Reny!
    Ny Tsiambarantelon’ny Fahasambaram-pianakaviana
  • Mahalamina fahasahiranana ara-pianakaviana ireo torohevitra araka ny Baiboly
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1987
  • Anehoy Fiahiana Ireo Ray na Reny Tokan-tena
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2010
  • Ampiofano Manomboka eo Amin’ny Maha-zazakely Azy ny Zanakao
    Ny Tsiambarantelon’ny Fahasambaram-pianakaviana
Hijery Hafa
Mifohaza!—2002
g02 8/10 p. 6-9

Olana Maro Atrehin’ny Ray na Reny Tokan-tena

“Mifamahofaho be ihany ny fihetseham-poko. Mitomany ao amin’ny efitrano fidiovana aho matetika rehefa alina ny andro. Mafy amiko izany!”—JANET, RENY MITAIZA IRERY NY ZANANY TELO.

MARO ny antony mahatonga ny ray na reny ho tokan-tena. Manjary misahana irery ny fikarakarana tokantrano izy raha maty tamin’ny ady ny vadiny, na maty noho ny hetraketraky ny natiora na aretina.

Manapa-kevitra ny tsy hivady mihitsy kosa ny ray sy renin’ny ankizy sasany. Efa ho ny antsasaky ny ankizy any Soeda, ohatra, no zazasary. Lasa mitaiza irery ny zanany koa ny olona nisara-panambadiana. Tombanana, araka ny fikarohana natao, fa hanjary hotezain’ny rainy na ny reniny irery ny antsasany mahery amin’ny ankizy amerikanina.

Ny olana atrehin’izy ireo

Itambesaran’andraikitra mavesatra ny vehivavy, raha vao maty ny vadiny. Mbola malahelo mafy ny vadiny izy, nefa tsy maintsy misahana ny andraikitra ao an-tokantrano koa. Mety ho amam-bolana na aman-taona mihitsy izy vao ho zatra amin’izany andraikitra izany, satria sady mitady vola izy no manao izay hampiononana ny zanany. Tena sarotra amin’ny reny maty vady ny misahana ireo andraikiny fanampiny. Mety tsy hahazo ny fitaizana ilainy àry ny ankizy, amin’ny fotoana tena ilany fikarakarana sy fanomezan-toky.

Tanora loatra sy mbola tsy nahita fiainana matetika ny reny niteraka tsy manambady. Angamba koa izy ireo tsy nahavita fianarana hatramin’ny farany. Atahorana kokoa hahantra sy ho kely karama izy ireo, satria tsy misy asa hainy tsara. Mbola andraikiny koa ny mikarakara tsara ny zanany mandritra ny andro, raha tsy manampy azy ny ray aman-dreniny na ny havany. Mety hijaly ny vehivavy niteraka tsy manambady, noho ny henatra na ny fahatsapana ho manirery. Ny sasany angamba matahotra ny tsy hahita vady tsara intsony, satria hoe efa manan-janaka. Mety hijaly koa ny ankizy ao amin’ny tokantrano toy izany rehefa mihalehibe, satria tsy misy na inona na inona fantany momba ny rainy, ary tiany mba hahafantatra azy koa ilay rainy.

Mijaly be koa ireo misara-panambadiana. Mety ho tezitra mafy noho ilay fisarahana ilay lehilahy na ilay vehivavy. Lasa tsy mahavita maneho fitiavana amin’ny zanany intsony koa angamba izy ireo, satria mihevi-tena ho tsy misy hajany sy tsy misy ilana azy. Mety ho sarotra ny hitantana tokantrano ho an’ireo reny voatery hiasa. Mihevitra angamba izy ireo hoe sady tsy manam-potoana no tsy manan-kery hikarakarana ny zanany, nefa ireo zanany ireo koa tsy maintsy miatrika ny fiovana tampoka vokatry ny fisarahan’ny ray aman-dreniny.

Olana vokatry ny fisaraham-panambadiana

Tsapan’ny ray na reny tokan-tena fa samy hafa ny zavatra ilain’ny ankizy tsirairay, ary miovaova foana izany. Mety ho sarotra be ho an’ireo nisara-panambadiana ny manome tari-dalana ara-panahy ho an’ny zanany.

Mety tsy hanana zo hitaiza ny zanany ny ray na reny Vavolombelon’i Jehovah nisara-panambadiana. Ataony mifanindry amin’ny fotoana azo anatrehana fivoriana kristianina àry ny fotoana hahafahany hihaona amin’ny zanany. Afaka mifandray amin’ny fiangonana kristianina foana ny zanany amin’izay, ary tena hahasoa azy izany.

Raha tsy afaka mifandray firy amin’ny zanany ny ray na reny nisara-panambadiana, dia tokony hitady fomba hafa izy hampisehoana amin’ny zanany fa tia azy izy. Tokony ho tsapan’ilay ray na reny ny fihetseham-pon’ny zanany rehefa mihalehibe izy, indrindra fa rehefa manjary tia manao zavatra miaraka amin’olona sy te hana-namana ny zanany.

Hahavita hitaiza tsara ny zanany koa ny ray na reny tokan-tena, raha fantariny ny fahaizan’ny zanany sy ny toetrany ary ny fomba fisainany. (Genesisy 33:13) Tsy hisalasala hifampiresaka foana izy mianakavy, raha mifankatia sy mifandray tsara. Ho fantatr’ilay ankizy ny fiainan’ilay rainy na reniny, ary izy io koa hahafantatra tsara ny fiainan-janany.

Tsy tokony ho hentitra loatra

Afaka mifandray amin’ny rainy sy ny reniny foana ny ankizy, na dia efa nisaraka aza izy mivady. Aoka hatao hoe tsy mitovy ny fivavahan’ny ray aman-dreny. Ohatra hoe Vavolombelon’i Jehovah ilay reny ary tsy Vavolombelona ilay ray. Manampy mba hisorohana ny tsy fifanarahana ny fifampiresahana matetika sy amim-pahatsorana. “Aoka ho fantatry ny olona rehetra ny fandeferanareo”, hoy ny nosoratan’ny apostoly Paoly. (Filipiana 4:5) Tokony hampahafantarina ny ankizy fa manan-jo hanana ny fivavahany ny rainy sy ny reniny ka tokony hanaja izany ny ankizy.

Mety hanery an’ilay ankizy hiangona any aminy ilay rainy tsy Vavolombelona. Inona no azon’ilay reny Vavolombelona atao? Azony resahina amin’ilay zanany koa ny zavatra inoany, ka anjaran’ilay ankizy ny misafidy izay fivavahana tiany harahina, rehefa mandeha ny fotoana. Toy izany no nataon’i Timoty izay azo antoka fa nampianarin’ny reniny sy ny renibeny ny toro lalan’ny Baiboly. (2 Timoty 3:14, 15) Tsy mahazo aina angamba ilay ankizy rehefa mandeha miangona any amin’ny fivavahana hafa. Azony dinihina ny tantaran’i Namàna, ao amin’ny Baiboly. Efa lasa mpivavaka marina i Namàna nefa anisan’ny asany ny miaraka amin’ny mpanjaka rehefa mivavaka any an-tranon’ny andriamanitra atao hoe Rimona ny mpanjaka. Ny fandinihana an’io tantara io dia mety hanome toky an’ilay ankizy fa be fitiavana i Jehovah sady mahafantatra tsara izay mitranga, na dia manatrika fombafomba ara-pivavahana hafa aza izy.—2 Mpanjaka 5:17-19.

Afaka mamolavola ny fisainan-janany sy mahalala tsara ny fihetseham-pony ny reny. (Deoteronomia 6:7) Marina fa mety hahamenatra azy ny fiainany taloha, raha niteraka tsy manambady izy. Tokony hotadidiny anefa fa manana ray sy reny niteraka ny zanany, ary te hahafantatra momba ny ray aman-dreniny. Tian’ny ankizy ho tsapa fa zaza nirina izy fa tsy hoe sendra nisy noho ny tsy fitandremana fotsiny. Afaka manome toky amim-pitiavana ny zanany ny reny, rehefa miresaka aminy amim-panajana ny momba ny rainy, mamaly tsotra ny fanontaniany, ary manazava aminy izay tokony hampahafantarina azy mifanaraka amin’ny taonany.

Tokony hotadidin’ny ray sy ny reny koa, fa ny fifandraisany amin-janany no misy fiantraikany voalohany indrindra eo amin’ny fiheveran’io zanany io ny fitiavana sy ny fahefana. Raha mampihatra ny fahefany amim-pitiavana àry izy, dia hanjary ho vonona kokoa ny zanany hifandray amin’i Jehovah amim-pitiavana sy hanaja ny fahefana eo anivon’ny fiangonana.—Genesisy 18:19.

Ilaina ny fiaraha-miasan’ny ankizy

Tokony hahatsapa ny ankizy tezain’ny rainy na reniny tokan-tena fa tena ilaina ny fiaraha-miasan’izy ireo, mba hahasambatra ny fianakaviany. (Efesiana 6:1-3) Ny fankatoavan’izy ireo dia mampiseho ny fitiavany sy ny fankasitrahany ny ezaka ataon’ilay ray na reny mitaiza azy, mba hiarovana sy hanaovana izay hahasambatra ny fianakaviany. Olona roa, fara fahakeliny, vao afaka mifampiresaka, ka tokony hotadidin’ny ankizy fa tsy maintsy vonona izy hifanampy amin’ny reniny izay miezaka hampisy fifampiresahana tsara foana ao an-tokantrano.—Ohabolana 1:8; 4:1-4.

Matetika koa ireny ankizy ireny no tsy maintsy mandray andraikitra aloha kokoa noho ny ankizy mipetraka amin-dray aman-dreniny. Tokony ho tsara fanahy sy hanam-paharetana ilay rainy na reniny rehefa manome toromarika. Hanjary hatoky tena sy hahatsiaro tena ho ilaina ny zanany amin’izay, rehefa mahazo ny fahaizana ilaina eo amin’ny fiainana na dia mbola kely aza. Mety hasaina hanao raharaha ao an-trano koa ilay ankizy, mba hampirindra ny fiainana ao an-tokantrano.

Tsy midika anefa izany hoe ataon’ilay ray na reny izay hahatonga ny zanany ho lasa olon-dehibe kely mahavita tena, ka hoe tsy mila fanampiana intsony. Tsy tsara mihitsy tokoa ny hamelana ny ankizy ho irery na tsy misy mpanara-maso.

Diso hevitra ny ray na reny tokan-tena matetika raha mieritreritra fa tokony ho namany hitantarany izay manjo azy rehetra ny zanany. Marina fa tokony hifandray tsara amin-janany izy, kanefa tokony hotadidiny fa ray aman-dreny no ilain’ny zanany ary mbola tsy mato-tsaina mba ho namana na olona filazana tsiambaratelo izy. Raiso ny andraikitrao amin’ny maha ray na reny.

Manampy mba hahasambatra ny fianakaviana ny fiaraha-miasa amim-pitiavana eo amin’ny ray aman-dreny sy zanaka. Mihabetsaka tokoa ny ankizy lasa tezain’ny rainy na reniny irery. Tokony ho tsapantsika rehetra àry ny olana atrehin’ny ray na reny tokan-tena sy ny zanany, ary tokony ho vonona isika hampahery sy hanampy azy ireny amim-pitiavana.

[Efajoro/Sary, pejy 9]

Fiantraikany eo Amin’ny Ankizy

Mety ho kely kokoa amin’ny ankapobeny ny fotoana ananan’ireo mitaiza irery mba hikarakarana ny zanany tsirairay, raha oharina amin’ny an’ny ray sy reny miara-mipetraka. Miray trano amin’olona tsy vadiny ny ray na reny tokan-tena, indraindray. Vao mainka tsy mateza noho ny fanambadiana anefa ny tokantranomaso, ary mety hiova foana ny olon-dehibe miara-miaina amin’ny ankizy ao amin’izany tokantrano izany.

Rehefa nodinihina, dia hita fa “atahorana kokoa ho ratsy noho ny an’ny ankizy tezain’ny ray sy reniny miaraka, ny fiainan’ny ankizy tezain’ny reniny irery.” Rehefa dinihina akaiky anefa, dia hita fa ny tsy fahampiam-bola no toa “antony iray lehibe indrindra tsy itovian’ny fiainan’izy ireny amin’ny an’ny ankizy hafa.” Saingy tsy midika velively izany hoe tsy maintsy hikororosy ny fiainan’ny ankizy tezain’ny reniny irery. Afaka hanohitra fitaoman-dratsy izy ireo raha mahazo tari-dalana sy fampiofanana tsara.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara