FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g02 8/10 p. 26-27
  • Ilaina mba Hananana Finoana ve ny Arkeolojia?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ilaina mba Hananana Finoana ve ny Arkeolojia?
  • Mifohaza!—2002
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • “Tsy havela hisy vato hifanongoa eto”
  • “Tanàna” iray vaovao
  • Jerosalema
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Jerosalema — Ilay “Tanànan’ny Mpanjaka Lehibe”
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1998
  • Mamonjy Aina ny Finoana ny Faminanian’ny Baiboly
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2007
  • Aza Mahafoy ny Fiaraha-mivory
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2002
Hijery Hafa
Mifohaza!—2002
g02 8/10 p. 26-27

Ny Fiheveran’ny Baiboly

Ilaina mba Hananana Finoana ve ny Arkeolojia?

Nilaza toy izao momba an’i Jerosalema i Samuel Manning, mpitondra fivavahana anglisy, tamin’ny 1873: “Voasarika hirohotra ho any ny mpanao fivahiniana masina avy any amin’ny faran’ny tany rehetra. Manda efa rava sy lalana maloto maharikoriko ary sisan-javatra mihapotika no mahaliana olona an-tapitrisa, ka ankamasininy mihitsy, mihoatra noho ny toerana hafa eto an-tany.”

EFA tamin’ny andron’i Constantin, Emperora Romanina, ny olona no liana tamin’ny Tany Masina.a Nivezivezy nankany nandritra ny 1 500 taona ireo mpanao fivahiniana masina, mba hitady fomba hivavahana sy hifandraisana manokana tamin’ny Tany Masina. Mahagaga anefa, fa teo am-piandohan’ireo taona 1800 vao nisy manam-pahaizana niaraka tamin’izy ireo. Nanomboka tamin’izay àry ny arkeolojia momba ny Baiboly, izany hoe ny fikarohana momba ny sisan-javatra, olona, toerana, ary fiteny tany amin’ny Tany Masina fahiny.

Tena nanazava zavatra maro tamin’ny andron’ny Baiboly ny zavatra hitan’ny arkeology. Matetika koa no nifanaraka tamin’ny fitantaran’ny Baiboly ny fanazavan’ny arkeolojia. Tena mila ireny fanazavana ireny ve anefa ny Kristianina vao hanam-pinoana? Mba hamaliana izany, dia handinika toerana iray nanaovan’ny arkeology fikarohana maro isika, dia ny tanànan’i Jerosalema sy ny tempoliny.

“Tsy havela hisy vato hifanongoa eto”

Tamin’ny 11 Nisana (volana Martsa sy Aprily), taona 33, araka ny kalandrie jiosy, dia nandeha farany tany amin’ny tempolin’i Jerosalema i Jesosy. Rehefa niala tao izy sy ny mpianany sasany, ka nankany amin’ny Tendrombohitra Oliva, dia hoy ny iray tamin’ny mpianany: “Mpampianatra ô, akory re ireto vato sy rafitra ireto!”—Marka 13:1.

Tena tia an’Andriamanitra sy ny tempoliny ireo Jiosy nahatoky ireo. Nireharehany mihitsy ireo fitambaran-trano kanto ireo, sy ny fomba amam-panao narahina tao hatramin’ny 1 500 taona. Tena nanaitra àry ny valin-tenin’i Jesosy tamin’ny mpianany hoe: “Hitanao va ireto rafitra lehibe ireto? Tsy havela hisy vato hifanongoa eto ka tsy horavana.”—Marka 13:2.

Efa tonga izao ilay Mesia nampanantenaina, ka nahoana indray no havelan’Andriamanitra horavana ny tempoliny? Rehefa nandeha ny fotoana vao azon’ny mpianatra tsara ny tian’i Jesosy holazaina, noho ny fanampian’ny fanahy masina. Inona anefa no ifandraisan’ny tenin’i Jesosy amin’ny arkeolojia momba ny Baiboly?

“Tanàna” iray vaovao

Tsy nankasitrahan’Andriamanitra intsony ilay firenena jiosy, nanomboka tamin’ny Pentekosta taona 33. (Matio 21:43) Zavatra iray lehibe kokoa àry no nasolo azy, dia fanjakana iray hitondra fitahiana ho an’ny olombelona rehetra. (Matio 10:7) Noravana tokoa i Jerosalema sy ny tempoliny tamin’ny taona 70, araka ny faminanian’i Jesosy. Manamarina ny fitantaran’ny Baiboly momba io fisehoan-javatra io ny arkeolojia. Tsy miankina amin’ny fahitana sisan-javatra avy tamin’io tempoly taloha io anefa ny finoan’ny Kristianina. Jerosalema iray hafa no tena iorenan’ny finoany, fa tsy tanàna ara-bakiteny.

Nandre ny faminanian’i Jesosy momba ny handravana an’i Jerosalema sy ny tempoliny ny apostoly Jaona, sady nahita ny nahatanterahany. Nomena izao fahitana izao izy tamin’ny taona 96: “Nahita aho fa, indro, ny tanàna masina, dia Jerosalema vaovao, nidina avy any an-danitra tamin’Andriamanitra.” Nisy feo avy teo amin’ny seza fiandrianana nanao hoe: “Izy hitoetra eo [amin’ny olombelona], ary ireo ho olony, ary Andriamanitra no hitoetra eo aminy, dia ho Andriamaniny. Ary hofafany ny ranomaso rehetra amin’ny masony; ary tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy alahelo, na fitarainana, na fanaintainana.”—Apokalypsy 21:2-4.

Ilay “tanàna” dia fitambarana Kristianina mahatoky izay hiara-manjaka amin’i Kristy any an-danitra. Anisan’ny fitondram-panjakana any an-danitra izy ireo, izany hoe ny Fanjakan’Andriamanitra. Hanjaka amin’ny tany izy io, ka hahatonga ny olombelona ho lavorary indray amin’ny Arivo Taona. (Matio 6:10; 2 Petera 3:13) Anisan’ireo hiara-manjaka amin’i Kristy any an-danitra ireo Kristianina jiosy tamin’ny taonjato voalohany. Fantatr’izy ireo fa tsy afaka nifampitaha tamin’izany tombontsoa izany ny zavatra nananany teo amin’ny fivavahana jiosy.

Toy ny nisolo tena azy rehetra ny apostoly Paoly, rehefa nanoratra momba ny toerana ambony notanany taloha tao amin’ny Jodaisma, hoe: “Izay azoko ho tombony dia nataoko fatiantoka kosa noho ny amin’i Kristy. Eny tokoa, fa ataoko ho fatiantoka avokoa ny zavatra rehetra noho ny fihoaran’ny hatsaran’ny fahalalana an’i Kristy Jesosy Tompoko.”—Filipiana 3:7, 8.

Tena nanaja ny Lalàn’Andriamanitra sy ny fandaharana momba ny tempoly ny apostoly Paoly. Mazava àry fa tsy nanambany an’ireny fandaharana nataon’Andriamanitra ireny ny teniny.b (Asan’ny Apostoly 21:20-24) Nasehon’i Paoly fotsiny fa ambony noho ny fivavahana jiosy ny fivavahana kristianina.

Tsy isalasalana fa nahalala tsipirian-javatra nahaliana momba ny fivavahana jiosy i Paoly sy ny Kristianina jiosy hafa tamin’ny taonjato voalohany. Afaka mahalala ny sasany amin’ireny tsipirian-javatra ireny ny Kristianina ankehitriny, noho ny fanampian’ny arkeolojia. Mariho anefa ny zavatra nasain’i Paoly nifantohan’ny sain’i Timoty: “Mazotoa hihevitra izany zavatra izany [izay mifandray amin’ny fiangonana kristianina], dia mikeleza aina fatratra amin’izany, mba hiseho amin’ny olona rehetra ny fandrosoanao.”—1 Timoty 4:15.

Manampy antsika hahazo ny hevitr’ireo zava-nisy tamin’ny andron’ny Baiboly ny arkeolojia. Fantatry ny Kristianina anefa fa tsy miankina amin’ny porofo nohadin’olombelona avy tany ambany tany ny finoany, fa amin’ny Tenin’Andriamanitra.—1 Tesaloniana 2:13; 2 Timoty 3:16, 17.

[Fanamarihana ambany pejy]

a Samy liana te hahalala ireo toerana masina tany Jerosalema i Constantin sy Hélène reniny. Nitsidika an’i Jerosalema mihitsy i Hélène. Maro no nanao toa azy nandritra ireo taonjato taorian’izay.

b Nisy fotoana nitandreman’ny Kristianina jiosy tany Jerosalema tamin’ny taonjato voalohany ny Lalàn’i Mosesy, angamba noho ireto antony ireto: Avy tamin’i Jehovah ilay Lalàna. (Romana 7:12, 14) Efa fanao raiki-tampisaka tamin’ny Jiosy ilay izy. (Asan’ny Apostoly 21:20) Io no lalàna teo amin’ilay tany, ka raha tsy narahina dia mety ho niharan’ny fanoherana tsy amin’ny antony ny fivavahana kristianina.

[Sary, pejy 26]

Ambony: Jerosalema tamin’ny 1920; vola romanina nampiasain’ny Jiosy tamin’ny taona 43; ampongabendanitra mamony, vita tamin’ny ivoara, angamba tao amin’ny tempolin’i Solomona, tamin’ny taonjato fahavalo Talohan’i Kristy

[Sary nahazoan-dalana, pejy 26]

Pejy 2 sy 26: Vola: Photograph © Israel Museum, Jerusalem; courtesy of Israel Antiquities Authority; ampongabendanitra: Courtesy of Israel Museum, Jerusalem

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara