FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g02 8/11 p. 26-27
  • Manamaivana ny Fahalementsika ve Andriamanitra?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Manamaivana ny Fahalementsika ve Andriamanitra?
  • Mifohaza!—2002
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Mosesy sy Davida
  • Ady tamin’ny ota
  • Antenain’Andriamanitra ny hiadiantsika amin’ny fahalementsika
  • Malemy Nefa Mahery
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2008
  • Famantarana ny Fahalemena sy ny Haratsiam-panahy ary ny Fibebahana
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1995
  • Ny ady atao mba hanaovana izay marina
    Azonao Atao ny Hiaina Mandrakizay ao Amin’ny Paradisa eto An-Tany
  • Azonao Atao ny Mitoetra ho Madio Ara-pitondran-tena
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2000
Hijery Hafa
Mifohaza!—2002
g02 8/11 p. 26-27

Ny Fiheveran’ny Baiboly

Manamaivana ny Fahalementsika ve Andriamanitra?

‘Tsy ratsy fanahy aho! Efa miezaka mafy aho hiala amin’ny fahazaran-dratsiko, nefa tena tsy manan-kery tsotra izao e!’

TOY izany ve no tsapanao na ny olom-pantatrao? Maro no manatsoaka hevitra fa toa tsy ho vita mihitsy ny handresy fahalemena raiki-tampisaka. Misy olona tsy mety afaka amin’ny toaka, na sigara sy paraky, na zava-mahadomelina. Maro koa no tia harena loatra. Eo koa ireo nanaiky ho resin’ny fakam-panahy hijangajanga, ka milaza fotsiny hoe tsy mety mihitsy fa te hanao firaisana foana ny tenany.

Nasehon’i Jesosy ao amin’ny Matio 26:41, fa takany tsara hoe manana fahalemena ny olombelona.a Porofoin’ny Baiboly iray manontolo mihitsy aza fa tena mamindra fo amin’ny olombelona na i Jehovah Andriamanitra na Jesosy. (Salamo 103:8, 9) Manantena ve anefa isika fa hohamaivanin’Andriamanitra daholo ny fahalementsika?

Mosesy sy Davida

Jereo ny tantaran’i Mosesy. Fantatra ho ny ‘lehilahy nalemy fanahy nihoatra noho ny olona rehetra tetỳ ambonin’ny tany’ i Mosesy, ary niezaka ny ho toy izany hatrany izy. (Nomery 12:3) Nanao zavatra tsy nety foana ny Isiraelita nandritra ny dian’izy ireo tany an’efitra, sady tsy nanaja an’Andriamanitra sy ny solontenany. Nitady hatrany ny tari-dalan’Andriamanitra anefa i Mosesy na dia teo aza izany rehetra izany.—Nomery 16:12-14, 28-30.

Tezitra tamin’ilay firenena manontolo anefa i Mosesy ka tsy nankatò ny toromarik’Andriamanitra, nony efa nadiva ho vita ilay dia lava sy nandreraka nataon’izy ireo. Namela ny helony Andriamanitra, nefa nanamaivana io zava-nitranga io ve izy? Tsia. Hoy izy tamin’i Mosesy sy Arona: “Satria tsy nino Ahy hianareo, . . . dia tsy hitondra izao fiangonana izao ho any amin’ny tany izay nomeko azy hianareo.” Tsy ho tonga any amin’ny Tany Nampanantenaina i Mosesy. Niady mafy nandritra ny 40 taona izy mba hahazoana io valisoa tena tsara io, nefa tsy azony izany noho ny fahalemena lehibe nananany.—Nomery 20:7-12.

Nanana fahalemena koa i Davida Mpanjaka na dia tia an’Andriamanitra aza izy. Nanaiky ho resin’ny filan’ny nofo izy indray mandeha, ka nanao firaisana tamin’ny vadin’olona. Nandramany nafenina ilay izy ka nasainy novonoina ny vadin’ilay vehivavy. (2 Samoela 11:2-27) Tena nanenina noho ny fahotany izy avy eo, ka navelan’Andriamanitra ny helony. Nandrava tokantranon’olona anefa i Davida, ka tsy niaro azy tamin’ireo loza nahatsiravina naterak’izany i Jehovah. Narary be ny zanany lahy kely, nefa tsy nampian’i Jehovah izy na dia nivavaka ho an’io zanany io aza. Maty ilay zaza, ary nisesisesy avy eo ny loza tao amin’ny ankohonan’i Davida. (2 Samoela 12:13-18; 19:1) Nanaiky ho resin’ny fahalemena i Davida, ka nitondra vokatra tena ratsy ho azy izany.

Asehon’ireo ohatra ireo fa raisin’Andriamanitra ho tompon’andraikitra amin’ny fitondran-tenany ny olombelona tsirairay. Tsy maintsy manarina izay hitany fa fahalemeny ara-panahy ireo maniry hanompo azy, ary miezaka ny ho tonga Kristianina tsara toetra kokoa. Maro no nanao izany tamin’ny taonjato voalohany.

Ady tamin’ny ota

Tena azo lazaina hoe modely ny apostoly Paoly raha ny amin’ny fomba fiaina kristianina. Fantatrao ve anefa fa niady mafy foana tamin’ny fahalemeny izy? Milazalaza tsara an’io ady io ny Romana 7:18-25. Niady tsy an-kijanona mihitsy i Paoly satria fantany fa sarotra resena ny ota.—1 Korintiana 9:26, 27.

Ratsy fitondran-tena taloha ny mpikambana sasany tany amin’ny fiangonana kristianina tany Korinto. Lazain’ny Baiboly fa ‘mpijangajanga, mpaka vadin’olona, sodomita, mpangalatra, mpierina, ary mpimamo’ izy ireo taloha. Resahiny anefa fa “efa voasasa” izy ireo. (1 Korintiana 6:9-11) Tamin’ny fomba ahoana? Nanome hery azy ireo handresena ny fanao ratsiny ny fahalalana ny marina sy ny fifaneraserana tamin’ny Kristianina hafa ary ny fanahin’Andriamanitra. Nohamarinin’Andriamanitra tamin’ny anaran’i Kristy izy ireo tatỳ aoriana. Navelan’Andriamanitra tanteraka ny helok’izy ireo, ka nahatonga azy ireo hanana fieritreretana madio izany.—Asan’ny Apostoly 2:38; 3:19.

Tsy nanamaivana ny fahalemeny i Paoly sy ireo Kristianina tany Korinto. Niadiany mafy kosa izany, ka resiny noho ny fanampian’Andriamanitra. Nanjary mendri-piderana ny fitondran-tenan’ireo mpivavaka tamin’ny taonjato voalohany ireo, na dia teo aza ny tontolo manodidina azy sy ny tsy fahalavorariany. Ary ahoana ny amintsika?

Antenain’Andriamanitra ny hiadiantsika amin’ny fahalementsika

Mety tsy ho resy tanteraka ny fahalemena na hiadiana aza. Tsy tokony hanaiky ho resin’ny tsy fahalavorariana isika, nefa tsy afaka manafoana azy io. Mety hanana fahalemena sarotra resena isika noho ny tsy fahalavorariana. Tsy tokony hanaiky ho resin’ny fahalementsika anefa isika. (Salamo 119:11) Nahoana izany no tena zava-dehibe?

Satria tsy eken’Andriamanitra raha ataontsika fialan-tsiny foana ny tsy fahalavorariana rehefa manao ratsy isika. (Joda 4) Takin’i Jehovah ny hananan’ny olombelona fitondran-tena tsara. Hoy ny Baiboly: “Mankahalà ny ratsy.” (Romana 12:9) Nahoana Andriamanitra no hentitra toy izany?

Ny antony iray dia satria mampidi-doza ny fanekena ho resin’ny fahalemena. Hoy ny Baiboly ao amin’ny Galatiana 6:7: “Izay afafin’ny olona no hojinjany.” Hijinja vokatra tena ratsy eo amin’ny fiainany matetika izay manaiky ho resin’ny fahazaran-dratsy sy ny fitiavan-karena ary ny faniriana hijangajanga. Misy antony lehibe kokoa anefa.

Mampahatezitra an’Andriamanitra ny ota. “Mampisaraka” antsika amin’i Jehovah izy io. (Isaia 59:2) Tsy ankasitrahany izay zatra manota, ka mampirisika azy ireo izy hoe: “Misasà hianareo, diovy ny tenanareo, . . . mitsahara, fa aza manao ratsy.”—Isaia 1:16.

Be fitiavana sy be famindram-po ny Mpamorona antsika. ‘Tsy tiany hisy ho very, fa mba ho tonga amin’ny fibebahana ny rehetra.’ (2 Petera 3:9) Tsy hankasitrahan’Andriamanitra isika raha manaiky ho resin’ny fahalemena foana. Tsy manamaivana ny fahalementsika àry Andriamanitra, ka tsy tokony hanao izany koa isika.

[Fanamarihana ambany pejy]

a Hoy i Jesosy: “Mety . . . ny fanahy, fa ny nofo no tsy manan-kery.”

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara