FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g03 8/8 p. 31
  • Fanasoavana ny Fiaraha-monina

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fanasoavana ny Fiaraha-monina
  • Mifohaza!—2003
  • Mitovitovy Aminy
  • “Tsangambato ho An’ny Toe-tsaina Tia Fiaraha-miasa”
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1994
  • Fiaraha-manorina Eran-tany
    Vavolombelon’i Jehovah—Mpitory ny Fanjakan’Andriamanitra
  • Trano Manome Voninahitra An’i Jehovah
    Efa Mitondra ny Fanjakan’Andriamanitra!
  • Mitaky Fanitarana Haingana ny Fitomboana Be
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2002
Hijery Hafa
Mifohaza!—2003
g03 8/8 p. 31

Fanasoavana ny Fiaraha-monina

AVY AMIN’NY MPANORATRA NY MIFOHAZA! ANY ESPAINA

NANDRITRA ny taonjato maro, dia nanome tany hanorenana toeram-pivavahana ireo faritra mizaka tena tany Espaina. Ninoan’ireo manam-pahefana mantsy fa hahasoa ny fiaraha-monina ny fivavahana. Ny Fivavahana Katolika no fivavahana lehibe indrindra tany Espaina, ka nomena ho an’ny Eglizy Katolika foana ny ankamaroan’ny tanim-panjakana. Niova anefa izany tatỳ aoriana.

Nisy lalàna momba ny fahalalahana ara-pivavahana nivoaka tany Espaina tamin’ny 1980. Nilaza izy io fa “tsy hisy fivavahana hankasitrahan’ny Fanjakana manokana.” Nahatonga ny manam-pahefana sasany haneho ny fankasitrahany ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah izy io. Ho marik’izany fankasitrahana izany, dia nanome tany hanorenana Efitrano Fanjakana izy ireo.

Manam-pahefana maro samihafa no nilaza fa tena mety ny fanomezana toy izany, satria “asa fampianarana no ataon’ny [Vavolombelona]”, sady “fanasoavana ny vahoaka sy ny fiaraha-monina.” Nisy koa nilaza fa “tena ilain’ny olona eo amin’ilay faritra ny Vavolombelon’i Jehovah”, ary “tsy natao hitadiavam-bola ny asan’izy ireo.”

Efitrano Fanjakana maro no vita tao anatin’ny 48 ora, noho ny fomba fanorenana manokana nampiasain’ireo Vavolombelona miasa an-tsitrapo. Hoy ny ben’ny tanànan’i La Línea, any amin’ny faritra atsimoandrefan’i Espaina: “Tena nanaitra ahy ny fitiava-namana eo amin’ireo mpiasa an-tsitrapo, ary heveriko fa mendrika ny fanampiantsika izy ireo. Tokony ho maro kokoa ny olona manana an’izany toe-tsaina izany eto amin’ity tontolo misara-bazana ity.” Nantsoiny hoe “mariky ny firaisan-kina”, ilay Efitrano Fanjakana vaovao.

Voamariky ny manodidina koa izany firaisan-kina izany. Rehefa naorina ny Efitrano Fanjakana roa tany Vitoria, any amin’ny faritra avaratr’i Espaina, dia hoy i Marian, izay nipetraka tsy lavitra teo: “Tsy hisy mihitsy ny zava-manahirana mampijaly antsika ankehitriny, raha mifankatia toy izao ny olona rehetra.” Hoy ny mpanao mari-trano iray rehefa nahita ny fandroson’ny asa fanorenana: “Tiako raha lasa Vavolombelon’i Jehovah aho, dia mba ho faly toa anareo!”

Nomen’ny manam-pahefana tany 600 metatra toradroa maimaim-poana ny Vavolombelona tao amin’ny tanànan’i Zaragoza, any amin’ny faritra avaratratsinanan’i Espaina. Nolazain’ny gazety teo an-toerana fa ‘toy ny tranom-bitsika ilay toeram-panorenan’ny Vavolombelon’i Jehovah, ka vitsika kely an-jato no miara-miasa.’ Nandray tsara an’ireo mpiasa ny mpiara-monina. Hoy ny iray tamin’izy ireo: “Nahatonga ahy tsy hino an’Andriamanitra intsony ny pretra, fa ianareo kosa nahatonga ahy hino azy indray.”

Ankasitrahan’ny Vavolombelona ireo mpiara-monina sy manam-pahefana eo an-toerana, izay manampy azy amin’ny fanorenana toeram-pivavahana. Tapa-kevitra izy ireo ny hampiasa ny Efitrano Fanjakanany, mba hitoriana sy hampianarana ny Tenin’Andriamanitra, satria izany no asa fampianarana mahasoa indrindra ho an’ny fiaraha-monina.

[Sary, pejy 31]

La Línea, any Espaina

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara