Omeo Izay Ilainy ny Zaza
TENA mila fiheverana manokana àry ny ankizy, araka ny lahatsoratra teo aloha. Asehon’ny zava-misy anefa, fa maro amin’ny ankizy no tsy raharahaina. Hoy ny mpikaroka iray, ao amin’ny gazety Gilaoby sy Taratasy (mivoaka amin’ny teny anglisy, any Toronto, Kanada): “Mbola tsy tafasaraka amin’ny fianakaviany toy izao mihitsy ny tanorantsika. Lasa tsy ampy fahalalana sy fahendrena azo ampiharina izy ireo vokatr’izany.”
Inona no tsy nety? Mety ho anisan’ny antony ve ny hoe tsy raharahaina ny ankizy raha mbola zazakely? Mampiofana reny mahantra nefa mitaiza kely, ny psikology iray. Hoy izy: “Mila mianatra ny asan’ny ray aman-dreny isika rehetra. Tokony ho tsapantsika koa fa handray soa be dia be isika, raha manokana fotoana iarahana amin’ny zanatsika.”
Mila fampiofanana mitohy, na dia ireo zaza mbola kely aza. Tokony hatao tsy tapaka sy isan’andro izany, fa tsy ho minitra vitsivitsy sy indraindray fotsiny. Tena hisy akony amin’ny fitomboan’ny zaza, ny fotoana iarahana aminy manomboka eo amin’ny fahazazany.
Ilana fiomanana
Ilain’ny ray aman-dreny ny miomana ho amin’ny fahatongavan’ilay zaza, mba ho vitany tsara ny andraikitra mavesatra hiantsorohany. Hiana-javatra izy ireo avy amin’ny toro lalan’i Jesosy Kristy momba ny mahazava-dehibe ny fiomanana. Hoy izy: ‘Iza aminareo, no te hanorina tilikambo nefa tsy mipetraka aloha manao kajy ny amin’izay ho lany?’ (Lioka 14:28) Sarotra kokoa noho ny fanorenana tilikambo ny fitaizana zaza, satria asa maharitra 20 taona eo ho eo izy io. Koa ilaina àry ny drafitra maty paika toy ny amin’ny asa hafa rehetra, raha tiana hahomby koa ny fitaizana.
Voalohany, dia mitaky fiomanana ara-tsaina sy ara-panahy ny andraikitry ny ray aman-dreny. Hita tamin’ny fanadihadiana natao tamin’ny vehivavy bevohoka niisa 2 000, tany Alemaina, fa salama fo sy tomady kokoa ny zaza nirina, raha oharina amin’ireo tsy nirina. Hita tamin’ny fanadihadiana hafa koa fa tena mora farofy sy mora marary fo kokoa ny zanak’ireo reny mijaly am-panambadiana, raha oharina amin’ny zanak’ireo manana tokantrano milamina.
Mazava àry fa manana andraikitra lehibe amin’ny fitomboan’ny zaza ny raim-pianakaviana. Hoy ny Dr. Thomas Verny: ‘Anisan’ny antony lehibe mety hanimba ny fihetseham-po sy ny fahasalaman’ny zaza, ny lehilahy mampijaly sy tsy miraharaha ny vadiny bevohoka.’ Ny ray tia vady no fanomezana tsara indrindra azo omena ny ankizy.
Mamokatra hormonina mankany amin’ny rany ny vatan’ny reny, rehefa manahy be izy, na mikorontan-tsaina. Mety hanimba ny zaza koa ireny. Hita anefa fa ny fanahiana mafy na maharitra no mampidi-doza, fa tsy ny fahasosorana na fahasorenana sendra mandalo akory. Ny zavatra tsapan’ny reny momba ny zaza haterany anefa no zava-dehibe indrindra.a
Ahoana raha bevohoka ianao nefa tsy manohana anao ny vadinao, na tsy mampahazoto anao mihitsy izany hoe ho reny izany? Maro ny antony mety hahakivy ny vehivavy bevohoka. Tadidio foana anefa fa tsy misy hadisoan’ilay zaza mihitsy. Inona no hanampy anao ho tony foana, rehefa misy toe-javatra mahakivy?
Nanampy olona maro be ny Tenin’Andriamanitra. Hoy ny Baiboly: “Amin’ny zava-drehetra, dia ampahafantaro an’Andriamanitra ny fangatahanareo, amin’ny alalan’ny vavaka sy ny fitalahoana mbamin’ny fisaorana. Ary ny fiadanan’Andriamanitra izay lehibe lavitra noho ny eritreritra rehetra no hiambina ny fonareo sy ny sainareo amin’ny alalan’i Kristy Jesosy.” Ho gaga koa ianao hahita fa tena manampy ny fanarahana ilay torohevitra hoe: “Aza manahy na amin’inona na amin’inona.” (Filipianina 4:6, 7) Ho tsapanao ny fiahian’ilay Mpamorona, izay mikarakara anao.—1 Petera 5:7.
Mpitranga ihany izany
Malahelohelo sy te hatory lava ny vehivavy sasany, mandritra ny herinandro vitsivitsy aorian’ny fiterahany. Mety hiova ho toy izany tokoa, na dia ireo reny naniry zaza aza. Mpitranga ihany izany. Mety hiovaova be mantsy ny habetsahan’ny hormonina vokarin’ny tenan’ny vehivavy avy niteraka. Mety hahatsiaro tena ho tototry ny andraikitry ny reny koa ireo sambany vao niteraka. Tsy maintsy fahanana sy soloana ary karakaraina foana mantsy ny zazakely, ary tsy mba mahalala fotoana koa.
Nilaza ny reny iray fa te hampijaly azy fotsiny ny zanany ka mitomany. Tsy mahagaga raha nilaza ny Japoney iray, manam-pahaizana amin’ny fitaizan-janaka hoe: “Tsy misy na iza na iza, vita fanefitra amin’ny fahaketrahana ateraky ny fitaizana.” Nilaza koa izy fa “tsy tokony hitokantokana mihitsy ny reny.”
Mety ho ketraka indraindray ny reny, nefa azony arovana amin’ny voka-dratsin’izany ny zanany. Hoy ny gazety Ny Fotoana (anglisy): “Mety hisokatra kokoa ny sain’ny zaza, na dia kivy aza ny reniny, raha toa ilay reniny ka niezaka nandresy izany, sy nanome fitiavana be dia be an’ilay zaza, ary niara-nilalao foana taminy.”b
Inona no azon’ny ray anampiana?
Matetika no tena tsara toerana ny raim-pianakaviana, mba hanampy sy hanohana ny vadiny. Azony raisina sy karakaraina, ohatra, ilay zaza raha mitomany amin’ny alina, mba hahafahan’ilay reny hiala sasatra. Hoy ny Baiboly: “Hianareo lehilahy kosa, mahaiza mitondra ny vadinareo amim-pahendrena.”—1 Piera 3:7, Fandikan-teny Katolika.
Namela ohatra tonga lafatra ho an’ny lehilahy vady i Jesosy Kristy. Foiny ho an’ny mpanara-dia azy mantsy na dia ny ainy aza. (Efesianina 5:28-30; 1 Petera 2:21-24) Manahaka an’i Kristy àry ny ray, raha mampandefitra zavatra sasany, ka mikarakara an’ilay zaza. Tena mila miara-miasa sy samy miezaka tokoa ny ray aman-dreny, rehefa mitaiza ankizy.
Miara-miasa sy samy miezaka
Hoy i Yoichiro, ray manan-janaka vavikely roa taona: “Amin’ny maha ray aman-dreny anay, dia miresaka hatramin’ny tsipirian-javatra momba ny fitaizana ny zanakay izahay. Isaky ny mipoitra ny olana, dia resahinay ny fomba hamahana azy.” Fantatr’i Yoichiro fa mila miala sasatra ny vadiny. Matetika àry no entiny ilay zaza, rehefa mandeha mivoaka kely izy.
Niara-nonina ny mpihavana, taloha, ka afaka nanampy tamin’ny fikarakarana ny zaza mbola kely, ny zanaka efa lehibe sy ny havana. Nilaza àry ny mpiasa iray ao amin’ny Foibem-panampiana Amin’ny Fitaizan-janaka, any Kawasaki, Japon, hoe: “Matetika no maivamaivana ny reny raha misy olona azony iresahana momba ny toe-javatra misy azy. Afaka mandresy ny olana mianjady aminy ny reny maro, raha ampiana kely fotsiny.”
Milaza ny gazety Ray Aman-dreny (anglisy), fa “mila olona azony hatonina mba hilazana ny fanahiany”, ny ray aman-dreny. Aiza no hahitany izany? Tena handray soa izy raha vonona hihaino an’ireo ray aman-dreniny na ny rafozany. Tokony havelan’ny ray aman-dreny ho an’ny zanany efa manana tokantrano anefa ny fanapahan-kevitra farany.c
Afaka manampy an’ireo ray aman-dreny tanora koa matetika, ny mpiray finoana. Misy Vavolombelon’i Jehovah efa za-draharaha amin’ny fitaizan-janaka angamba eo amin’ny fiangonana misy anao, ka vonona hihaino ny zava-manahirana anao. Mety hanampy anao ny soso-kevitr’izy ireny. Azonao atao koa ny mangataka ny fanampian’ireo “vehivavy zokiolona.” Milaza mantsy ny Baiboly fa efa nanaraka ny fitsipika kristianina hatramin’ny ela izy ireny, ary vonona hanampy ny vehivavy tanora.—Titosy 2:3-5.
Mazava ho azy fa tokony hifantina ny soso-kevitra raisiny ny ray aman-dreny. Hoy i Yoichiro: “Lasa manam-pahaizana tampoka tamin’ny fitaizana daholo ireo nifanerasera taminay.” Hoy koa i Takako vadiny: “Nahasosotra ahy, tamin’ny voalohany, ny soso-kevitry ny olona. Toy ny hoe nanakiana ahy izy ireo, satria aho tsy nanana ny fahalalana tokony hananan’ny ray aman-dreny.” Ray aman-dreny maro anefa no nahay nandanjalanja ka afaka nanome izay nilain’ny zanany, noho ny fanampian’ny olon-kafa.
Ny fanampiana tsara indrindra
Afaka miantehitra amin’ny loharanom-pampaherezana azo antoka ianao, raha mahatsiaro fa tsy misy olona afaka manampy anao. I Jehovah Andriamanitra, ilay namorona antsika izany. Hitany daholo izay rehetra mitranga, na dia ireo mbola tsy teraka aza. (Salamo 139:16) Voarakitra ao amin’ny Baiboly ny teniny tamin’ny vahoakany fahiny hoe: “Mety manadino ny zanany minono va ny vehivavy ka tsy hamindra fo amin’ny zanaka naloaky ny kibony? Eny, mety manadino ihany izy, fa Izaho kosa tsy mba manadino anao.”—Isaia 49:15; Salamo 27:10.
Tsy manadino ny ray aman-dreny mihitsy i Jehovah. Nomeny toro lalana tena tsara momba ny fitaizan-janaka izy ireo, ao amin’ny Baiboly. Izao, ohatra, no nosoratan’i Mosesy mpaminanin’Andriamanitra, 3 500 taona lasa izay: “Tiava an’i Jehovah Andriamanitrao amin’ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra ary ny herinao rehetra.” Ary koa hoe: “Aoka ho ao am-ponao izao teny andidiako anao anio izao. Dia ampianaro tsara ny zanakao izany, ary resaho, na mipetraka ao an-tranonao hianao, na mandeha any an-dàlana, na mandry, na mifoha.”—Deoteronomia 6:5-7.
Ahoana no fahitanao an’io toromariky ny Tenin’Andriamanitra io? Tsy midika ve izany fa tokony hatao tsy tapaka sy mitohy ary isan’andro ny fampianarana ny ankizy? Tsy ampy mihitsy ny manokana tsindraindray fotoana kely mahasoa, hiarahana amin’ny ankizy. Tokony ho vonona hiresaka foana amin’ny zanakao ianao, satria matetika dia amin’ny resaka tsy nomanina mialoha, no tena mivoaka ny avy ao am-po. Amin’izay ianao dia hanaraka ny torohevitry ny Baiboly hoe: “Zaro amin’izay làlana tokony halehany ny zaza.”—Ohabolana 22:6.
Anisan’ny fampianarana ny ankizy koa ny famakian-teny ho azy. Milaza ny Baiboly fa “mbola zazakely” i Timoty, mpianatra tamin’ny taonjato voalohany, “dia efa nahalala ny Soratra Masina.” Inoana àry fa namaky teny ho azy i Eonika reniny sy Loisa renibeny, tamin’izy mbola zazakely. (2 Timoty 1:5; 3:14-15) Tsara hatomboka izany, raha vao afaka miresaka amin’ilay zaza ianao. Inona anefa no azonao vakina, ary ahoana no hahafahanao ho tonga mpampianatra tsara na dia ho an’ny ankizikely aza?
Ataovy henon’ny zanakao ny famakianao Baiboly. Toa izany no natao tamin’i Timoty, raha jerena ny fitantaran’ny Baiboly. Eo koa ireo boky feno sary miloko, izay manampy ny ankizy hahafantatra bebe kokoa ny Baiboly, sy hahazo an’eritreritra ny fampianarana ao. Anisan’izany Ny Bokiko Misy Fitantarana avy ao Amin’ny Baiboly, sy ny boky Ilay Lehilahy Niavaka Indrindra Teto An-tany. Nahatonga ny fampianaran’ny Baiboly hamaka tsara ao an-tsaina sy ao am-pon’ny ankizy an-tapitrisa ny boky toy ireo.
Hoy ny Baiboly: “Lova avy amin’i Jehovah ny zanaka maro; tamby ny ateraky ny kibo.” (Salamo 127:3) Nanankinan’i Jehovah “lova” ianao, dia zazakely mahafatifaty, izay afaka ny ho rehareha sy fifaliana ho anao. Tena asa mahafa-po ny fitaizan-janaka, indrindra raha beazina hidera ny Mpamorona izy ireo.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Ankoatra ny hormonina vokatry ny fanahiana, dia manimba ny zaza ao an-kibo koa ny nikôtinina (poizin-tsigara) sy zava-pisotro misy alkaola ary zava-mahadomelina hafa. Tokony hifady an’ireo ny bevohoka. Ilain’ny bevohoka koa ny manontany dokotera, momba ny mety ho vokatry ny fanafody ampiasainy.
b Mety ho fahaketrahana aorian’ny fiterahana no manjo ny vehivavy, raha mahatsiaro ho malahelo be sy ketraka izy, sady tsy liana amin’ilay zaza vao teraka na amin’ny zavatra hafa mihitsy. Ilainy amin’izay ny manatona dokotera manam-pahaizana momba ny fiterahana. Jereo ny Réveillez-vous! 22 Jolay 2002, pejy 19-23, sy ny Mifohaza! 8 Jona 2003, pejy 21-23.
c Jereo ilay lahatsoratra hoe “Les grands-parents: leurs joies et leurs difficultés”, ao amin’ny Réveillez-vous! 22 Martsa 1999.
[Sary, pejy 8]
Tena zava-dehibe ny fihetseham-pon’ny reny momba ilay zaza haterany
[Sary, pejy 9]
Mety hiovaova ny toe-pon’ny reny vao niteraka, nefa betsaka ny azony atao mba hahatsapan’ny zanany fitiavana sy fiarovana
[Sary, pejy 10]
Manana andraikitra amin’ny fitaizana ny ankizy koa ny ray
[Sary, pejy 10]
Tokony hamakiana teny ny ankizy dieny mbola kely