FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g 7/06 p. 22
  • Manotra Zazakely Hoe?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Manotra Zazakely Hoe?
  • Mifohaza!—2006
  • Mitovitovy Aminy
  • Topy Maso Amin’ireo Fomba Fitsaboana Hafa
    Mifohaza!—2000
  • Inona no Ilain’ny Zaza sy Tiany?
    Mifohaza!—2004
  • Manova ny Tokantrano ny Zazakely
    Tianao ho Sambatra ve ny Fianakavianao?
  • Ny ankizy — andraikitra sy valisoa
    Ny Fomba Hahitana Fiainam-pianakaviana Sambatra
Hijery Hafa
Mifohaza!—2006
g 7/06 p. 22

Manotra Zazakely Hoe?

AVY AMIN’NY MPANORATRA NY MIFOHAZA! ANY ESPAINA

MAMPANDRO ny zanany kely i Anita, reny tanora avy any Nizeria, ary manotra azy amim-pitandremana avy eo. Samy tena mankafy izany izy mianaka. Hoy i Anita: “Fanaon’ny reny nizerianina izany, rehefa mikarakara ny zanany kely izy. Nanotra anay sy ny anadahiko foana ny reninay. Mety tsara mba hanatanjahana ny hozatry ny zazakely ny otra, sady mampitony azy. Mihira sy miresaka amin-janako aho rehefa manotra azy, ka mitsiky amiko izy ary mikakakaka. Tena mahafinaritra ilay izy!”

Efa zatra manotra zazakely ny olona any amin’ny tany maro, ary lasa be mpitia izany any amin’ny tany sasany any Eoropa sy Amerika. Ny fanorana ny zanany kely, dia fomba iray mahafinaritra sy feno hatsaram-panahy, ahafahan’ny ray aman-dreny mifandray amin-janany sy mampita ny fihetseham-pony aminy, hoy ny fikambanana espaniola iray mpanentana ny olona hanotra ny zanany. Ampifandimbiasina orina ny ranjon’ilay zazakely, ny tongony, lamosiny, tratrany, kibony, sandriny, ary ny tarehiny. Atao somary mafimafy izany nefa tsy atao maharary.

Inona no vokatr’izany eo aminy? Fitiavana sy tambitamby no soa lehibe indrindra azony. Tsy sakafo fotsiny mantsy no ilain’ny zaza vao teraka, fa ny fitiavan’ny ray aman-dreniny koa. Fomba iray anehoan’ny ray na ny reny an’izany ny fanorana an-janany moramora, satria mbola kely ny zaza dia efa mahatsapa hoe misy mikitika. Mampita fihetseham-po maro amin-janany izy amin’io fotoana io. Mampifankatia tsara ny ray aman-dreny sy ny zanany àry ny otra, dieny vao teraka mihitsy ilay zaza.

Ankoatra izany, dia mety hampitony ny zazakely ny otra, ka mety hatory tsara ela kokoa izy, ary tsy ho mora sorena. Tsy izay ihany fa manatanjaka ny hozatra ny otra, mampikoriana tsara ny ra, ary lasa miasa tsara ny taovam-pandevonan-kanina sy ny taovam-pisefoana. Misy milaza fa mampitombo ny hery fanefitry ny zaza koa izany. Ary mety ho lasa mora mitadidy sy miana-javatra ny zaza rehefa orina, satria lasa miasa tsara kokoa ny masony sy ny sofiny, ary lasa mora mahatsapa zavatra izy.

Nisy koa hopitaly nikaroka ny soa azon’ny zazakely orina. Nampitahainy, ohatra, ireo zaza teraka tsy tonga volana norina sy ireo tsy norina. Hita fa nitombo lanja haingana kokoa sy nandao ny hopitaly herinandro talohan’ireo zaza tsy norina, ireo norina.

Tsy ny olon-dehibe ihany àry no mandray soa avy amin’ny fanorana tsara ny vatana! Tsy hoe manalefaka ny hozatry ny zazakely fotsiny anefa ny otra. Mitory fitiavana aminy koa ireo tanana sy rantsantanana malefadefaka mikasika azy, ary ilay tsikitsiky miantefa eny aminy.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara