FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g 8/06 p. 19
  • Topy Maso Eran-tany

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Topy Maso Eran-tany
  • Mifohaza!—2006
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Hitory ‘Isan-trano’, hono, ny Katolika?
  • Didim-pitsarana Tany Alemaina
  • Andevozin’ny Lalao ao Amin’ny Internet ny Tanora Sinoa
  • ‘Miaro sy Manamafy Orina ny Vaovao Tsara Araka ny Lalàna’
    Vavolombelon’i Jehovah—Mpitory ny Fanjakan’Andriamanitra
  • Fampiasana ny Lalàna mba Hiarovana ny Vaovao Tsara
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1998
  • Nahita Zavatra Tsara Lavitra Noho ny Laza Aho
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2015
  • Mijery Internet ve ny Zanakao?—Inona no Azonao Atao?
    Mifohaza!—2008
Hijery Hafa
Mifohaza!—2006
g 8/06 p. 19

Topy Maso Eran-tany

◼ Tamin’ny herintaona no “nahamay indrindra tany amin’ny Ila Bolantany Avaratra.” Iny taona iny koa no nitana ny “laharana faharoa tamin’ireo taona nahamay indrindra eran-tany.” “Tato anatin’ny folo taona farany no nahitana ny taona valo nafana indrindra.”—BBC NEWS, GRANDE-BRETAGNE.

◼ Tamin’ny taona 2005 no nahitana rivo-doza ‘betsaka indrindra ary angamba nanimba zavatra indrindra’, tany amin’ny Ranomasina Atlantika. Ny 7 tamin’ireo rivo-doza 14 voarakitra an-tsoratra, dia nitondra rivotra nitsoka maherin’ny 177 kilaometatra isan’ora.—U.S. NATIONAL OCEANIC AND ATMOSPHERIC ADMINISTRATION.

◼ “Tamin’ny 1850, dia nisy vongan-dranomandry goavana 150 mahery, tao amin’ny Valam-pirenena Misy Vongan-dranomandry, any Montana [Etazonia]. Miisa 27 sisa izany ankehitriny.”—THE WALL STREET JOURNAL, ETAZONIA.

◼ “Mihamafana ny tany ankehitriny. Rehefa misy tetikasa atao mba hamahana io olana io anefa, dia tsy manaiky hanatanteraka izany ireo firenena raha vao manohintohina ny toe-kareny. Izay no tena marina.”—TONY BLAIR, PRAIMINISITRA ANGLISY.

Hitory ‘Isan-trano’, hono, ny Katolika?

Nilaza i Cláudio Hummes, arsevekan’i São Paulo, fa nihena ny isan’ny Katolika brezilianina. Nohazavainy fa 67 isan-jaton’ny Brezilianina izao no Katolika, nefa 83 isan-jato izany, 14 taona lasa izay. Nomeny tsiny ny eglizy satria “tsy mahavita mampianatra tsara ny evanjely amin’ny mpivavaka vita batemy, noho ny antony isan-karazany.” Hoy i Hummes: “Tsy ireo olona tonga miangona ihany no tokony hampiantsika, fa tsy maintsy manatona ireo tsy tonga koa isika, ka hitety trano, sekoly, toeram-pitsaboana, oniversite, sy toeran-kafa.” Milaza ny gazety Folha Online fa ny mpivavaka tsotra, izay ampiofanina ho misionera, no tsy maintsy hanao izany. Tsy ampy mantsy ny pretra, ary izany no anisan’ny olana lehibe indrindra mahazo ny Eglizy Katolika any Brezila sy manerana an’i Amerika Latinina.

Didim-pitsarana Tany Alemaina

Tamin’ny 10 Febroary 2006, dia namoaka didy ny Fitsarana Federaly Momba ny Raharaham-panjakana any Leipzig, Alemaina, fa tsy maintsy eken’ny Fanjakan’i Berlin ho fikambanana mpanao asa soa ny Fikambanana Ara-pivavahan’ny Vavolombelon’i Jehovah any Alemaina. Nandritra ny 15 taona no niadiana izany tany amin’ny fitsarana. Fitsarana maromaro tany Alemaina no efa nandinika ilay raharaha, anisan’izany ny Fitsarana Federaly Momba ny Lalàm-panorenana. Tsy itakiana hetra sady mahazo tombontsoa hafa mitovy amin’ireo fivavahana lehibe ao amin’ilay firenena izao, ny Fikambanana Ara-pivavahan’ny Vavolombelon’i Jehovah any Alemaina, satria anisan’ny fikambanana mpanao asa soa.

Andevozin’ny Lalao ao Amin’ny Internet ny Tanora Sinoa

“Mihabetsaka ny tanora sinoa andevozin’ny lalao ao amin’ny Internet”, hoy ny gazety South China Morning Post any Hong-Kong. Manjo ny zatovo any amin’ny faritra hafa any Azia koa izany, toy ny any Hong-Kong, Japon, ary ny Repoblikan’i Korea. Nanazava ilay gazety hoe: “Vao mainka te hanao lalao video ao amin’ny Internet [ny ankizy], mba hanadinoany ny olona manodidina azy. Hita taratra amin’izany fa manohitra ny fanerena avy amin’ny fiaraha-monina ireny ankizy ireny. Anisan’ny fanerena manjo azy ireo ny fitakian’ny ray aman-dreniny zavatra be loatra aminy, sy ny fifaninanana faran’izay henjana hidirana any amin’ny oniversite.” Ankizy sinoa enina tapitrisa any ho any no mila ampiana mba tsy handevozin’ny lalao ao amin’ny Internet intsony.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara