FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g 8/07 p. 9
  • Miezaha ho Modely

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Miezaha ho Modely
  • Mifohaza!—2007
  • Mitovitovy Aminy
  • Inona no Fomba Fampianatra Mandaitra Indrindra?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2011
  • Ry Ray Aman-dreny, Tezao Amim-pitiavana ny Zanakareo
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2007
  • Lova Sarobidy ny Zanatsika
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2005
  • Ampianaro ho Tia An’i Jehovah ny Zanakareo
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2007
Hijery Hafa
Mifohaza!—2007
g 8/07 p. 9

7

Miezaha ho Modely

Nahoana izany no tena ilaina? Manan-kery kokoa noho ny teny ny zavatra atao. Mety hampirisihin’ny ray aman-dreny hifanaja sy hilaza ny marina, ohatra, ny zanany. Raha toa anefa izy mivady ka mifampilelalela sy mandaingalainga kely na mivazavaza amin-janany, dia mety hihevitra ilay zaza fa afaka manao toy izany koa izy rehefa lehibe. Ny zavatra ataon’ny ray aman-dreny no “tena ianaran’ny ankizy”, hoy ny Profesora Sal Severe.

Olana: Tsy lavorary ny ray aman-dreny. Hoy ny apostoly Paoly: “Samy efa nanota ny rehetra ka tsy mahatratra ny voninahitr’Andriamanitra.” (Romanina 3:23) Hoy i Jakoba mpianatra: “Tsy misy olombelona mahafolaka ny lela.” (Jakoba 3:8) Fahita koa ny ankizy manao izay hampahatezitra ny ray aman-dreniny. Raim-pianakaviana tony sy mahafehy tena i Larry, izay manan-janaka roa vavy. Hoy anefa izy: “Gaga aho fa tena hain’ny zanako mihitsy ny manao izay hampahatezitra ahy.”

Vahaolana: Tsy afaka ny ho modely tonga lafatra ianao, nefa miezaha mba ho modely tsara. Hararaoty mba hampianarana lesona sarobidy ny fahadisoana nataonao. Hoy i Chris, raim-pianakaviana manan-janaka roa: “Miaiky ny fahadisoako aho ary miala tsiny, rehefa avy tezitra be tamin-janako na koa nanao fanapahan-kevitra tsy nety ka nisy vokany ratsy teo amin’izy ireo. Hitan’ny ankizy avy amin’izany fa manao fahadisoana koa na ny olon-dehibe aza, ary mila miezaka manatsara ny fitondran-tenany daholo ny rehetra.” Hoy i Kostas, ilay voaresaka teo aloha: “Miala tsiny aho rehefa avy misafoaka. Lasa mahay miala tsiny koa àry ny zanako rehefa manao fahadisoana.”

Hoy i Jehovah Andriamanitra: ‘Aza mampahatezitra ny zanakareo ianareo, fa tezao hatrany araka ny fananarana sy ny fomba fisainan’i Jehovah izy.’ (Efesianina 6:4) Mety ho tezitra kokoa noho ny olon-dehibe ny ankizy raha tsy mifanaraka amin’ny fitsipika omen’ny olona mifehy azy, ny fitondran-tenan’ilay olona. Tokony hanontany tena àry ianao isan-kariva hoe: Inona no lesona nianaran’ny zanako androany tontolo, raha izay nataoko fotsiny no nodinihiny fa tsy niteny na inona na inona aho? Mitovy amin’izany ihany ve ny lesona voarain’izy ireo raha niteny fotsiny aho?

[Teny notsongaina, pejy 9]

“Ianao izay mampianatra ny sasany io, mba mampianatra ny tenanao ve ianao?”—Romanina 2:21

[Sary, pejy 9]

Raha miala tsiny ny ray aman-dreny, dia hanao toy izany koa ny zanany

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara