Inona no Raketin’ny Baiboly?
MISY olona mihevitra fa bokin-tantara ny Baiboly, noho izy io miresaka ny fifandraisan’Andriamanitra tamin’ny olombelona, nandritra ny an’arivony taona. Misy kosa milaza fa bokina fitsipika izy io, satria ahitana lalàna sy fitsipika 600 mahery nomen’Andriamanitra ny firenen’ny Israely. Anisan’izany ny momba ny fitsarana, fiainam-pianakaviana, fitondran-tena, ary fivavahana. Misy indray mihevitra fa manampy antsika hifandray akaiky amin’Andriamanitra izy io, ary mampahafantatra ny fomba fiheviny.
Marina daholo izany rehetra izany. Hoy mantsy ny Baiboly: “Ny Soratra Masina iray manontolo dia avy amin’ny herin’ny fanahy masin’Andriamanitra, ary mahasoa mba hampianarana, hananarana, hanitsiana izay diso, hanafaizana araka ny fahamarinana, mba hahatonga ny olon’Andriamanitra ho tena mahay sy ho ampy fitaovana tsara ho amin’ny asa tsara rehetra.” (2 Timoty 3:16, 17) Tena mahasoa tokoa izay lazain’ny Tenin’Andriamanitra, na tantara izany, na lalàna, na torohevitra.
Tsy fitambaram-boky mirakitra fanazavana mahasoa fotsiny anefa ny Baiboly. Miavaka izy io satria mirakitra ny fanambarana avy amin’i Jehovah Andriamanitra. Manome torohevitra tena ilaina amin’ny fiainana andavanandro izy io, mampahafantatra izay hataon’i Jehovah mba hanafoanana ny fijaliana, ary miresaka ny fikasany momba ny tany sy ny olombelona. Mbola misy zava-dehibe noho izany anefa. Resahin’ny Baiboly fa nisy nanala baraka Andriamanitra, ary hazavaina ao ny fomba andaminany an’izany.
Nampangaina ho mpandainga sy tsy mahay mitondra Andriamanitra
Milaza ny Baiboly fa nomen’Andriamanitra vatana sy saina tonga lafatra i Adama sy Eva, mpivady voalohany, ary napetrany tao amin’ny toerana faran’izay tsara. Nasainy nikarakara ny tany sy ny biby izy ireo. (Genesisy 1:28) Zanak’Andriamanitra i Adama sy Eva, ka afaka niaina mandrakizay teto an-tany raha nankatò ny Rainy. Zavatra iray ihany no nandraran’i Jehovah azy ireo. Hoy izy: “Ny hazo rehetra eo amin’ny saha dia azonao ihinanana ihany; fa ny hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy dia aza ihinanana; fa amin’ny andro izay ihinananao azy dia ho faty tokoa hianao.”—Genesisy 2:16, 17.
Nifanohitra tamin’izany anefa ny tenin’ny anjely iray antsoina hoe Satana Devoly. Hoy izy: “Tsy ho faty tsy akory hianareo.” (Genesisy 3:1-5) Sahy nanohitra ny Mpamorona i Satana, ka niampanga azy ho mpandainga. Te hilaza koa izy fa tsy mahay mitondra Andriamanitra, ary ho tsara kokoa ny fiainan’ny olona raha tsy miantehitra aminy. Nandresy lahatra an’i Eva i Satana hoe ho afaka hanao izay tiany izy raha tsy mankatò an’Andriamanitra. Nolazainy fa ho “tahaka an’Andriamanitra” i Eva. Nanala baraka an’i Jehovah àry i Satana, sady nisompatra ny fikasany.
Tena nanala baraka ny anaran’i Jehovah tokoa iny resak’i Eva sy Satana iny. Ny hanaisotra izany fanalam-baraka izany àry no foto-kevitry ny Baiboly. Mamintina an’izany ilay Vavaka Nampianarin’ny Tompo, manao hoe: “Hohamasinina anie ny anaranao. Ho tonga anie ny fanjakanao. Hatao etỳ an-tany anie ny sitraponao.”—Matio 6:9, 10.
Inona no vahaolana?
Niteraka adihevitra lehibe ny zavatra nataon’i Satana, dia ny hoe: Iza no nilaza ny marina, i Jehovah sa Satana? Ara-drariny sy mahasoa ve ny fitondran’i Jehovah? Rariny ve raha mitaky ny hankatoavan’ny olona azy izy? Ho tsara kokoa ve ny fiainan’ny olona raha tsy miantehitra amin’Andriamanitra? Mba hamaliana izany, dia navelan’i Jehovah hifampitondra mandritra ny fotoana voafetra ny olombelona.
Inona no vokatr’izany? Voaporofo fa mpandainga tena ratsy fanahy i Satana, satria lasa feno fahoriana sy fijaliana ny fiainan’ny zanak’olombelona, taorian’ilay lainga voalohany tany Edena. Voaporofo koa fa ratsy foana ny vokany rehefa tsy miantehitra amin’Andriamanitra ny olona. Be fitiavana sy feno fahendrena anefa i Jehovah ka hanafoana ny olana naterak’ilay fikomiana tany Edena. Tsy ho afa-baraka intsony ny anarany, amin’izay. Ny Fanjakan’ny Mesia no hampiasainy mba hanatanterahana izany. Inona io Fanjakana io?
Ny Fanjakan’Andriamanitra
Olona an-tapitrisany no zatra manao ny Vavaka Nampianarin’ny Tompo. Nahoana raha manokana fotoana kely mba hisaintsainana ny dikan’izy io? Diniho, ohatra, ilay hoe: “Ho tonga anie ny fanjakanao.” (Matio 6:10) Hita avy amin’ilay teny hoe “fanjakana” fa fitondram-panjakana izy io, fa tsy ao am-po araka ny iheveran’ny olona sasany azy. Any an-danitra izy io, ary i Jesosy Kristy “Mpanjakan’ny mpanjaka” no mpitondra azy io. (Apokalypsy 19:13, 16; Daniela 2:44; 7:13, 14) Ampianarin’ny Baiboly fa hitondra ny tany manontolo izy, ka hampanjaka ny fiadanana sy ny fihavanana, ary hanaisotra ny faharatsiana rehetra eto an-tany. (Isaia 9:5, 6; 2 Tesalonianina 1:6-10) ‘Hatao etỳ an-tany ny sitrapon’Andriamanitra’ amin’izay fotoana izay. Ny Fanjakan’Andriamanitra ihany no hahavita izany, fa tsy ny fanjakan’olombelona.
Tsy maintsy ho tanteraka ny sitrapon’Andriamanitra. Nanome ny ainy ho vidim-panavotana mantsy i Jesosy, mba hanafahana ny taranak’i Adama amin’ny ota sy ny fahafatesana. (Jaona 3:16; Romanina 6:23) Ho foana ny vokatry ny fahotan’i Adama, rehefa hitondra ny Fanjakan’Andriamanitra, ary ho lavorary tsikelikely ny olona. Hahita an’izany izay rehetra mino ny soron’i Kristy. (Salamo 37:11, 29) Tsy hampijaly antsika intsony ny aretina sy ny fahanterana. Tsy hisy intsony ny fanaintainana sy ny alahelo vokatry ny aretina sy ny fahafatesana.—Apokalypsy 21:4.
Nahoana isika no matoky fa hanatanteraka ny fampanantenany Andriamanitra? Satria faminaniana an-jatony ao amin’ny Baiboly no efa tanteraka. (Jereo ny pejy 9.) Tsy minomino foana àry ireo mino ny Baiboly. Manana porofo maro sy azo antoka kosa izy ireo.—Hebreo 11:1.
Torohevitra mahasoa
Manome fanantenana azo antoka momba ny hoavy ny Baiboly. Manampy antsika hanana fiainana mahafa-po dieny izao koa anefa izy io. Ao amin’ny Tenin’Andriamanitra, ohatra, no ahitantsika ny torohevitra tena tsara momba ny fanambadiana, fianakaviana, fifandraisana amin’ny hafa, ary ny fomba ahitana fahasambarana. Ireto misy ohatra vitsivitsy.
◼ Mila mandinika aloha vao miteny. “Misy mandefalefa teny tsy tsaroana ka tonga toy ny fanindron’ny sabatra; fa ny lelan’ny marina dia fanasitranana kosa.”—Ohabolana 12:18.
◼ Mitandrema mba tsy hialona. “Ny fo mionona no fiainan’ny nofo; fa ny fahamaimaizan-tsaina [na fialonana] dia mahalo ny taolana.”—Ohabolana 14:30.
◼ Mila ampiofanina sy faizina ny ankizy. “Zaro amin’izay làlana tokony halehany ny zaza, ka na rehefa antitra aza izy, dia tsy hiala amin’izany.” “Ny zaza aranana [na avela hanaram-po] mampahamenatra ny reniny.”—Ohabolana 22:6; 29:15.
◼ Mahaiza mamela heloka. Hoy i Jesosy: “Sambatra ny mamindra fo, fa izy no hamindrana fo.” (Matio 5:7) Hoy i Solomona mpanjaka hendry: “Ny fitiavana manarona ny ota rehetra.” (Ohabolana 10:12) Raha sarotra aminao ny mamela sy manadino ny fahadisoan’ny olona iray, dia “mankanesa any aminy, ary rehefa mitokana ianareo, dia ampahafantaro azy ny fahadisoany.”—Matio 18:15.
◼ Aza tia vola. ‘Ny fitiavam-bola no fototry ny karazan-javatra ratsy rehetra. Ary nikely aina ho amin’izany ny sasany, ka nanindrona ny tenany tamin-javatra maro mampanaintaina.’ (1 Timoty 6:10) Tsy ny vola no lazain’ny Baiboly hoe ratsy fa “ny fitiavam-bola.”
“Taratasy” avy amin’ilay Raintsika any an-danitra
Mirakitra zavatra maro ny Baiboly. Hitantsika teo fa miresaka betsaka momba an’Andriamanitra sy ny fikasany izy io. Miresaka momba antsika olombelona koa anefa izy io. Atorony antsika izay tokony hatao raha tiantsika ny ho sambatra dieny izao, sy hiaina mandrakizay rehefa hitondra ny Fanjakan’Andriamanitra. Azo oharina amin’ny taratasy avy amin’i Jehovah ‘Raintsika any an-danitra’ ny Baiboly. (Matio 6:9) Ampahafantariny antsika ao ny fomba fiheviny sy ny fikasany ary ny toetrany mahafinaritra.
Lasa mahafantatra ny marina momba an’Andriamanitra isika rehefa mamaky sy misaintsaina ny Teniny. Mandrisika antsika hanatona azy sy hifandray akaiky aminy izany. (Jakoba 4:8) Tsy bokin-tantara sy faminaniana ary lalàna fotsiny ny Baiboly, fa manampy antsika hifandray amin’Andriamanitra koa. Izany no mahatonga ny Baiboly ho boky tsy manan-tsahala sy tena sarobidy.—1 Jaona 4:8, 16.
[Teny notsongaina, pejy 19]
Mamintina ny foto-kevitry ny Baiboly ireo fehezanteny voalohandohany ao amin’ny Vavaka Nampianarin’ny Tompo
[Efajoro/Sary, pejy 21]
FOMBA AZO AMAKIANA BAIBOLY
Mahafinaritra ny mamaky Baiboly. Be mpahalala tokoa ireo tantara sy fampianarana ao anatiny, hany ka asa soratra maro no miresaka azy ireny maneran-tany. Bokim-pahendrena ny Baiboly ary manampy antsika hahafantatra an’i Jehovah Andriamanitra Mpamorona antsika. Hoy ny Ohabolana 4:7: “Ny voaloham-pahendrena dia izao: Mahazoa fahendrena; eny, lanio ny fanananao rehetra hamidy fahalalana tsara.” Inona no azonao atao raha tianao ny handray soa faran’izay betsaka avy amin’ny famakiana Baiboly?
Izay fotoana mampifantoka anao tsara no tokony hamakianao Baiboly. Aza atao maimaika ny vakiteninao. Ny hanana ny fomba fisainan’Andriamanitra no tokony ho tanjonao. Avy eo dia saintsaino izay vakinao, ary ampitahao amin’ny zavatra efa fantatrao. Hitombo, amin’izay, ny fahalalanao sy ny fankasitrahanao an’i Jehovah.—Salamo 143:5.
Mety hieritreritra anefa ianao hoe: ‘Aiza aho no hanomboka hamaky?’ Marina fa afaka manomboka any amin’ny voalohany ianao. Hitan’ireo olona vao nanomboka namaky Baiboly anefa fa tsara kokoa ny manomboka amin’ny Filazantsara (Matio, Marka, Lioka, Jaona), izay mitantara ny fiainan’i Jesosy. Ireo boky feno fahendrena sy tononkalo (Salamo, Ohabolana, Mpitoriteny) indray no novakin’ny olona sasany taorian’izay. Mety hirinao ny hamaky ny boky hafa ao amin’ny Baiboly, rehefa vitanao izany. (Jereo ny efajoro.) Misy mihevitra fa ilay antsoin’ny olona hoe Testamenta Vaovao ihany no tokony hovakina. Mila mitandrina ianao mba tsy hanana hevi-diso toy izany, satria “ny Soratra Masina iray manontolo dia avy amin’ny herin’ny fanahy masin’Andriamanitra, ary mahasoa.”—2 Timoty 3:16.
Ny fomba tena tsara hahaizana Baiboly dia ny fianarana azy io isaky ny foto-kevitra. Misy foto-kevitra maro tena mahasoa antsika ao amin’ilay boky fampianarana Baiboly ampiasain’ny Vavolombelon’i Jehovah hoe Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly? Anisan’ireny foto-kevitra ireny ny hoe “Ahoana no Hahasambatra ny Fianakavianao?”, “Fivavahana Ankasitrahan’Andriamanitra”, ary “Aiza no Misy ny Maty?”—Jereo ny efajoro eo amin’ny pejy 18.
[Efajoro, pejy 21]
FAMAKIANA BAIBOLY ISAKY NY LOHA HEVITRA
Ny niandohan’ny fiainana sy ny fahotana: Genesisy
Ny niandohan’ny firenen’ny Israely: Eksodosy ka hatramin’ny Deoteronomia
Tantara mahaliana: Josoa ka hatramin’ny Estera
Tononkalo sy hira mampihetsi-po: Joba, Salamo, Tononkiran’i Solomona
Fahendrena: Ohabolana, Mpitoriteny
Faminaniana sy torohevitra: Isaia ka hatramin’ny Malakia, ary Apokalypsy
Fiainan’i Jesosy sy ny fampianarany: Matio ka hatramin’ny Jaona
Fiandohan’ny Kristianisma sy ny fielezany: Asan’ny Apostoly
Taratasy ho an’ny fiangonana: Romanina ka hatramin’ny Joda