Hita Eran-tany ny Fampijaliana Vehivavy
NY 25 NOVAMBRA no Andro Iraisam-pirenena ho An’ny Ady Amin’ny Fampijaliana Vehivavy. Ny Fivoriamben’ny Firenena Mikambana no nifidy an’io daty io, tamin’ny 1999, mba hahafantaran’ny olona bebe kokoa, fa voahitsakitsaka ny zon’ny vehivavy. Fa nahoana izany no ilaina hofantarina?
Ambanina ny vehivavy any amin’ny tany maro. Efa hatramin’ny ela izy ireo no avakavahana. Isan-karazany ny fampijaliana atao aminy, ary tsy foana mihitsy izany, na dia any amin’ny tany lazaina fa mandroso aza. Hoy i Kofi Annan, Sekretera Jeneralin’ny Firenena Mikambana taloha: “Ny vehivavy eran-tany mihitsy no ampijalina, na aiza na aiza fiaraha-monina misy azy, ary na inona na inona volon-kodiny, firazanany, fianakaviana niaviany, na sarangany.”
Nilaza koa i Radhika Coomaraswamy, mpitondra teny taloha tao amin’ny Vaomieran’ny Firenena Mikambana Miaro ny Zon’olombelona, fa mihevitra ny ankamaroan’ny vehivavy hoe “zava-misy mahamenatra” ny fampijaliana azy ireo, ka “tsy tokony horesahina na hatao fanta-bahoaka.” Hita tamin’ny antontan’isa navoakan’ny fikambanana holandey iray koa, fa ny 23 isan-jaton’ny vehivavy ao amin’ny tany iray any Amerika Atsimo, izany hoe vehivavy 1 amin’ny 4, no vonoin’ny vadiny. Milaza koa ny Filan-kevitra Eoropeanina fa vehivavy eoropeanina 1 amin’ny 4 no vonoin’ny vadiny, mandritra ny androm-piainany. Resahin’ny Minisiteran’ny Atitany britanika fa tato ho ato, dia vehivavy roa isan-kerinandro no maty vonoin’ny olon-tiany taloha na ny olona iarahany izao, any Angletera sy Pays de Galles. Izao koa no voalazan’ny gazety Inde Ankehitriny—Vaovao Eran-tany (anglisy): “Mitebiteby lava ny vehivavy eto Inde. Mety hisy hametaveta foana mantsy izy na aiza na aiza misy azy, na eny amin’ny arabe izany na eny an-kalamanjana, ary na andro na alina.” Milaza koa ny fikambanana iray miady ho an’ny zon’olombelona, fa ny fampijaliana vehivavy sy ankizivavy izao no “olana goavana indrindra atrehin’ny mpiaro ny zon’olombelona.”
Ahoana kosa no fiheveran’Andriamanitra ny vehivavy? Ho hitantsika ao amin’ny lahatsoratra manaraka ny valin’izany.