Saribakoly Mpilalao An-tsehatra
AVY AMIN’NY MPANORATRA NY MIFOHAZA! ANY AOTRISY
“NAHAFINARITRA ilay mozika, fa ny fihetsik’ireo saribakoly no tena nahavariana. Vitan’izy ireo hatramin’ny fihetsika tena sarotra. Mbola tsy nahita saribakoly nahavita toy izany mihitsy [aho]!”
Fampisehoana ho an’ny ankizy ve no resahin’io olona io? Tsia. Tenin’olon-dehibe avy nijery tantara an-kira ireo. Taiza no nanaovana azy io? Tao amin’ny trano iray fanaovana tantara an-kira, any Salzbourg, Aotrisy, tanàna nahaterahan’ilay mpanao mozika malaza atao hoe Mozart.
Eritrereto hoe misy saribakoly hazo mirefy antsasa-metatra ka hatramin’ny iray metatra, manao tantara an-kira. Toa tsy mampino izany! Mahavita izany anefa ny saribakoly ao amin’ny Trano Fanaovana Teatra any Salzbourg. Babo tanteraka ny mpijery ka manadino ny tontolo manodidina azy, raha vao mahita ny fandihin’ireo saribakoly sy mandre ny feon’ny mozika.
Toy ny mananaina ireo saribakoly
Gaga ny mpijery indraindray raha vao misokatra ny sehatra, ary manomboka ny mozika fanokafana. Saribakoly hazo tokoa ve ireo mandehandeha sy mihetsiketsika toy ny mpihira eo ambony sehatra ireo? Ary inona daholo ireny kofehy eny ambonin’ny lohan’ny saribakoly ireny? Mety ho diso fanantenana ny mpijery sasany, ka hieritreritra hoe: ‘Fa ahoana koa ireo kofehy miharihary be ireo?’ Ary aiza ny mpitendry zavamaneno? Toa mankaleo be raha feon-kira noraisim-peo fotsiny no henoina amin’ny tantara an-kira. Mety ho sorena ireo efa mpijery tantara an-kira ka hilaza hoe: ‘Tena tsy misy ilana azy ity!’ Andraso kely anefa! Tsy hitahita akory dia miova ny zavatra tsapan’izy ireo.
Asehon’ireo saribakoly amin’izay ny fihetsiny mambabo, rehefa misinda ny fahasorenan’ireo mpijery. Tsy voamarika intsony ireo kofehy landy manetsiketsika azy ireo. Ankoatra an’ilay fampisehoana, dia mahasondriana ny mpijery koa ny mieritreritra hoe saribakoly no manao tantara an-kira. Tsy fahita mantsy izany. Lasa mahaliana azy ireo ilay izy, ary tsy ao an-tsainy intsony ny hoe zavatra tsy mananaina no jereny. Tena mahay ireo saribakoly, ka na ny mpijery sarotiny aza lasa sondriana aminy.
Ny tazan’ny mpijery sy ny tsy tazany
Tsy izay miseho eo ambony sehatra ihany no mahaliana, fa ny zavatra tsy tazan’ny mpijery koa, izany hoe ny ataon’ireo mpanetsiketsika saribakoly, avy eo amin’ny lavarangana iray ao an-tampon’ny sehatra. Toy ny olona manao tenin’ny tanana izy ireo rehefa manetsiketsika ny tanany, mba hampihetsehana an’ireo saribakoly amin’ny alalan’ny kofehy. Ireo saribakoly kosa amin’izany mihira, mitomany, miady, na miondrika kely ho mari-panajana, toy ny ataon’ny mpilalao amin’ny tantara an-kira mihitsy.
Misy lafin-javatra mahavariana amin’ny fanetsiketsehana an’ireo saribakoly. Hoy Ny Gazetin’i New York (anglisy) momba izany: “Afaka mampilalao an’ireo saribakoly amin’izay anjara rehetra ataony ireo mpanetsika saribakoly. Tsy voatery ho lehilahy na vehivavy, na olon-dehibe, na ankizy, toy ilay saribakoly ahetsiny izy ireo, fa tokony ho kinga tsara fotsiny.” Tsy mampino mihitsy ny hakingan’ireo mpanetsika saribakoly any Salzbourg ireo.
Naleony saribakoly toy izay sary vongana
Efa maherin’ny 90 taona izao no nankafizan’ny olona ny tantara an-kira tao amin’ny Trano Fanaovana Teatra any Salzbourg. Tantara an-kira iray noforonin’i Mozart no nolalaovina tao voalohany, tamin’ny 1913. I Anton Aicher, mpanao sokitra, no nanan-kevitra voalohany hampilalao saribakoly, tao amin’io toerana io. Nanaraka fampiofanana momba ny sokitra tany Munich izy. Nanamboatra saribakoly mahavita mihetsika toy ny olona izy avy eo. Tsy ela dia lasa tiany kokoa ny nanamboatra saribakoly noho ny nanamboatra sary vongana.
Vetivety dia voasariky ny fampilalaovana saribakoly ny fianakavian’i Aicher. Nazoto erỳ izy ireo nanjaitra ny akanjon’ireo saribakoly, sy nanomana ny tonon-kira sy feon-kira ary ny teny holazaina mandritra ny fampisehoana. Tena nahomby izy ireo, ka tsy ela dia nanomana fampisehoana tantara an-kira hafa indray. Nasaina nanao fampisehoana tany an-tany hafa izy ireo, nanomboka tamin’ny 1927, ary mbola mitohy hatramin’izao izany. Hita any amin’ny tany maro, toa an’i Japon sy Etazonia, koa ankehitriny ny saribakoly mpilalao tantara an-tsehatra. Tian’ny olona samihafa fiaviana ny fampisehoana ataon’ireo saribakoly.
Natao ho anao ve ilay fialam-boly?
Tantara hiraina an-tsehatra ny tantara an-kira, ary misy feon-kira ampiarahina aminy. Manao akanjo manokana ireo mpilalao. Mety ho angano na tantara foronina, na tantara tena nisy, na tantara ara-baiboly, no resahina amin’ilay izy. Mety hampalahelo na hampihetsi-po na hahatsikaiky ilay izy. Matetika no amin’ny teny alemà na italianina ny tantara an-kira atao ao amin’ny trano fanaovana teatra any Salzbourg. Tokony hofantarinao mialoha ny zavatra resahin’ilay tantara, raha te hankafy azy io ianao.
Ahoana no ahalalan’ny Kristianina raha mety na tsia ny mihaino na mijery tantara an-kira iray? Ny lazan’ny tarika manao an’ilay izy fotsiny ve no tokony hoheveriny? Sa ny hakanton’ny mozika? Sa ny zavatra resahin’ilay tantara?
Manampy ny Kristianina handray fanapahan-kevitra tsara ny fijerena raha mifanaraka amin’ity tenin’ny apostoly Paoly ity ny zavatra resahin’ilay tantara: “Farany, ry rahalahy, na inona na inona marina, na inona na inona zava-dehibe, na inona na inona mahitsy, na inona na inona madio, na inona na inona mahatehotia, na inona na inona tsara laza, na inona na inona misy hatsarana, ary na inona na inona mendri-piderana, dia izany foana heverina.” (Filipianina 4:8) Mihatra amin’ny fialam-boly rehetra io andininy io.
[Sarintany, pejy 8]
(Jereo ny gazety)
AOTRISY
VIENNE
Salzbourg
[Sary, pejy 8]
Saribakoly isan-karazany mpanao tantara an-kira
[Sary, pejy 9]
Trano Fanaovana Teatra any Salzbourg
[Sary, pejy 10]
Anton Aicher
[Sary nahazoan-dalana]
By courtesy of the Salzburg Marionette Theatre
[Sary nahazoan-dalana, pejy 8]
Sary rehetra eo amin’ny pejy 8 sy 9: By courtesy of the Salzburg Marionette Theatre