Ranomasina Tsy Manan-tsahala
AVY AMIN’NY MPANORATRA NY MIFOHAZA! ANY ISRAELY
IZY io no ranomasina masira indrindra sy iva indrindra ary vitsy zavamananaina indrindra eto an-tany. Misy milaza koa hoe io no rano mahasalama indrindra. Nantsoina hoe Ranomasina Maimbo sy Ranomasin’ny Devoly ary Farihin-godorao izy io, nandritra ny taonjato maro. Antsoina hoe Ranomasin-tsira na ranomasin’ny tani-hay (na ranomasin’i Araba) izy io, ao amin’ny Baiboly. (Genesisy 14:3; Josoa 3:16) Misy milaza fa tototra ao anatin’izy io ny sisa tavela amin’i Sodoma sy Gomora, ary eken’ny manam-pahaizana maro izany. Ranomasin’i Sodoma na Ranomasin’i Lota àry no ahafantaran’ny olona sasany azy io. Tsy iza io Lota io, fa olona niaina an’ilay zavatra nampitaintaina nitranga tao Sodoma sy Gomora, voatantara ao amin’ny Baiboly.—2 Petera 2:6, 7.
Tsy mahaliana mihitsy ilay toerana, raha ireo anarana ireo no jerena. Olona an’arivony anefa no mirohotra mankany isan-taona. Antsoina hoe Ranomasina Maty na Ranomasin-tsira izy io ankehitriny. Ho hitantsika ato hoe nahoana izy io no masira be? Tena maty ve izy io? Mahasalama tokoa ve izy io?
Iva indrindra sy masira indrindra
Any amin’ny tapany avaratry ny Rift Valley (lohasaha mitsefaka tonga hatrany Afrika Atsinanana) no misy ny Ranomasina Maty, izay tokony ho 418 metatra ambanin’ny haabon’ny ranomasina. Midina mankao ny Reniranon’i Jordana avy any avaratra. Ny havoanan’i Jodia no eo amin’ny ilany andrefana ary ny tendrombohitr’i Moaba no eo amin’ny ilany atsinanana.
Nahoana anefa izy io no masira be? Ny Reniranon’i Jordana sy ireo sakelidrano ary loharano hafa no mitondra sira mankao. Mitondra manezioma, sodioma, sokay, ary klôro izy ireo. Sira efa ho 850 000 taonina no entin’ny Reniranon’i Jordana mankao, isan-taona. Tena iva ny Ranomasina Maty, ka tsy tafavoaka tao ny ranony raha tsy rehefa miova ho etona. Rano efa ho fito tapitrisa taonina no lasa etona amin’ny vanin-taona mafana, ka tsy mahagaga raha tsy misondrotra mihitsy ilay ranomasina. Mijanona ao foana anefa ny sira sy ny raha mineraly nentin’ireo rano. Izany no mahatonga azy io ho ny ranomasina masira indrindra eto an-tany, izay misy sira 300 grama isaky ny rano iray litatra.
Efa nahaliana ny olona ny Ranomasina Maty hatramin’izay, noho izy io tsy mitovy amin’ny ranomasina hafa. Ren’i Aristote, filozofa grika, fa “tena mangidy sy masira be” ilay ranomasina ka “tsy misy trondro mihitsy.” Be loatra ny sira ao amin’ilay rano, ka na olona tsy mahay milomano aza no mankao, dia mitsinkafona. Te hanaporofo izany i Vespasien (jeneraly romanina), hoy ilay mpahay tantara jiosy atao hoe Flavius Josèphe, ka nalefany tao ny olona babony tamin’ny ady.
Nahoana anefa no lazaina hoe mahasalama io ranomasina io kanefa maty?
Ranomasina mahasalama indrindra hoe?
Nilaza ireo mpanao dia lavitra fahiny, fa misy ranomasina tsy ahitana vorona sy trondro ary zavamaniry, any ho any. Nisy mihitsy aza nihevitra fa mahafaty na dia ny fofony maimbo aza. Niely ny lazan’ilay ranomasina noho izany. Masira loatra ilay rano ka zavamiaina tsotra kely, toy ny karazana bakteria mafy aina, ihany no afaka mivelona ao. Vetivety dia maty izay trondro sendra nentin’ny rano tao.
Feno zavamananaina anefa eny amin’ny manodidina azy io. Marina fa ngazana ny ankamaroan’ny faritra manodidina an’ilay ranomasina, kanefa miavaka ny toerana sasany satria misy tany lonaka sy riandrano ary zavamaniry fahita amin’ny tany mafana. Maro koa ny bibidia. Misy karazany 24 ny biby mampinono, anisan’izany ny sakadia, alikadia, ary osidia. Misy trondro sy biby mandady, ary biby mivelona anaty rano sy an-tanety, ao amin’ireo ranomamy. Nahitana karazam-borona 90 mahery koa tany, satria lalana fandalovan’ny vorona mpifindra monina io toerana io. Tao ny vanobe fotsy, ny vanobe mainty, ny voromahery mavomena, ary ny voromahery avy any Ejipta.
Nahoana anefa ny Ranomasina Maty no lazaina fa rano mahasalama indrindra? Voalaza fa nisotro tamin’io rano io ny olona fahiny, satria mahasitrana, hono, izy io. Tsy asaina hanao izany mihitsy ny olona ankehitriny! Misy milaza fa manadio vatana io rano masira io rehefa handroana. Malaza be hoe mahasalama ilay faritra iray manontolo. Be oksizenina io toerana io satria iva. Be brômira koa ny rivotra ka manala havizanana. Misy fotaka mainty feno raha mineraly sy loharano mafana misy solifara, eny akaikin’ilay ranomasina. Ampiasaina izy ireny mba hanasitranana aretin-koditra sy aretin’ny vanin-taolana. Sarobidy koa ny balsama, izay hazo naniry teny amin’ny manodidina teny fahiny. Ampiasaina amin’ny fitsaboana izy ireny, na amin’ny zavatra fanatsarana tarehy.
Mamoaka godorao
Tena mahavariana fa mamoaka godorao (na tara) ny Ranomasina Maty. Ahitana vaingana godorao mitsinkafona eny indraindray.a Nahitana godorao milanja 2 700 kilao eo ho eo teny amoron’izy io tamin’ny 1834, araka ny tatitra navoaka tamin’ny 1905. Voalaza fa ny godorao no “zavatra voalohany nampiasain’ny olombelona avy amin’ny solitany.” (Saudi Aramco World, Novambra/Desambra 1984) Mihevitra ny olona sasany fa miendaka avy any amin’ny fanambanin’ilay ranomasina ny vongana godorao rehefa misy horohoron-tany, ary mitsinkafona eny ambony. Izao anefa no marina kokoa: Misy sira mafy be toy ny vato eo amin’ny fanambanin’ilay ranomasina. Misy vato ao ambanin’ireo sira ireo, ary ao ambanin’ilay vato no misy godorao. Mitsofoka any anelanelan’ny vato ireo godorao ka mifangaro amin’ireo sira mafy be. Mitsinkafona eny ambony ranomasina ny godorao rehefa levona ny sira.
Efa hatramin’ny ela no nampiasaina tamin-javatra maro ny godorao. Asiana godorao ny sambo mba tsy ho tantera-drano. Ampiasaina amin’ny fanamboaran-trano na zavatra hafa koa izy io, ary natao hiarovana amin’ny bibikely mihitsy aza. Misy mihevitra fa nampiasa godorao be dia be ny Ejipsianina, nanomboka tamin’ny taona 350 T.K. tany ho any, mba hitehirizana faty. Tsy manaiky an’izany anefa ny manam-pahaizana sasany. Ireo Nabateanina, olona nanorim-ponenana teo amin’ny Ranomasina Maty, no nitantana ny fivarotana godorao tamin’izany. Nalainy teny amin’ny ranomasina ny godorao, notapatapahiny, ary nentiny tany Ejipta.
Tsy manan-tsahala tokoa ny Ranomasina Maty. Tsy manitatra isika raha milaza fa io no ranomasina masira indrindra, iva indrindra, vitsy zavamananaina indrindra, ary angamba mahasalama indrindra. Anisan’ny ranomasina mahaliana indrindra eto an-tany tokoa izy io!
[Fanamarihana ambany pejy]
a Tara koa no iantsoana ny godorao azo avy amin’ny solitany. Godorao efa mifangaro amin’ny fasika na vatokely, izay ampiasaina amin’ny fanamboaran-dalana, no antsoina hoe tara any amin’ny tany maro. Godorao na tara mbola tsy misy fangarony anefa no resahina ato.
[Efajoro/Sary, pejy 27]
NAROVAN’NY SIRA
Milaza ny mpahay tantara fa toerana maresaka be sady lalana falehan’ny mpivarotra ny Ranomasina Maty, fahiny. Nanaporofo izany ireo vatofantsika roa hita tao vao haingana, rehefa nisintona ilay ranomasina.
Vita amin’ny hazo izy ireo, ary hita teo amoron’ny Ranomasina Maty, teo akaikin’ny toerana nisy ny seranan’i En-jedy fahiny. Tombanana ho 2 500 taona ny anankiray, ary io no vatofantsika tranainy indrindra hita teny amin’iny faritra iny. Ilay iray hafa kosa 2 000 taona eo ho eo, izay namboarina nifanaraka tamin’ny haitao faran’izay tsara tamin’ny andron’ny Romanina fahiny.
Mora lo ny vatofantsika hazo, rehefa mijanona ao anaty ranomasina, fa mateza kosa ny vatofantsika vy. Tsy simba anefa ireo vatofantsika hita tao amin’ny Ranomasina Maty sy ny tady niaraka taminy, satria masira be ilay ranomasina sady tsy misy oksizenina. Mahavariana fa mbola tsara ny fahitana azy ireo.
[Sary]
Vatofantsika hazo, vita tokony ho 2 500 taona teo ho eo izay
[Sary nahazoan-dalana]
Photograph © Israel Museum, Courtesy of Israel Antiquities Authority
[Sary, pejy 26]
Riandrano mafana
[Sary, pejy 26]
Osidia lahy
[Sary, pejy 26]
Mamaky gazety eo ambony ranomasina