FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g 3/08 p. 26
  • Masom-bibikely

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Masom-bibikely
  • Mifohaza!—2008
  • Mitovitovy Aminy
  • Inona no Dikan’ilay hoe “Maso ho Solon’ny Maso”?
    Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly
  • Manana maso “tsotra” ve ianao?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1986
  • Arovy ny Masonao
    Mifohaza!—2012
  • Maso
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
Hijery Hafa
Mifohaza!—2008
g 3/08 p. 26

Nisy Namorona Ve?

Masom-bibikely

◼ ‘Tsara rafitra sy be pitsiny’ ny mason’ny bibikely sasany. Izany no nolazain’ny Profesora Luke Lee, ao amin’ny Oniversiten’i Kalifornia.

Diniho izao: Misy maso bitika kely be dia be ao anatin’ny mason’ny bibikely, anisan’izany ny tantely sy ny angidina. Samy manana ny zavatra jereny sy ifantohany ny maso kely tsirairay. Ny zavatra hitan’ireo maso kely be dia be ireo no manampy azy hamantatra haingana izay zavatra mihetsika eny amin’ny manodidina.

Miezaka maka tahaka ny mason’ireny bibikely ireny ny mpahay siansa, mba hanamboarana fitaovana fitiliana, sy fitaovana bitika afaka maka sary ny zavatra rehetra manodidina azy. Azo ampiasaina amin-javatra maro izany. Tian’ny mpahay siansa ampiasaina amin’ny fitsaboana ny karazany iray amin’izy io. Ohatra, mba hitiliana ny ao anaty vavony. “Zavatra kely” azon’ny marary atelina no tian’izy ireo hamboarina. Rehefa voatelina ilay izy, dia samy maka sary ny ao anatin’ny vavony, ireo lopy kely be dia be toy ny maso eo amin’izy io. Ampitainy etỳ ivelany ny sary azony, avy eo.

Nahavita fitaovana mitovy habe amin’ny loha paingotra ny enjeniera, ary misy lopy toy ny maso kely 8 500 mahery eo amin’izy io. Mbola tsinontsinona anefa izany, raha ampitahaina amin’ny mason’ny bibikely. Misy maso bitika kely 30 000 eo ho eo mantsy ny iray amin’ny mason’ny angidina.

Ahoana no hevitrao? ‘Nisy namorona ve ireo maso kely be dia be ao anatin’ny mason’ny bibikely, sa tongatonga ho azy?’

[Sary, pejy 26]

Ireo maso bitika kely ao anatin’ny mason’ny tantely (sary nohalehibeazina)

[Sary nahazoan-dalana, pejy 26]

Sary eo andamosina: © Stephen Dalton/Photo Researchers, Inc.; sary kely: © Raul Gonzalez Perez/Photo Researchers, Inc.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara