Aiza no Hahitantsika Tari-dalana?
IZA no afaka manoro antsika ny tena fahombiazana? Hitantsika teo aloha fa tsy maintsy manana an’ireto, fara faharatsiny, ny olona vao tena hahomby: fitsipi-pitondran-tena sy zava-kendrena tsara. Tsy miankina amin’ny laza na harena, na fahefana anefa ireo.
Aiza no ahitantsika fitsipika tsara sy fanazavana momba ny zava-kendren’ny fiainana? Hiantehitra fotsiny amin’ny fahendrentsika ve isika mba hahitana izany? Tokony hekentsika fa tsy lavorary isika, ka mora resin’ny fanirian-dratsy izay mety hitarika antsika handray fanapahan-kevitra ratsy. (Genesisy 8:21) An-tapitrisany ny olona mikatsaka zava-poana, izay antsoin’ny Baiboly hoe “fanirian’ny nofo sy ny fanirian’ny maso ary ny fampideraderana fananana.” (1 Jaona 2:16) Tsy ireo anefa no ahitana ny tena fahombiazana. Mandiso fanantenana ireo ary tsy mahasambatra. Rariny àry raha olona maro no mitodika any amin’ny Mpamorona, mba hahitana ny valin’ireo fanontaniana lehibe momba ny fiainana.a
Any amin’Andriamanitra ve?
Nahoana no mety ny mitady tari-dalana any amin’ny Mpamorona? Mahafantatra ny antony nanaovana antsika izy, ka fantany ny tokony ho zava-kendren’ny fiainantsika. Fantany koa ny fomba nanaovana antsika, izany hoe ny vatantsika sy ny saintsika ary ny toe-pontsika. Mahalala ny fitsipika tsara indrindra tokony hitondran’ny olona ny fiainany àry izy. Izy koa no modelim-pitiavana tsara indrindra, ka izay tena hahasambatra antsika sy hahombiazantsika no iriny. (1 Jaona 4:8) Aiza no hahitantsika ny tari-dalany feno fitiavana? Ao amin’ny Baiboly Masina, izay nomen’Andriamanitra tamin’ny alalan’ireo mpitan-tsoratra na mpanoratra 40.b (2 Timoty 3:16, 17) Nahoana àry isika no afaka matoky ny tari-dalana ao amin’io boky io?
Hoy i Jesosy Kristy, ilay solontenan’Andriamanitra lehibe indrindra: “Ny fahendren’ny olona dia hamarinin’izay ataony.” (Matio 11:19; Jaona 7:29) Ny vokatra aterany àry no ahitana ny tena fahendrena. Ny fahendrena avy amin’Andriamanitra dia hanampy antsika hahazo izay “tsara rehetra”, ka hahomby sy ho sambatra foana. Tsy ho toy izany kosa izay tsy miraharaha an’Andriamanitra fa miantehitra fotsiny amin’ny fahendreny.—Ohabolana 2:8, 9; Jeremia 8:9.
Nisy antokon’olona atao hoe hippie, ohatra, taorian’ny taona 1960. Maro tamin’izy ireo no nanda ny fahefana sy ny fitsipika narahin’ny olona teo aloha. Nampirisihin’izy ireo kosa ny olona hampiasa zava-mahadomelina sy tsy hitsinjo lavitra fa “ny anio ihany aloha”, ary hanao firaisana araka izay tiany. Izany ve anefa no fomba fiaina feno fahendrena? Moa ve izany nanome ho an’ny olona zava-kendrena sy fitsipi-pitondran-tena tsara izay hahatonga azy hilamin-tsaina sy tena ho sambatra? Asehon’ny tantara fa tsy nanatsara ny fiainan’ny olona izany, fa vao mainka aza nahatonga ny ankamaroany ho ratsy fitondran-tena.—2 Timoty 3:1-5.
Mahasoa foana ny fahendrena ao amin’ny Baiboly, fa tsy lany andro toy ny filozofian’olombelona. (Isaia 40:8) Ny fitsipiky ny Baiboly dia nanampy olona an-tapitrisany, tsy mitovy saranga na fari-piainana, ary saika avy amin’ny firenena rehetra. Hazava aminao ny antony, rehefa mamaky ny lahatsoratra manaraka ianao. Horesahina ao mantsy ny enina amin’ireny fitsipika ireny.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Jereo ilay efajoro hoe “Nahoana Izy Ireo no Diso Hevitra?”
b Jereo ilay laharana manokana amin’ny Mifohaza! Novambra 2007, izay mamelabelatra ny foto-kevitra hoe “Azo Itokisana ve ny Baiboly?” Hazavaina ao fa avy amin’ny herin’ny fanahy masin’Andriamanitra tokoa ny Baiboly, ary manaporofo izany ireo zavatra hitan’ny arkeology sy ny tantara ary ny siansa.
[Efajoro, pejy 5]
NAHOANA IZY IREO NO DISO HEVITRA?
Maro no milaza hoe tsy misy Andriamanitra, fa avy amin’ny evolisiona isika. Raha izany no izy, dia avy amin-javatra maromaro sendra niova miandalana fotsiny isika, ary ho very maina ny ezaka ataontsika mba hamantarana ny zava-kendren’ny fiainana, sy hitadiavana fitsipika mahasoa ny rehetra.
Misy indray mino hoe namorona antsika Andriamanitra, saingy nandao antsika avy eo. Raha izany no izy, dia mbola tsy misy zava-kendrena ihany ny fiainantsika, ary tsy manana fitsipika arahina isika. Diniho anefa izao: Nomen’Andriamanitra fahendrena voajanahary ny biby, mba hanaovan’izy ireo izay tokony hataony eo amin’ny fiainany. Miharihary eo amin’ny zavatra noforoniny tokoa àry fa manana fahendrena miavaka Andriamanitra. Dia ho namela antsika amin’izao tsy misy tari-dalana ve ny Mpamorona hendry toy izany, nefa izy ihany no namorona antsika? Tsy mitombina izany!—Romanina 1:19, 20.
Noho ilay fampianarana hoe tsy misy Andriamanitra, dia lasa tsy fantatry ny olona intsony ny atao hoe tena fahombiazana.
[Sary, pejy 5]
Hita amin’ny vokatra aterany fa tsara ny fahendrena ao amin’ny Baiboly