FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g 2/09 p. 8-9
  • Fanomezana Manokana ho An’ny Olombelona

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fanomezana Manokana ho An’ny Olombelona
  • Mifohaza!—2009
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Fahalalana ahazoana fiainana
  • Ny Lalana Iverenana ho any Amin’ny Paradisa
    Mifohaza!—1997
  • Ny fahavelomana mandrakizay, tsy nofinofy fotsiny
    Azonao Atao ny Hiaina Mandrakizay ao Amin’ny Paradisa eto An-Tany
  • Afaka Manana Hoavy Sambatra Ianao!
    Fahalalana Izay Mitarika ho Amin’ny Fiainana Mandrakizay
  • Manan-java-kendrena Mahatalanjona ny Fiainana
    Inona no Zava-kendren’ny Fiainana? Ahoana no Mety Hahitanao Azy Io?
Hijery Hafa
Mifohaza!—2009
g 2/09 p. 8-9

Fanomezana Manokana ho An’ny Olombelona

TSY rivotra sy sakafo ary rano ihany no ilaintsika olombelona. Mila mahalala ny antony namoronan’Andriamanitra antsika koa isika, mba ho tena sambatra. Izany no antony nilazan’i Jesosy Kristy hoe: “Sambatra ny mahatsapa fa mila an’Andriamanitra.”—Matio 5:3.

Ampahafantarin’Andriamanitra antsika amin’ny alalan’ilay boky miely patrana indrindra eran-tany ny antony namoronany antsika. Ny Baiboly Masina io boky io, ary misy amin’ny fiteny 2 400 eo ho eo izy manontolo na ny ampahany aminy. (2 Timoty 3:16) Tantarainy ny namoronan’Andriamanitra an’izao rehetra izao sy ny zavamananaina ary ny zavamaniry eto an-tany. (Genesisy toko 1 sy 2) Voalaza ao mihitsy aza fa nozarain’Andriamanitra ho enina “andro”, na vanim-potoana enina, ny fotoana namoronany. Mifanaraka amin’ireo vanim-potoana lehibe nolazain’ny mpahay siansa fa niforonan’ny tany ny filaharan’ireo zava-nitranga voatantara ao.

Lazain’ny Baiboly koa ny fikasan’Andriamanitra momba ny olombelona. Hoy ny Salamo 37:29: “Ny olo-marina no handova ny tany, ka honina eo mandrakizay.” Mariho fa hiaina mandrakizay eto an-tany fa tsy any an-danitra ny olo-marina, na ireo manaraka ny fitsipiky ny Baiboly. Mazava ho azy fa tsy haloto toy ny hitantsika ankehitriny ny tany amin’izany, fa ho paradisa.—Salamo 104:5; Lioka 23:43.

Fahalalana ahazoana fiainana

Ho lasa paradisa ny tany, ary hihavana amin’Andriamanitra ny olona. Hoy ny Isaia 11:9: “Ho feno fahalalana an’i Jehovah ny tany, toy ny anaronan’ny rano ny fanambanin’ny ranomasina.” Mandray am-po an’io fahalalana io ny tena Kristianina dieny izao, ka mifankatia sy miray saina. Manaraka izao nolazain’i Jesosy tamin’ny vavaka izao koa izy ireo: “Koa mba hahazoan’izy ireo fiainana mandrakizay, dia ilainy ny mianatra hahalala anao, ilay hany tena Andriamanitra, sy Jesosy Kristy, ilay nirahinao.”—Jaona 17:3.

Raha tianao ny hianatra misimisy kokoa momba ny fanantenana resahin’ny Baiboly, dia ho faly ny Vavolombelon’i Jehovah hanampy anao maimaim-poana.a

[Fanamarihana ambany pejy]

a Azonao atao koa ny manoratra amin’ilay adiresy ao amin’ny Internet hoe www.watchtower.org.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara