FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g 8/09 p. 3
  • Atao Tsinontsinona

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Atao Tsinontsinona
  • Mifohaza!—2009
  • Mitovitovy Aminy
  • Rahoviana no Tsy Hisy Intsony ny Fanavakavahana?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2013
  • Olana Eran-tany ny Fanavakavahana
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2013
  • Iharan’ny Fitsarana An-tendrony ve Ianao?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1996
  • Nahoana no Misy ny Fanavakavahana?
    Mifohaza!—2009
Hijery Hafa
Mifohaza!—2009
g 8/09 p. 3

Atao Tsinontsinona

“Fohy kely aho tamin’izaho vao nanomboka nianatra teto Espaina. Nopetahan’ny ankizy anarana àry aho. Herintaona no niaretako an’izany. Nitomany aho rehefa avy nianatra, ary nila ho isan’andro mihitsy.”—Jennifer, avy any Philippines fa nifindra tany Espaina.

“Nompan’ny ankizy fotsy hoditra aho, tao amin’ilay sekoly nifindrako. Fantatro hoe te hila ady amiko ry zareo. Marina fa nahafehy tena aho, nefa tsy zakako ilay izy. Nahatsapa aho hoe tsy tian’ny olona.”—Timothy, Amerikanina mainty hoditra.

“Niady ny foko ibo sy haoussa any Nizeria, tamin’izaho fito taona. Lasa tsy tia Haoussa koa aho. Nesoesoiko àry ny ankizilahy iray avy amin’io foko io, nefa namako.”—John, avy amin’ny foko ibo.

“Narahin’ny ankizy izahay sy ilay misionera namako, rehefa nitory ny vaovao tsara, ary notorahany vato. Ny pretra tao an-tanàna no nampirisika azy ireo, satria tsy tiany hitory tao izahay.”—Olga.

EFA navakavahan’ny olona ve ianao? Azo inoana fa nahatsapa ho natao tsinontsinona sy niharan’ny tsy rariny ianao. Mety ho noho ny volon-koditrao, ny fivavahanao, ny fari-piainanao, na noho ny taonanao mihitsy aza no mahatonga azy hanavakavaka anao. Manahy foana àry ianao, ka miferinaina be isaky ny mifanena amin’olona maromaro, na miantsena, na mifindra sekoly, na mamonjy fanasana.

Tsy izay fotsiny anefa. Mety ho sahirana ianao vao mahita asa, tsy mahazo fitsaboana na fampianarana tsara, ary tsy omena tombontsoa sasany na dia zonao aza izany. Vao mainka aza loza rehefa eken’ny fanjakana ny fanavakavahana, satria miteraka habibiana, toy ny fandripahana foko. Tantarain’ny bokin’i Estera, ohatra, fa nisy foko saika naripaka fahiny, noho ny fankahalana sy fanavakavahana.—Estera 3:5, 6.

Marina fa voarara ny fanavakavahana any amin’ny tany sasany. Tsy mahasakana ny olona tsy hanavakavaka anefa izany. Hoy ny vehivavy iray efa anisan’ny Vaomieran’ny Firenena Mikambana Miaro ny Zon’olombelona: ‘Efa enimpolo taona izao no namoahana ny Fanambarana Iraisam-pirenena Momba ny Zon’olombelona. Mbola maro be foana anefa ny manavakavaka, satria tsy mety manaiky hoe mitovy ny olon-drehetra.’ Mampanahy izany, satria be dia be ny mpifindra monina sy mpitsoa-ponenana mirohotra mankany amin’ny tany maro.

Mbola ho resy ihany àry ve ny fanavakavahana? Hodinihina ao amin’ny lahatsoratra manaraka izany.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara