FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g 10/09 p. 8
  • Torohevitra Faha-6: Mahaiza Mamela Heloka

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Torohevitra Faha-6: Mahaiza Mamela Heloka
  • Mifohaza!—2009
  • Mitovitovy Aminy
  • Mahaiza Mifamela
    Mifohaza!—2013
  • 4 Miezaha Hamela Heloka
    Mifohaza!—2018
  • Aza Minamana Be Loatra Amin’olon-kafa
    Mifohaza!—2013
  • Azo Atao ve ny Mihavana Indray?
    Mifohaza!—1999
Hijery Hafa
Mifohaza!—2009
g 10/09 p. 8

Torohevitra Faha-6: Mahaiza Mamela Heloka

“Mahaiza foana mifampizaka sy mifamela heloka tanteraka.”—Kolosianina 3:13.

Ahoana izany? Marina fa ny lasa tsy fanadino, nefa aza mitadidy ny fahadisoan’ny vadinao, na mampahatsiahy izany rehefa mba diso izy. Tsy mety, ohatra, ny miteny hoe: “Ianao koa dia tara foana!” na hoe “Tsy mihaino ahy mihitsy ianao.” Tadidio fa ‘voninahitra ny mamela fahadisoana.’ Ho sambatra ianareo raha manao izany.—Ohabolana 19:11.

Nahoana izany no ilaina? “Vonona hamela heloka” Andriamanitra, fa ny olona kosa tsy toy izany. (Salamo 86:5) Raha tsy alaminareo mihitsy izay disadisa mitranga, dia mety hiteraka lolompo izany, ka tsy ho vitanareo intsony ny hifamela. Tsy hifamboraka izay ao am-ponareo intsony ianareo, ary tsy hiraharaha ny fihetseham-pon’ny andaniny ny ankilany. Tsy hifankatia intsony ianareo, ka samy hahatsapa hoe mijaly.

Andramo izao: Jereo indray ny sarinareo tamin’ny vao nivady na talohan’izay. Mbola nifankatia be ianareo tamin’izany, satria mbola tsy nisy ny olana. Ataovy mahafinaritra toy ireny indray ny fiarahana. Eritrereto koa hoe inona no toetran’ny vadinao nanintona anao tamin’izany.

◼ Inona no toetrany tena tianao izao?

◼ Saintsaino hoe inona no ho vokany eo amin’ny zanakareo, raha miezaka ny hamela heloka ianao.

Ahitsio izay tsy mety. Mitadiava fomba iray na roa hanampy anao tsy hampahatsiahy amin’ny vadinao ny fahadisoana nataony taloha, rehefa mifamaly ianareo.

Lazao aminy izay toetrany tena tianao, ary derao izy.—Ohabolana 31:28, 29.

Mieritrereta koa fomba hampisehoana amin’ny zanakao fa mahay mamela heloka ianao.

Resaho amin’izy ireo avy eo hoe inona no atao hoe mamela heloka, ary inona no soa ho azonareo, raha mifamela ianareo.

[Sary, pejy 8]

Toy ny hoe nahaloa trosa taminao ny olona iray, rehefa navelanao ny helony. Tsy tokony hofongarinao intsony ilay izy

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara