FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g 1/10 p. 29
  • ‘Nandresy ny Fitiavan-tena’ Izy Ireo

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • ‘Nandresy ny Fitiavan-tena’ Izy Ireo
  • Mifohaza!—2010
  • Mitovitovy Aminy
  • “Tsangambato ho An’ny Toe-tsaina Tia Fiaraha-miasa”
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1994
  • Rajako eny Amin’ny Harambato
    Mifohaza!—2008
  • Fiaraha-manorina Eran-tany
    Vavolombelon’i Jehovah—Mpitory ny Fanjakan’Andriamanitra
  • Lafiny Iray Lehibe Amin’ny Fanompoana Masina ny Fanorenana sy Fikojakojana ary Fa
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2006
Hijery Hafa
Mifohaza!—2010
g 1/10 p. 29

‘Nandresy ny Fitiavan-tena’ Izy Ireo

● ANY atsimon’i Espaina no misy an’i Gibraltar. Tany feno hotakotaka izy io taloha, satria nisy nanafika foana. Indray asabotsy, tamin’ny Oktobra 2008, dia nisy Espaniola efa ho arivo tonga tany, saingy tsy hoe hanafika. Tonga hanorina Efitrano Fanjakana hivorian’ny Vavolombelon’i Jehovah izy ireo.

Nilaza tamin’ny gazety Mifohaza! ny praiminisitra any an-toerana fa faly ny mponin’i Gibraltar mandray an’ireo mpiasa Vavolombelona ireo. Hoy koa izy: ‘Tena mahasoa ny mponina eto ny fahatongavanareo. Sambany teto Gibraltar no nisy olona be dia be tonga hamita tetikasa iray, sady amin’izay indray tsy mandray karama.’

Vao nieritreritra ny hanorina an’ilay trano ny Vavolombelona, dia efa nanampy azy ny manam-pahefana teo an-toerana, ka nanome tany mety tsara hanorenana an’ilay izy. Nahoana izy ireo no tsara fanahy toy izany?

Hoy ihany ilay praiminisitra: “Ilaina eo anivon’ny fiaraha-monina ny fivavahana. Malalaka ny fivavahana rehetra eto Gibraltar, ka tsy afaka ny hanavakavaka anareo izahay. Soa ataonay ho an’ny fiaraha-monina koa ilay izy.

“Mila mandresy ny fitiavan-tena isika, satria manjaka izany ankehitriny. Nasehon’ireo mpiasa tonga ireo fa azo atao tsara izany. Nazoto niasa izy ireo sady tsy nandray karama.”

Telo andro dia vita ilay Efitrano, na dia nahemotra kely aza ny fanorenana azy, satria avy be ny orana ny asabotsy. “Maro tamin’ireo mpiasa no nanolo-tena hijanona ny alatsinainy, mba hamita ilay Efitrano”, hoy i Secundino Nogal, izay nanara-maso an’ilay asa. “Misy foana ny olana amin’ny asa fanorenana, ary efa mahazatra anay izany. Mila vonona amin’izay rehetra mitranga izahay. Miezaka ny tsy ho tia tena koa anefa izahay, ary izany no mahatonga anay ho tena faly amin’ny asanay.”a

[Fanamarihana ambany pejy]

a Hoy ny gazety iray any Gibraltar: ‘Telo andro monja ny Vavolombelon’i Jehovah teto Gibraltar dia nahavita nanangana ny tempoliny [Efitrano Fanjakana], na dia nisy oram-baratra nanimba zavatra maro aza. Mpiasa an-tsitrapo maro be mantsy no nanao ilay asa.’

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara