FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g 1/10 p. 30
  • “Aza Manahy Intsony”

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • “Aza Manahy Intsony”
  • Mifohaza!—2010
  • Mitovitovy Aminy
  • Sekoly Iray Mahomby Izay Misy Maneran-tany
    Mifohaza!—1996
  • Mitondra Soa ny Sekolin’ny Fanompoana Teôkratika
    Boky ho An’ny Sekolin’ny Fanompoana Teôkratika
  • Ny Manakaiky An’Andriamanitra no Tsara Amiko
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2015
  • Ampiofanin’i Jehovah ny Mpitory Ilay Fanjakana
    Efa Mitondra ny Fanjakan’Andriamanitra!
Hijery Hafa
Mifohaza!—2010
g 1/10 p. 30

“Aza Manahy Intsony”

“Lany ny volanay tany amin’ny banky sy ny tahiry nataonay ho an’ny zanakay. Tsy nisy fidiram-bola mihitsy izahay nandritra ny volana maro.”

● Nanana sekoly tany ambanivohitr’i Inde aho, ary nandeha tsara ilay izy. Tokotokony ho 500 ny mpianatra tao. Nisy sekoly malaza tany an-drenivohitra anefa nanao izay hahazoana mpianatra be dia be. Nandefa fiarabe koa izy io mba haka ny mpianany teny akaikinay. Maro àry ny mpianatra tao aminay nifindra tany, ka 60 teo ho eo sisa no tavela. Vao mainka koa sahirana izahay, satria nisy olona nananako vola saingy tsy nahaloa. Teo koa ny karaman’ny mpiasa, nefa be dia be izy ireo.

Niara-nandinika an’ilay olana izahay mianakavy. Nanaraka ny torohevitr’i Jesosy izahay, ka niezaka nanana ‘maso tsotra’, izany hoe nifehy tena mba tsy hividy zavatra tsy takatry ny volanay. (Matio 6:22, 25) Nisy fotoana izahay tsy nampiasa ny fiaranay, satria tsy nanam-bola hividianana solika sy hikojakojana an’ilay izy. Tamin’ny hariva koa izahay vao niantsena, satria tamin’izay no mora kokoa ny vidin-tsakafo. Tsy nihinana karazan-tsakafo sasany intsony koa izahay.

Vavolombelon’i Jehovah izahay, ka tsy ataonay ambanin-javatra mihitsy ny fiaraha-mivory amin’ny mpiray finoana. (Hebreo 10:25) Niezaka àry izahay hanatrika tsy tapaka an’ireo fivoriana sy fivoriambe, na dia nila nandeha lavitra aza. Lavitra koa ny toerana sasany nitorianay sy nampianaranay Baiboly. Môtô kely àry no nentinay fa tsy fiara, na dia olona roa monja aza no zakany.

Tsy nahenanay anefa ny fotoana nitorianay. Vao mainka aza nandany fotoana bebe kokoa hanaovana izany ny vadiko sy ny zanakay vavy. Nandeha an-tongotra enina na valo kilaometatra izy ireo indraindray, rehefa nampianatra Baiboly. Niezaka nanao toa azy ireo koa izaho sy ny zanako lahy.

Efa mba metimety izao ny fiainanay. Nianaranay avy tamin’ny zavatra niainanay fa tsy tokony hiantehitra loatra amin’ny harena izahay, ary tsy tokony hanahy be loatra rehefa sendra ny tsy azo anoarana. Tena nampahery anay ny Salamo 55:22 hoe: “Apetraho amin’i Jehovah izay manavesatra anao, fa izy no hanohana anao. Tsy havelany hangozohozo mihitsy ny olo-marina.” Hitanay fa tena marina ireo teny ireo, tamin’ny fotoana naha sahirana anay!—Lahatsoratra nisy nanome.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara