FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g 2/10 p. 22-25
  • Mety ve ny Hinoana An’Andriamanitra?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Mety ve ny Hinoana An’Andriamanitra?
  • Mifohaza!—2010
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Tena azonao porofoina ve izay inoanao?
  • Kisendrasendra fotsiny sa nisy tanjona?
  • Ny ADN sy ny atidohan’ny olombelona
  • Zavatra inoana miorina amin’ny porofo
  • Nisy ho Azy ve ny ADN?
    Ahoana no Nampisy Antsika? Fanontaniana Dimy Mila Dinihina
  • Toy ny Fitehirizam-boky ny Selanao!
    Mifohaza!—2015
  • Diniho ny Porofo
    Mifohaza!—2011
  • Voaporofon’ny Siansa ve fa Tsy Misy Andriamanitra?
    Mifohaza!—2010
Hijery Hafa
Mifohaza!—2010
g 2/10 p. 22-25

Mety ve ny Hinoana An’Andriamanitra?

MISY lalàna matematika voafaritra tsara mifehy ny zava-drehetra, manomboka amin’ny zavatra bitika ao amin’ny ataoma ka hatramin’ny vahindanitra goavam-be. Isan-karazany sy be pitsiny koa ny zavamiaina ary mahagaga. Maro no milaza fa sendra nisy izao rehetra izao, ary vokatry ny evolisiona (na fiovana miandalana) ny fiainana. Ny hafa kosa milaza fa nisy Mpamorona mahay nanao izany. Iza no hitanao hoe mitombina kokoa amin’ireo hevitra ireo?

Samy ilana finoana ireo hevitra roa ireo. Mila finoana isika mba hanekena ny fisian’Andriamanitra, satria hoy ny Baiboly: “Tsy nisy nahita an’Andriamanitra na oviana na oviana.” (Jaona 1:18) Tsy nisy olona nahita ny niforonan’izao rehetra izao sy ny niandohan’ny fiainana. Mbola tsy nisy nahita koa hoe nivoatra ho karazany ambony kokoa ny zavamiaina iray, na niova ho karazany hafa. Hita avy amin’ireo firaketan’ny fôsily fa nisy tampoka ireo karazam-biby ary tsy niova ho karazany hafa mihitsy.a Iza àry no tena marim-pototra? Ny finoana ny evolisiona sa ny finoana ny Mpamorona?

Tena azonao porofoina ve izay inoanao?

Ny tena “finoana”, hoy ny Baiboly, dia “fanomezana porofo mazava momba ny zavatra tena misy izay tsy hita maso.” (Hebreo 11:1) Izao no andikan’ny Baiboly Anglisy Vaovao an’io andininy io: ‘Ny finoana dia manome antoka antsika fa misy zavatra tsy hitantsika maso nefa tena misy.’ Azo inoana fa maro ny zavatra tsy hitanao nefa inoanao mafy fa tena misy.

Mpahay tantara maro, ohatra, no mino fa tena nisy i Aleksandra Lehibe sy Jules César ary Jesosy Kristy. Marim-pototra ve ny finoan’ireny mpahay tantara ireny? Eny tokoa, satria azony porofoina ara-tantara izany.

Misy zavatra sasany tsy hita maso koa inoan’ny mpahay siansa, satria manana “porofo mazava” izy. Nahavariana an’i Dimitri Mendeleïev, mpahay simia tamin’ny taonjato faha-19, ohatra, ireo singa, izany hoe ny zavatra fototra namoronana an’izao rehetra izao. Takany fa misy zavatra itovizan’izy ireo, ary azo atambatra arakaraka ny lanjany sy ny toetra mampiavaka azy izy ireo. Nino izy fa azo alahatra izy ireo, ka nanamboatra tabilao mampiseho ny filaharan’ireo singa izy. Nisy singa mbola tsy fantatra tamin’izany, nefa efa nolazainy mialoha ny fisiany, ary marina ny filazany.

Ahoana no ahafantaran’ny arkeology fa efa nisy mponina teo amin’ny faritra iray? Ny zavatra milevina eo, izay efa teo nandritra ny an’arivony taona. Eritrereto, ohatra, hoe mahita vato voapaika maromaro mitovy habe sy mifanaingina tsara ny arkeology iray. Manome endrika voafaritra tsara izy ireo rehefa jerena ny fomba nametrahana azy, ary tsy voajanahary izany. Inona no holazain’ilay arkeology? Tsy hilaza mihitsy izy hoe nisy ho azy izany. Hanatsoaka hevitra kosa izy hoe porofon’ny asa tanan’ny olona fahiny izany, ary mitombina ny heviny.

Tsy tokony hisaina toy izany koa ve isika rehefa mahita ny firafitry ny zavaboary? Maro no manao toy izany, anisan’izany ny mpahay siansa sasany to teny.

Kisendrasendra fotsiny sa nisy tanjona?

Taona maro lasa izay dia nilaza Atoa James Jeans, mpahay matematika sy fizika sady astronoma britanika, fa nandroso ny fahalalana ara-tsiansa ka ‘hita hoe nataon’ny mpahay matematika iray izao rehetra izao’, ary manana fahaizana sy toetra toy ny antsika izy io.

Nisy mpahay siansa nanatsoaka hevitra toy izany koa, taorian’ny nanoratan’i Jeans an’ireo teny ireo. Hoy, ohatra, i Paul Davies, mpahay fizika: “Ny firindrana eo amin’izao rehetra izao no nahatonga astronoma maro hiaiky fa nisy namorona izy io.” Hoy koa i Albert Einstein, anisan’ny mpahay fizika sy matematika nalaza indrindra: “Fahagagana ny hoe azo fantarina daholo ny momba ny [zavaboary].” Hitan’ny maro fa mahagaga tokoa ny zavamiaina, manomboka amin’ny zavatra fototra ao aminy ka hatramin’ny atidohan’ny olombelona.

Ny ADN sy ny atidohan’ny olombelona

Mirakitra fanazavana momba izay ho toetoetry ny vatan’ny zavamiaina sy zavamaniry rehetra sy ny ho toetoetry ny taranak’izy ireo ny molekiolana ADN. Mahavita mamaky sy manatanteraka an’izany fanazavana izany io molekiola io. Manao ahoana ny habetsahan’ilay fanazavana? Milaza ny boky iray fa “hahafeno boky misy pejy iray tapitrisa mahery” ireo tapany fototra amin’ny ADN raha avadika ho litera.

Voatahiry ao anatin’ny krômôzôma ny ADN, amin’ny ankapobeny. Toy ny tady ny krômôzôma ary voaro tsara ao anatin’ny ivon’ny ataoma, izay manana savaivo 0,005 milimetatra eo ho eo. Eritrereto ange e! Voatahiry ao anatin’ny zavatra faran’izay bitika ny fanazavana momba ny vatanao, ary mila mikraoskaopy ianao mba hijerena azy io. Marina tokoa ny lazain’ny mpahay siansa iray hoe ny zavamiaina sy ny zavamaniry no manana “ny fitaovana kely indrindra fitehirizana/famakiana fanazavana.” Tena mahazendana izany rehefa dinihina ny fanazavana azo tehirizina ao anaty ordinatera sy DVD, ary zavatra hafa. Mahavariana koa fa mbola misy zavatra tsy takatry ny saintsika momba ny ADN. Milaza ny gazety Mpahay Siansa Vaovao (anglisy) fa “mampipoitra fanontaniana hafa foana ny zava-baovao hita.”b

Voavolavola tsara sy tena mirindra tokoa ny ADN. Mety ve ny hieritreretana hoe kisendrasendra no nahatonga izany? Aoka hatao hoe mahita boky misy pejy iray tapitrisa ianao. Sarotra be ny fanazavana ao anatiny, nefa mirindra tsara. Hilaza ve ianao fa io boky io ihany no nanoratra an’izay voalaza ao? Ary ahoana raha tena bitika izy io ka ilana mikraoskaopy ny famakiana azy? Mirakitra toromarika marina tsara momba ny fanamboarana fitaovana iray koa ilay boky. Afaka manamboatra ny simba ao aminy ilay fitaovana sady mahavita manamboatra fitaovana mitovy aminy, izay misy tapatapany an’arivony tapitrisa tokony hitambatra, amin’ny fotoana sy fomba voafaritra tsara. Tsy hisy hieritreritra akory angamba hoe hisy ny boky toy izany.

Tsy nino an’Andriamanitra ilay filozofa britanika atao hoe Antony Flew, sady nampirisika ny olona ho toy izany. Nandinika ny vokatry ny fikarohana momba ny fiasan’ny sela anefa izy, ka nilaza hoe: “Hila tsy hampino ireo lamina be pitsiny nilaina mba hampisy (ny fiainana). Tsy maintsy ho nilana fahaizana izany!” Izao no hevitra ijoroan’i Flew: “Manaraka an’izay porofoin’ny zava-misy, na inona na inona vokatr’izany porofo izany.” Inona no vokatr’izany teo aminy? Niova tanteraka ny fisainany, ka lasa nino an’Andriamanitra izy.

Mampitolagaga ny mpahay siansa koa ny atidohan’ny olombelona. Voalaza fa izy io no “zavatra saro-takarina indrindra eo amin’izao rehetra izao.” Iray kilao mahery izy io, miloko mavokely manopy volondavenona, ary voaforon’ny selan-kozatra sy zavatra hafa. Tsy misy dikany ny ordinatera maoderina indrindra, raha mitaha aminy. Nilaza ny manam-pahaizana iray momba ny rafi-pitatitra, fa “vao mainka mampitolagaga sy mihatsy takatry ny saina” ny mombamomba ny atidoha, arakaraka ny ianaran’ny mpahay siansa momba azy io.

Diniho izao: Ny atidoha no ahafahantsika miaina, mihomehy, mitomany, manao kilalaon-tsaina, manamboatra ordinatera, mitaingina bisikileta, ary manoratra poezia. Izy io koa no mahatonga antsika ho talanjona rehefa mijery ny lanitra amin’ny alina. Mitombina sy mifanaraka amin’ny zava-misy àry ve ny hoe ny evolisiona no nahatonga antsika hanana an’izany fahaizana izany?

Zavatra inoana miorina amin’ny porofo

Aiza àry isika no hitady fanazavana momba antsika? Any amin’ny rajako sy ny biby tsy misaina ve, toy ny ataon’ireo mino ny evolisiona? Sa any amin’Andriamanitra? Marina aloha fa misy itovizantsika amin’ny biby ihany. Mila misakafo sy misotro rano ary matory, ohatra, isika sady afaka miteraka. Maro anefa ny zavatra mampiavaka antsika. Mety àry ny hiheverana hoe avy amin’Andriamanitra, izay ambony kokoa noho isika, ireo toetra mampiavaka antsika olombelona. Milaza mazava tsara ny Baiboly fa noforoniny “araka ny endriny” ny olombelona, izany hoe nataony hanahaka ny toetrany sy haniry hivavaka aminy. (Genesisy 1:27) Nahoana raha misaintsaina ny toetran’Andriamanitra, toy ireo voalaza ao amin’ny Deoteronomia 32:4 sy Jakoba 3:17, 18 ary 1 Jaona 4:7, 8?

Nanome antsika “fahiratan-tsaina” ilay Mpamorona antsika, mba hahafahantsika hamotopototra ny tontolo manodidina antsika ka hahitantsika valiny mahafa-po. (1 Jaona 5:20) Hoy i William Phillips, mpahay fizika nahazo loka Nobel: “Mirindra sy azo ianarana ary tena kanto izao rehetra izao. Nandinika izany aho, ka nanatsoaka hevitra fa misy hery ambony sy mahay, nanao azy ireny. Vao mainka aho mino an’Andriamanitra rehefa takatro hoe mifanaraka tsara ireo lalàna fizika, sady tsotra sy mahavariana.”

Hoy ny olona iray mpandinika ny zavaboary, 2 000 taona teo ho eo izay: “Ny [toetran’Andriamanitra] tsy hita maso, izany hoe ny heriny mandrakizay sy ny maha Andriamanitra azy, dia hita mazava hatramin’ny namoronana izao tontolo izao, satria hita amin’ny zavatra nataony.” (Romanina 1:20) I Paoly, apostoly kristianina, no nilaza izany. Manam-pahaizana izy ary nandalina ny Lalàn’i Mosesy. Azo noporofoina ny zavatra ninoany, ka niaiky izy fa misy Andriamanitra. Nanome voninahitra an’Andriamanitra noho ny zavatra noforoniny izy, satria izay no fantany hoe ara-drariny.

Mino sy manantena izahay fa hiaiky koa ianao hoe tena mety ny hinoana an’Andriamanitra. Enga anie ianao hanao toa an’i Paoly, ka tsy hianina fotsiny amin’ny finoana hoe misy Andriamanitra. Olona an-tapitrisany no efa manao toy izany, ka vao mainka mahafantatra an’i Jehovah, ilay Andriamanitra tsy hita maso sy manana toetra mahate ho tia izay hita ao amin’ny olombelona koa.—Salamo 83:18; Jaona 6:44; Jakoba 4:8.

[Fanamarihana ambany pejy]

a Jereo ilay lahatsoratra hoe “Tena Marina ve ny Evolisiona?”, ao amin’ny Mifohaza! Septambra 2006.

b Tsy fantatr’i Charles Darwin mihitsy, tamin’izy nandahatra ny heviny momba ny evolisiona, fa tena be pitsiny ny sela.

[Efajoro, pejy 24]

TSY TOKONY HINO AN’ANDRIAMANITRA VE ISIKA SATRIA MANAO RATSY NY FIVAVAHANA?

Betsaka ny fivavahana malaza ho mpanao ratsy sy mpanao kolikoly, ka maro no tsy mino ny Mpamorona. Antony marim-pototra tsy inoana an’Andriamanitra ve anefa izany? Tsia! Nilaza i Roy Varghese tao amin’ny sasin-tenin’ilay boky hoe Misy Andriamanitra (anglisy), nosoratan’i Antony Flew, fa na atahorana hiely aza ny fitaovam-piadiana niokleary dia tsy midika izany hoe diso ny raikipohy ampiasaina amin’ny fizika.c Toy izany koa fa na betsaka aza ny faharatsiana sy habibiana ataon’ny fivavahana lehibe, dia tsy midika izany hoe tsy misy Andriamanitra.

[Fanamarihana ambany pejy]

c Ilay raikipohy hoe E=mc2 (angovo = lanja ampitomboina amin’ny hafainganam-pandehan’ny hazavana atao tora-droa) no notononin’i Varghese.

[Sary, pejy 23]

Raha ny olona no nanorina an’ireo trano fahiny, iza kosa no lazaintsika fa nanao ny zavaboary?

[Sary, pejy 23]

Albert Einstein

[Sary, pejy 24, 25]

Toy ny boky faran’izay bitika ny ADN ary mirakitra toromarika marina tsara momba ny zavamiaina manan-tsaina

[Sary, pejy 25]

Voalaza fa ny atidohan’ny olombelona no “zavatra saro-takarina indrindra eo amin’izao rehetra izao”

[Sary nahazoan-dalana, pejy 22]

© The Print Collector/age fotostock

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara