Manontany ny Tanora Hoe...
Nahoana Izahay no Mifamaly Foana?
Nisy zavatra telo nataon’i Rachel teto, ka nampifamaly azy sy ny reniny. Inona avy izany? Soraty etsy ambany ny valin-teninao, ary jereo raha mitovy amin’izay voalazan’ilay efajoro hoe “Valiny”, any amin’ny faran’ity lahatsoratra ity.
Alarobia hariva tamin’izay. Nahavita ny raharahany rehetra i Rachel, izay 17 taona, ary haka aina amin’izay izy. Nalefany ny tele, ary nivalampatra teo amin’ilay seza tena tiany izy.
Tamin’izay indrindra no nipoitra teo am-baravarana ny reniny. Tsy faly izy ary nilaza hoe: “Ilaozanao mijery tele fotsiny ve, nefa ianao tokony hanampy ny rahavavinao amin’ny devoarany? Tsy mba manao izay asaina hataonao mihitsy ianao!”
Ningonongonona i Rachel namaly hoe: “Izay indray.”
Nanatona azy akaiky ny reniny, ka nanao hoe: “Ahoana tsara hoe?”
“An an, tsy niteny aho ka!”, hoy i Rachel nisento sady nangarika.
Tezitra amin’izay ny reniny. “Izaho aza anaovana fiteny hoatr’izany an!”, hoy izy.
“Ary ny fiteninareo amiko ka?”, hoy i Rachel namaly.
Tapitra hatreo ny fakana aina, ary raikitra indray ny fifamaliana.
1. ․․․․․
2. ․․․․․
3. ․․․․․
FAHITA ve ny toe-javatra toy izany? Mifamaly lava ve ianao sy ny ray aman-dreninao? Diniho tsara hoe inona no tena mampifamaly anareo. Raha voalaza eto ankavanana izany, dia mariho. Soraty kosa eo amin’ilay hoe “Hafa”, raha tsy voalaza eto izany.
◯ Fihetsika
◯ Raharaha
◯ Fiakanjo
◯ Ora fodiana
◯ Fialam-boly
◯ Namana
◯ Fiarahana amin’ny ankizilahy na ankizivavy
◯ Hafa ․․․․․
Samy sorena ianao sy ny ray aman-dreninao rehefa mifamaly, na inona na inona mampifamaly anareo. Marina fa afaka mangina fotsiny ianao ary mody manaiky izay rehetra lazain’izy ireo. Izany ve anefa no tian’Andriamanitra hataonao? Tsia. Milaza ny Baiboly hoe: “Hajao ny rainao sy ny reninao.” (Efesianina 6:2, 3) Ampirisihiny koa anefa ianao mba ‘hahay hisaina’ sy hampiasa ny ‘sainao.’ (Ohabolana 1:1-4; Romanina 12:1) Tsy maintsy hanana ny hevitrao ianao rehefa manao izany, ary mety tsy hitovy amin’ny an’ny ray aman-dreninao izany indraindray. Afaka mifampiresaka amim-pilaminana anefa ny ray aman-dreny sy zanaka samy mampihatra ny toro lalan’ny Baiboly, na dia rehefa tsy mitovy hevitra aza.—Kolosianina 3:13.
Ahoana no ahafahanao milaza ny hevitrao nefa tsy hifamaly amin’ny ray aman-dreninao? Mora erỳ ny miteny hoe: “Ry zareo ihany ange no mahatonga an’ilay izy e! Ry zareo foana no be teniteny eo!” Ho vitanao ve anefa ny hifehy izay ataon’ny olona, anisan’izany ny ray aman-dreninao? Izay ataonao ihany no azonao fehezina. Raha miezaka ny ho tony ianao, dia azo inoana kokoa hoe ho tony foana ny ray aman-dreninao ary hihaino anao.
Andao àry hojerentsika izay azonao atao mba tsy hisian’ny fifamaliana. Raha arahinao ireto soso-kevitra ireto, dia mety ho gaga ianao sy ny ray aman-dreninao, satria ho lasa mahay mampita hevitra ianao.
(Soso-kevitra: Mariho izay soso-kevitra hitanao hoe ilanao ezaka.)
◯ Mieritrereta aloha vao mamaly. Hoy ny Baiboly: “Ny fon’ny marina mieritreritra vao mamaly.” (Ohabolana 15:28) Aza tonga dia milaza izay ao an-tsainao rehefa mitady ho tezitra ianao. Mety hilaza, ohatra, ny mamanao hoe: “Fa maninona no tsy nosasanao ny vilia? Tsy mba manao izay asaina hataonao mihitsy ianao!” Mety ho te hamaly avy hatrany ianao hoe: “Fa maninona raha tsy mila vaniny e?” Mahaiza anefa misaina. Miezaha hahatakatra hoe inona no tena tian’ny mamanao hotenenina. Aza raisina am-po daholo, ohatra, izay lazainy raha misy teny toy ny hoe “foana” sy “mihitsy.” Mety tsy ho izany mantsy no tena ao am-pony. Fa inona kosa?
Mety ho sorena ny mamanao satria eritreretiny hoe be loatra ny raharahany. Te hahazo toky fotsiny angamba izy fa manohana azy ianao. Mety ho ianao mihitsy koa matetika no tsy mety manao raharaha. Tsy hanatsara zavatra ny filazana hoe “Fa maninona raha tsy mila vaniny e?” Vao mainka izany hampifamaly anareo. Tsy aleo ve manao izay tsy hampahatezitra azy? Mety ho afaka hiteny ianao hoe: “Hitako fa tsy faly i Neny. Ao àry fa tonga dia hosasako ny vilia e!” Tandremo anefa ny fomba fiteninao sao maneso. Raha hita amin’ny teninao hoe tsapanao izay any am-pony ary malahelo azy ianao, dia azo inoana fa tsy hifamaly be ianareo.
Soraty eto izay mety holazain’ny ray aman-dreninao, ka mety hampahatezitra anao.
․․․․․
Fantaro izay mety ho ao am-pony, ary eritrereto izay teny azonao lazaina mba hampisehoana fa tsapanao izany.
․․․․․
◯ Mitenena amim-panajana. Hitan’i Michelle fa misy vokany lehibe eo amin’izy sy ny reniny ny fomba firesany aminy. Hoy izy: “Isaky ny mifamaly izahay sy Neny, dia milaza foana izy hoe tsy tiany ny fomba firesako.” Mianara miteny mora sy miadana, raha mitranga aminao matetika ny toy izany. Mitandrema koa sao mangarika na mampiseho hoe tezitra. (Ohabolana 30:17) Manaova vavaka fohy sy mangina, raha tsapanao fa mitady hisafoaka ianao. (Nehemia 2:4) Mazava ho azy fa tsy ny hahatonga ny ray aman-dreninao tsy hiteniteny anao intsony no angatahinao amin’Andriamanitra, fa ny mba hifehezanao tena ka tsy hampitatra be an’ilay fifamaliana.—Jakoba 1:26.
Soraty eto ny teny sy fihetsika tokony hohalavirinao.
Teny:
․․․․․
Fihetsika (izay asehon’ny endrika sy ny vatana):
․․․․․
◯ Mihainoa. Hoy ny Baiboly: “Ny teny maro tsy ilaozan’ota.” (Ohabolana 10:19) Avelao hiteny àry ny ray aman-dreninao, ary mihainoa tsara. Raha mihaino mozika ianao na mamaky boky, dia ajanòny aloha izany ary jereo izy. Aza tapahina ny teniny na dia te hanamarin-tena aza ianao. Mihainoa fotsiny aloha. Mbola ho afaka hanontany sy hanazava ny hevitrao foana ianao, rehefa tapitra ny teniny. Vao mainka ianao hanasaro-javatra raha be di-doha ary misisika hilaza ny hevitrao eo no ho eo. “Fotoana anginana” angamba amin’izay, na dia manan-javatra maro holazaina aza ianao.—Mpitoriteny 3:7.
◯ Mivonòna hiala tsiny. Tsara foana ny miteny hoe “azafady”, na inona na inona nataonao ka nahatonga fifamaliana. (Romanina 14:19) Azonao aseho foana fa malahelo ianao, na tsy ianao aza no nahatonga olana. Soraty amin’ny taratasy kely izay tsapanao, raha sarotra aminao ny miresaka mivantana. Manaova ezaka fanampiny mba hanitsiana an’izay zavatra nataonao ka tena nahatonga fifamaliana. (Matio 5:41) Raha noho ny raharaha tsy nataonao, ohatra, no nahatonga izany, dia ataovy ilay izy na dia tsy tianao aza. Ho faly ny ray aman-dreninao, satria tsy hanampo an’izany. Tsy aleonao koa ve manao an’ilay raharaha, toy izay ho bedy?—Matio 21:28-31.
Hilamina kokoa ny fiainanao raha miezaka handamina na hisoroka fifamaliana ianao. Milaza ny Baiboly fa “manao soa amin’ny tenany ny olona tsara fanahy.” (Ohabolana 11:17) Eritrereto àry hoe inona no soa horaisinao raha miezaka hampihena ny disadisa eo aminao sy ny ray aman-dreninao ianao.
Mety tsy hitovy hevitra na dia ireo anisan’ny fianakaviana sambatra aza, kanefa mahay mifampiresaka tsara izy ireo. Araho ireo soso-kevitra noresahina tato, dia ho hitanao fa tsy hifamaly ianao sy ny ray aman-dreninao, na dia rehefa miresaka zavatra mety hampifamaly aza.
Hita ao amin’ny Mifohaza! hafa koa ny andian-dahatsoratra “Manontany ny Tanora”
ERITRERETO IZAO:
● Nahoana no misy ankizy tia mifamaly amin’ny ray aman-dreniny?
● Nahoana no heverin’i Jehovah ho toy ny adala ny olona tia mifamaly?—Ohabolana 20:3.
[Efajoro/Sary, pejy 27]
NY HEVITRY NY TANORA TOA ANAO
“Tsy maintsy mankatò an’i Neny aho na dia efa miasa sy mamelon-tena aza, satria mbola miara-mipetraka aminy. Nikarakara ahy nandritra ny taona maro izy, ka azoko tsara ny mahatonga azy hanadihady izay ataoko, ohatra hoe momba ny ora fodiako.”
“Mivavaka izahay sy Dada sy Neny rehefa misy zavatra tsy ifanarahanay. Mitady fanazavana sy miara-midinika momba an’ilay izy koa izahay. Mahita marimaritra iraisana foana izahay avy eo. Mahasoa foana ny mitady ny fanampian’i Jehovah.”
[Sary]
Daniel
Cameron
[Efajoro, pejy 29]
VALINY
1. Vao mainka nampisafoaka ny renin’i Rachel ny teny maneso (“Izay indray.”).
2. Vao mainka nahatezitra azy ny fihetsik’i Rachel (nangarika).
3. Vao mainka izy nahazo teny mandratra satria be famaliana (“Ary ny fiteninareo amiko ka?”).
[Efajoro, pejy 29]
HO AN’NY RAY AMAN-DRENY
Diniho ilay resak’i Rachel sy ny reniny. Voamarikao ve izay nataon’ny reniny ka vao mainka nampifamaly azy mianaka? Inona no azonao atao mba tsy hifamalianao amin’ny zanakao? Ireto misy hevitra mila tadidina:
Aza mampiasa teny manitatra toy ny hoe “foana” na “mihitsy.” Hahatonga ny zanakao hiaro tena izany, satria fantany fa manitatra fotsiny ianao. Mety ho fantatry ny zanakao koa fa ny hatezeranao no tena mahatonga anao hanitatra, fa tsy ilay zavatra nataony loatra.
Miezaha hilaza izay tsapanao momba ny fihetsiky ny zanakao, fa aza manome tsiny azy avy hatrany. Afaka milaza, ohatra, ianao hoe: “Rehefa ... ianao, dia ... aho.” Tena tian’ny zanakao ho fantatra izay tsapanao, na dia sarotra aminao aza ny hino izany. Ho vonona kokoa ny hankatò anao izy, raha ampahafantarinao azy izay tsapanao.
Aza miteny aloha raha tsy efa tonitony ianao, na dia tsy mora aza izany. (Ohabolana 10:19) Raha momba ny raharaha ao an-trano, ohatra, ilay olana, dia resaho amin’ny zanakao. Soraty mazava tsara hoe inona ilay ampanaovinao azy, ary hazavao tsara hoe inona no ho vokany raha tsy ataony ilay izy. Henoy hatramin’ny farany ny heviny, na dia hitanao hoe diso aza. Mora kokoa amin’ny ankamaroan’ny ankizy ny mankatò, raha mihaino azy ianao fa tsy be kabary.
Aza tonga dia mieritreritra hoe lasa tia mikomy toa an’ity tontolo ity ny zanakao. Tadidio kosa fa ara-dalàna ny ankamaroan’ny zavatra hitanao ataony, satria mbola mitombo izy. Mety hiady hevitra momba ny zavatra iray izy, mba hampisehoana fotsiny hoe mihalehibe. Mety ho te hifamaly aminy ianao nefa mifeheza tena. Tadidio fa misy heriny eo amin’ny zanakao ny fihetsikao rehefa misy manorisory. Manàna àry faharetana sy fahari-po. Ho modely ho an’ny zanakao ianao amin’izay.—Galatianina 5:22, 23.
[Sary, pejy 28]
Toy ny mihazakazaka eo am-pitoerana fotsiny ianao raha mifamaly amin’ny ray aman-dreninao. Tsy mandroso ianao nefa reraka be