FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g 2/10 p. 10
  • Ny Hoditry ny Antsantsa

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ny Hoditry ny Antsantsa
  • Mifohaza!—2010
  • Mitovitovy Aminy
  • Ny Hoditry ny Antsantsa
    Nisy Namorona Ve?
  • Vonjeo ny Antsantsa
    Mifohaza!—2007
  • Ny Antsantsa Fotsy Lehibe — Iharam-panafihana
    Mifohaza!—2000
  • Helodrano Shark Valan-javaboary Hafakely
    Mifohaza!—2007
Hijery Hafa
Mifohaza!—2010
g 2/10 p. 10

Nisy Namorona Ve?

Ny Hoditry ny Antsantsa

● Malama ny hoditry ny antsantsa rehefa jerena, fa marokoroko rehefa safoina. Ho tsapanao tsara izany raha avy any amin’ny rambony mankany amin’ny lohany ianao no misafo azy.a

Diniho izao: Miendrika tatatra ny kiran’ny antsantsa, ka izany no mahatonga ny hodiny harokoroko. Mandalo amin’ireny ny rano, ka misosa tsara izy rehefa milomano. Mihetsiketsika koa ny kirany rehefa milomano izy, ka tsy tafajanona eo ny bibikely mitondra aretina.

Miezaka maka tahaka ny hoditry ny antsantsa ny mpikaroka mba hanaovana zavatra maro. Efa nanandrana namorona akanjo fitondra milomano, ohatra, izy ireo, ary nisosa haingana kokoa ny mpilomano nanao azy ireny. Mino koa izy ireo fa ho afaka hanamboatra fiara na sambo misosa kokoa.

Te haka tahaka ny hoditry ny antsantsa koa ny mpikaroka mba hanamboarana fitaovam-pitsaboana tsy mora mandray otrikaretina, na lokon-tsambo tsy mora ipetahan’ny bibikely sady tsy dia mandoto ranomasina raha oharina amin’ny loko mahazatra.

Ahoana ny hevitrao? Tsy mitana loto ny hoditry ny antsantsa sady manampy azy hisosa tsara. Kisendrasendra ve izany, sa nisy namorona?

[Fanamarihana ambany pejy]

a Tsy ho tsapanao kosa ilay izy raha avy any amin’ny lohany mankany amin’ny rambony ianao no misafo. Tandremo anefa fa masiaka ny antsantsa.

[Sary, pejy 10]

Kiran’ny antsantsa nohalehibeazina

[Sary nahazoan-dalana, pejy 10]

Kirany: © Eye of Science/Photo Researchers, Inc.; antsantsa: © Image Source/age fotostock

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara