FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g 12/10 p. 5-8
  • Ahoana no Niandohan’ny Krismasy?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ahoana no Niandohan’ny Krismasy?
  • Mifohaza!—2010
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Fety feno fitaka!
  • Anisan’ny fanompoam-pivavahana marina ve ny Noely?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1983
  • Inona no Maharatsy ny Krismasy?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2015
  • Ny Noely — fety iray mampidi-doza ve?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1985
  • Ny Krismasy — Nahoana no Ankalazaina na dia any Atsinanana Aza?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1999
Hijery Hafa
Mifohaza!—2010
g 12/10 p. 5-8

Ahoana no Niandohan’ny Krismasy?

TENA ilaina ve aminao ny mahafantatra ny marina momba an’ireo fety ataon’ny fivavahana? Raha izany no izy, dia mety ho efa nieritreritra toy izao ianao: 1) Tamin’ny 25 Desambra tokoa ve i Jesosy no teraka? 2) Iza ireo “olon-kendry” na “magy”, ary telo marina ve no isan’izy ireo? 3) “Kintana” manao ahoana no nitarika azy ireo ho any amin’i Jesosy? 4) Inona no ifandraisan’i Dadabe Noely amin’i Jesosy sy ny nahaterahany? 5) Ahoana no fiheveran’Andriamanitra ny fifanolorana fanomezana amin’ny Krismasy?

Mba hamaliana izany, dia hodinihintsika ny tena zava-nisy sy ny zavatra tantarain’ny Baiboly.

1) Teraka 25 Desambra ve i Jesosy?

Finoan’ny olona: Efa hatramin’ny ela ny olona no nino fa teraka 25 Desambra i Jesosy, ka amin’io no ankalazaina ny andro nahaterahany. Milaza ny Rakibolana malagasy fa “fety lehibe ho an’ny kristianina” ny Krismasy, “natao ho fahatsiarovana ny nahaterahan’i Kristy.”

Ny niandohany: Milaza ny Rakipahalalana Momba ny Krismasy (anglisy) fa “tsy avy ao amin’ny Baiboly ny fankalazana ny 25 Desambra, fa avy amin’ny fetin’ny mpanompo sampy romanina natao isaky ny faran’ny taona”, izany hoe isaky ny fotoana fiverenan’ny masoandro amin’ny faran’ny ririnina, any amin’ny Ila Bolantany Avaratra. Anisan’ireny fety ireny ny fety fanomezam-boninahitra an’i Satiorna andriamanitry ny fambolena. “Teo koa ny fetin’ireo andriamanitra masoandro atao hoe Sol (an’ny Romanina) sy Mithra (an’ny Persianina).” Niara-nankalazaina isaky ny 25 Desambra, amin’ny kalandrie jolianina, ny nahaterahan’i Sol sy Mithra.

Novana ho fety kristianina ireo fetin’ny mpanompo sampy ireo tamin’ny taona 350, rehefa nilaza i Papa Jules I, fa 25 Desambra i Kristy no teraka. Hoy ny Rakipahalalana Momba ny Fivavahana (anglisy): ‘Novana tsikelikely ho fankalazana ny nahaterahan’i Jesosy ny fombafomba rehetra natao tamin’ny fankalazana ny fiverenan’ny masoandro. Nanao sarina masoandro ny olona matetika mba hampisehoana an’i Kristy natsangana tamin’ny maty (izay nantsoina koa hoe Masoandro Tsy Mety Resy). Rehefa nanao sarin’olo-masina koa izy ireo, dia nasiany faribolana toy ny masoandro ny lohany.’

Izay lazain’ny Baiboly: Tsy milaza ny daty nahaterahan’i Jesosy ny Baiboly. Azo antoka anefa fa tsy teraka 25 Desambra izy. Nahoana? Milaza ny Baiboly fa nisy olona niandry ondry teny akaikin’i Betlehema, tamin’ny alina nahaterahan’i Jesosy. “Nitoetra tany an-tsaha” izy ireo tamin’io. (Lioka 2:8) Manomboka volana Oktobra anefa matetika ny vanim-potoana mangatsiaka sy manorana, any amin’io faritra io. Ary faran’izay mangatsiaka, na misy lanezy aza, ny volana Desambra.a Tsy hajanona eny an-tsaha àry ny ondry amin’ny alina rehefa volana Desambra, fa entina any amin’ny toerana voaro tsara, indrindra fa raha eny amin’ny faritra avo izy ireo, toy ny eny amin’ny manodidina an’i Betlehema.

Tsara homarihina koa fa tsy nankalaza ny nahaterahan’i Jesosy mihitsy ny Kristianina voalohany, izay niara-nitory tamin’i Jesosy ny ankamaroany. Ny nahafatesany ihany no nankalazain’izy ireo, satria izay no didin’i Jesosy. (Lioka 22:17-20; 1 Korintianina 11:23-26) Mety hisy hilaza anefa hoe: ‘Dia maninona moa raha misy ifandraisany amin’ny fanompoan-tsampy ny Krismasy?’ Tena zava-dehibe amin’Andriamanitra izany. Hoy mantsy i Jesosy Kristy: “Ny tena mpivavaka hivavaka amin’ny Ray araka ny fanahy sy ny fahamarinana.”—Jaona 4:23.

2) Firy ny isan’ireo “olon-kendry” na “magy”, ary iza izy ireo?

Finoan’ny olona: Notarihin’ny “kintana” iray avy any atsinanana ny “olon-kendry” telo. Nanolotra fanomezana ho an’i Jesosy, tao an-tranon’omby, izy ireo. Aseho amin’ny sary koa matetika hoe nisy mpiandry ondry teo.

Ny niandohany: Ankoatra ny tantara fohy voalazan’ny Baiboly momba ireo olon-kendry ireo, dia “angano avokoa ny zavatra voasoratra momba azy ireo”, hoy ny Rakipahalalana Momba ny Krismasy.

Izay lazain’ny Baiboly: Tsy milaza ny isan’ireo “olon-kendry” nitsidika an’i Jesosy ny Baiboly. Mety ho roa na telo na maromaro izy ireo. “Olon-kendry” no iantsoan’ny fandikan-tenin’ny Baiboly sasany azy ireo. Misy koa milaza hoe “magy.” Magôi mantsy no nilazana azy ireo tamin’ny teny tany am-boalohany, ary midika hoe mpanandro na mpanao ody izany. “Maharikoriko an’i Jehovah” anefa izany fanao izany, araka ny Baiboly. (Deoteronomia 18:10-12) Avy lavitra be, avy any Atsinanana, koa ireo mpanandro ireo, ka tsy nahatratra an’i Jesosy tamin’izy mbola tao amin’ilay tranom-biby. Rehefa avy nandeha volana maromaro angamba izy ireo, vao tonga ‘tao amin’ny trano’ nipetrahan’i Jesosy, ka nahita “an’ilay zaza sy Maria reniny.”—Matio 2:11.

3) Kintana manao ahoana no nitarika an’ireo mpanandro?

Hanampy antsika hahafantatra izany ny zavatra nataon’ilay kintana. Tsy nitarika an’ireo mpanandro ho any Betlehema avy hatrany izy io, fa nankany Jerosalema aloha. Lasa henon’i Heroda Mpanjaka àry hoe mitady an’i Jesosy ireo mpanandro. ‘Nampanantsoin’i Heroda mangingina izy ireo’ avy eo, ka nolazain’izy ireo taminy ny mombamomba an’ilay zaza teraka ho “mpanjakan’ny Jiosy.” Hoy àry i Heroda: “Karohy tsara ilay zaza, ary rehefa hitanareo izy, dia ilazao aho.” Tsy nitady an’i Jesosy noho ny antony tsara anefa io mpitondra nanambony tena sy lozabe io, fa tapa-kevitra ny hamono azy.—Matio 2:1-8, 16.

Nitarika an’ireo mpanandro ho any atsimo, ho any Betlehema, avy eo ilay “kintana”, ary “nijanona” teo ambonin’ilay trano nipetrahan’i Jesosy.—Matio 2:9, 10.

Tsy toy ny kintana mahazatra àry io kintana io! Tadidio fa naniraka anjely Andriamanitra, mba hilaza tamin’ireo mpiandry ondry nanetry tena hoe teraka i Jesosy. Koa nahoana moa izy no hampiasa kintana indray mba hitarika an’ireo mpanandro mpanompo sampy ireo? Sady amin’izay indray notarihiny ho any amin’ny fahavalon’i Jesosy aloha, izay vao ho any amin’i Jesosy? Fitaovana nampiasain’i Satana àry ilay kintana. Mahavita manao fahagagana toy izany izy. (2 Tesalonianina 2:9, 10) Mahatsikaiky fa asian’ny olona kintana antsoina hoe kintan’i Betlehema eo an-tampon’ny hazo krismasy.

4) Inona no ifandraisan’i Dadabe Noely amin’i Jesosy sy ny nahaterahany?

Finoan’ny olona: Mpitondra fanomezana ho an’ny ankizy no fiheverana ny Dadabe Noely, any amin’ny tany maro. Manoratra any aminy ny ankizy matetika mba hangataka fanomezana. Any amin’ny Tendrontany Avaratra, hono, izy io no manamboatra an’ireo fanomezana, ary misy olona kely manampy azy amin’izany.

Ny niandohany: Mihevitra ny olona maro fa avy amin’ny tantaran’i Masindahy Nicolas ny tantaran’i Dadabe Noely. Arsevekan’i Myra, tany Azia Minora (Torkia) izy io. Milaza anefa ny Rakipahalalana Momba ny Krismasy fa “avy amin’ny angano ny ankamaroan’ny zavatra voasoratra momba an’i Masindahy Nicolas.” Hita araka izany fa tsy misy ifandraisany amin’i Jesosy Kristy mihitsy ny tantaran’i Dadabe Noely, raha jerena ny tantara sy ny Baiboly.

Izay lazain’ny Baiboly: Hoy ny Efesianina 4:25: ‘Koa satria efa narianareo ny lainga, dia milazà ny marina amin’ny namanareo avy ianareo tsirairay.’ Ny mpianakavintsika no ‘namantsika’ akaiky indrindra. Milaza koa ny Baiboly fa tokony ho ‘tia ny fahamarinana’ isika, ka ‘hilaza ny marina ao am-pontsika.’ (Zakaria 8:19; Salamo 15:2) Hoatran’ny hoe tsy mampaninona ny milaza amin’ny ankizy hoe i Dadabe Noely no mpitondra fanomezana. Mety ve anefa ny mamitaka azy ireo, na dia hoe tsy ratsy aza ny antony anaovantsika izany? Tsy hitanao ho hafahafa ve hoe ny fotoana heverina fa hanomezam-boninahitra an’i Jesosy no hamitahana ny ankizy?

5) Ahoana no fiheveran’Andriamanitra ny fifanolorana fanomezana sy ny lanonam-be amin’ny Krismasy?

Fanaon’ny olona: Mifanolotra fanomezana ny olona sasany rehefa Krismasy. Manao fety be koa ny olona, ary mihinam-be sy misotro be.

Ny niandohany: Ny 17 Desambra ka hatramin’ny 24 Desambra ny fetin’ny andriamanitra Satiorna, tany Roma fahiny. Mifanolotra fanomezana izy ireo amin’io. Maresaka be ny tao an-trano sy ny teny an-dalana, satria nanao fanasambe sy nisotro be ny olona, ary nanao zavatra tafahoatra. Nankalaza ny fetin’ny 1 Janoary koa ny olona, ka naharitra telo andro izany matetika. Azo inoana fa nataon’izy ireo nifampitohy ireo fety roa ireo, ka lasa fety iray ihany.

Izay lazain’ny Baiboly: Mampiavaka ny tena Kristianina ny hoe faly sy malala-tanana. Hoy ny Baiboly: ‘Miravoravoa ry olo-marina, ary mihobia.’ (Salamo 32:11) Faly ny olona malala-tanana, matetika. (Ohabolana 11:25) Hoy i Jesosy Kristy: “Mahasambatra kokoa ny manome noho ny mandray.” (Asan’ny Apostoly 20:35) Nilaza koa izy hoe: “Aoka ianareo ho zatra manome.”—Lioka 6:38.

Tsy mitovy amin’ny fanomezana tsy maintsy atao rehefa fety anefa izany. Hoy mantsy ny Baiboly: “Aoka ny tsirairay samy hanao araka izay fanapahan-keviny tao am-pony, tsy amin’alahelo na an-tery, fa ny mpanome amim-pifaliana no tian’Andriamanitra.” (2 Korintianina 9:7) Raha manaraka an’io toro lalana tena tsara io ny olona malala-tanana, dia tokony hoe ny fony no mandrisika azy hanolotra fanomezana, ary afaka manao izany izy amin’ny fotoana rehetra. Azo antoka fa ankasitrahan’Andriamanitra ny fanomezana toy izany, sady tsy manavesatra mihitsy.

Fety feno fitaka!

Rehefa mandinika tsara àry isika, dia mahita fa novana ny tantara ao amin’ny Baiboly, ary avy amin’ny fanompoan-tsampy ny ankamaroan’ny fanao amin’ny Krismasy. Anarana fotsiny àry ny hoe fety kristianina ny Krismasy. Inona tokoa moa no nahatonga azy io ho lasa fety kristianina? Nisy mpampianatra sandoka maro nipoitra taonjato maro taorian’ny nahafatesan’i Kristy, araka ny efa voalazan’ny Baiboly. (2 Timoty 4:3, 4) Tsy ny hampianatra ny marina no tanjon’izy ireo, fa ny hahatonga ny mpanompo sampy hanaiky ny Fivavahana Kristianina. Nanaraka tsikelikely ny fetin’ny mpanompo sampy izay tena be mpitia àry izy ireo, ka nantsoiny hoe fety “kristianina” ireny fety ireny.

Mampitandrina ny Baiboly fa ‘hanararaotra antsika amin’ny teny mamitaka ireny mpampianatra sandoka ireny. Tsy mitaredretra anefa ny fanamelohana azy ireny izay efa nambara hatry ny ela, ary tsy rendremana ny fandringanana azy.’ (2 Petera 2:1-3) Zava-dehibe amin’ny Vavolombelon’i Jehovah ireo teny ireo, sy izay voalazan’ny Baiboly manontolo, satria Tenin’Andriamanitra izy io. (2 Timoty 3:16) Tsy mankalaza fety na manaraka fombafomba avy amin’ny fivavahan-diso àry izy ireo. Tsy matiantoka ve izy ireo amin’izany? Tsy izany velively! Tsapan’izy ireo aza hoe nanafaka azy ireo ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly. Izany no hodinihintsika izao.

[Fanamarihana ambany pejy]

a Mety ho tamin’ny volana jiosy atao hoe Etanima (Septambra/Oktobra) i Jesosy no teraka.

[Efajoro/Sary, pejy 8]

IZAY NAFAFINY IHANY NO NOJINJAINY

Milaza ny boky iray momba ny tantaran’ny Krismasy fa “niady mafy tamin’ny fanaon’ny mpanompo sampy ny mpitondra fivavahana fahiny.” Tsy niezaka nampianatra ny marina intsony anefa izy ireo tatỳ aoriana, fa nanao izay hamenoana ny dabiliom-piangonana fotsiny. Noho izany, dia “noleferin’izy ireo” ny fanaon’ny mpanompo sampy, ary narahiny mihitsy tatỳ aoriana.

Hoy ny Baiboly: “Izay afafin’ny olona ihany no hojinjainy.” (Galatianina 6:7) Fanompoan-tsampy no nafafin’ireo fivavahana, ka tsy tokony ho gaga izy ireo raha mijinja “ahidratsy” be dia be: Hararaotin’ny olona mba hibobohan-toaka sy hilibana ny fety lazaina fa hanomezam-boninahitra ny nahaterahan’i Jesosy. Aleon’ny olona miantsena toy izay miangona. Bokan’ny trosa ny fianakaviana satria miezaka mafy mividy fanomezana sy kilalao. Tsy hain’ny ankizy koa ny manavaka ny angano sy ny tena zava-misy. Mety àry ny nilazan’Andriamanitra hoe: “Aza mikasika intsony izay maloto.”—2 Korintianina 6:17.

[Sary, pejy 7]

Manao fety be sy mihinam-be ary misotro be ny olona rehefa Krismasy, toy ny tamin’ny fetin’ny andriamanitra Satiorna

[Sary nahazoan-dalana]

© Mary Evans Picture Library

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara