FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g 2/11 p. 24
  • Ny Volombolon’ny Bakteria

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ny Volombolon’ny Bakteria
  • Mifohaza!—2011
  • Mitovitovy Aminy
  • Loha Hevitra ato Anatiny
    Mifohaza!—2011
  • Ahoana no Niverenan’ireo Mikraoba Mahery?
    Mifohaza!—2003
  • Ny Fomba Ahafahantsika Mahafantatra fa Misy Andriamanitra
    Tena Miahy Antsika ve Andriamanitra?
  • Kapoka
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
Hijery Hafa
Mifohaza!—2011
g 2/11 p. 24

Nisy Namorona Ve?

Ny Volombolon’ny Bakteria

● Faran’izay kely sy zara raha hita ny volombolon’ny bakteria, na dia mikraoskaopy matanjaka be aza no ijerena azy. Toy ireny maotera matanjaka apetaka amin’ny sambokely ireny izy ireo. Fa inona ny volombolon’ny bakteria?

Maro ny zavamaniry sy biby misy volombolony madinika, fa ny volombolon’ny bakteria (latinina: “karavasy”) no tena dinihin’ny manam-pahaizana. Miraikitra amin’ny bakteria ireo volombolony ary mihodinkodina, ka afaka miroso ilay bakteria, mijanona, mihemotra, ary mivily. Voalaza fa ny antsasaky ny bakteria fantatra no misy volombolony. Misy karazany maro ireo volombolony.

Ao amin’ny ADN an’ilay bakteria, na zavamiaina bitika dia bitika, no ahitana ny “fanazavana” rehetra mombamomba ny volombolony. Ahitana proteinina 40 eo ho eo ny tsirairay aminy, ary mahagaga fa afaka miforona ao anatin’ny 20 minitra. Toy ny hoe piesy ao amin’ny maotera iray ireo proteinina.

Hoy ny boky Adihevitra Momba ny Evolisiona (anglisy): “Misy maotera iray mihodina in-6 000 ka hatramin’ny im-17 000 isa-minitra ao amin’ny volon’ny bakteria. Ny tena mahagaga dia izao: Afaka miverina ao anatin’ny fotoana tena fohy ilay fihodinany, ary mihodina im-17 000 isa-minitra indray.” Antsoin’ny Mpahay Siansa Vaovao (anglisy) hoe “anisan’ny molekiola tena be pitsiny” ny volon’ny bakteria, ary “tsy vitan’ny injeniera ny maka tahaka an’io milina faran’izay bitika sy be pitsiny io.”

Tsy takatry ny mpahay siansa hoe nahoana no afaka miforona samirery ny volon’ny bakteria. Mirindra tsara anefa ny fomba iforonany ka mitambatra sy miara-miasa tsara ireo tapany 40 samihafa.

Ahoana ny hevitrao? Tongatonga ho azy ve ny volon’ny bakteria, sa nisy namorona?

[Kisary/Sary, pejy 24]

(Jereo ny gazety)

Fanodina

Mpangeja

Mpampitohy

Mpanosika

Volombolon’ny bakteria

[Sary]

Sarina bakteria nohalehibeazina

[Sary nahazoan-dalana]

Sarina bakteria: © Scientifica/Visuals Unlimited, Inc.; volon’ny bakteria: Art source courtesy of www.arn.org

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara