FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g 8/12 p. 8
  • Mianara ho Tia Fihavanana

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Mianara ho Tia Fihavanana
  • Mifohaza!—2012
  • Mitovitovy Aminy
  • ‘Mitadiava Fihavanana ary Manaraha Azy’
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2001
  • Herisetra
    Mifohaza!—2015
  • Olona tsy tia ady: tena ilaina marina tokoa izy ireny!
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1985
  • Inona no Soa Azon’ny Olona Tia Fihavanana?
    Mifohaza!—2006
Hijery Hafa
Mifohaza!—2012
g 8/12 p. 8

Mianara ho Tia Fihavanana

MBOLA kely ny olona dia efa manana faniriana hanao ratsy. Zavatra ianarana atỳ aoriana anefa ny herisetra. Afaka mianatra ny ho tia fihavanana koa àry isika. Vonona hampianatra antsika ilay Mpamorona, izay manana fahefana sy fahendrena tsy manan-tsahala. Misy torohevitra feno fahendrena ao amin’ny Baiboly. Handinika dimy amin’izany isika.

1 “Aza mitsiriritra olona tia herisetra.” (Ohabolana 3:31) Tena ilaina ny toetra tsara toy ny fifehezan-tena sy ny fahalemem-panahy. Hoy ny Ohabolana 16:32: “Aleo olona tsy mora tezitra toy izay lehilahy matanjaka.” Toy ny tohodrano matanjaka be ny olona tsy mora tezitra, ka tsy mampihontsina azy izay zavatra mety hampahatezitra. Malemy fanahy kosa izy rehefa misy mahasosotra, ka lasa “mampitony fahatezerana.” (Ohabolana 15:1) Ny olona mora tezitra kosa tonga dia misafoaka raha vao misy mahasosotra kely fotsiny.—Ohabolana 25:28.

2 Fidio tsara ny namanao. “Mitaona ny namany ny olona tia herisetra”, hoy ny Ohabolana 16:29. Hoy kosa ny Ohabolana 13:20: “Ho hendry izay miaraka amin’ny hendry.” Mahafehy tena sy malemy fanahy ny olona tia fihavanana. Azo inoana fa hiezaka hanahaka ny olona toy izany isika, raha minamana aminy.

3 Miezaha ho tena tia olona. Ao amin’ny 1 Korintianina 13:4-7 no ahitana ny fanazavana tsara indrindra momba ny fitiavana. Lazainy ao, ohatra, hoe: “Ny fitiavana mahari-po sy tsara fanahy. ... tsy mora tezitra, tsy mitana lolompo ... mandefitra ny zava-drehetra ... miaritra ny zava-drehetra.” Hatramin’ny fahavalony aza tian’ny olona manahaka an’Andriamanitra, hoy i Jesosy.—Matio 5:44, 45.

4 Matokia fa hamaly ratsy ny ratsy Andriamanitra. “Aza mamaly ratsy ny ratsy, na amin’iza na amin’iza. ... Raha ... mbola miankina aminareo koa, dia mihavàna amin’ny olona rehetra. Aza mamaly faty, ry malala, ... fa voasoratra hoe: ‘Ahy ny famaliana. Izaho no hamaly, hoy i Jehovah.’ ” (Romanina 12:17-19) Raha mino an’Andriamanitra sy ny fampanantenany isika dia hiadan-tsaina. Tsy hahatakatra an’izany mihitsy ny olona tsy manam-pinoana.—Salamo 7:14-16; Filipianina 4:6, 7.

5 Matokia fa ny Fanjakan’Andriamanitra ihany no hitondra ny tena fiadanana eto an-tany. Fitondram-panjakana any an-danitra izy io. Kely sisa dia hesoriny ny faharatsiana rehetra, ary izy io no hitondra ny tany manontolo. (Salamo 37:8-11; Daniela 2:44) “Hiroborobo ny olo-marina”, amin’izay, “ary ho be ny fiadanana raha mbola misy koa ny volana.”—Salamo 72:7.

Nanampy olona an-tapitrisany ho tia fihavanana sy tsy hahery setra intsony ireo fampianaran’ny Baiboly ireo. Diniho, ohatra, ny tantaran’i Salvador Garza.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara