FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g 1/13 p. 4-5
  • Ahoana no Hiresahanao Amin’ny Zanakao?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ahoana no Hiresahanao Amin’ny Zanakao?
  • Mifohaza!—2013
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • OLANA
  • Ahoana Raha Lasa Tsy Atokisanao Intsony ny Zanakao?
    Ho An’ny Fianakaviana
  • Ahoana no Hanomezana Fitsipika ny Tanora?
    Mifohaza!—2013
  • Ampio ny Zanakao Zatovo mba Hiroborobo
    Ny Tsiambarantelon’ny Fahasambaram-pianakaviana
  • Miezaha mba Tsy Hifamaly Amin’ny Zanakao
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2013
Hijery Hafa
Mifohaza!—2013
g 1/13 p. 4-5

HO AN’NY FIANAKAVIANA | FITAIZANA

Ahoana no Hiresahanao Amin’ny Zanakao?

OLANA

Niresaka be taminao ny zanakao tamin’izy mbola kely. Niova anefa izy rehefa nihalehibe. Rehefa mba miresaka aminy ianao dia zara raha miteny izy na mamalivaly, ka raikitra ny fifamaliana.

Afaka mianatra miresaka aminy anefa ianao. Hijery antony roa mahasarotra an’izany aloha isika.

INONA NO MAHATONGA AN’ILAY OLANA?

Te hahaleo tena. Toy ny voronkely efa ary elatra ny tanora, ka tokony hampiana tsikelikely mba hahay hanidina samirery. Ho lasa olon-dehibe matotra sy mahay miatrika ny fiainana izy amin’izay. Marina aloha fa misy tanora mitady fahafahana mihoatra noho ny tokony ho izy, nefa misy koa ray aman-dreny mifehy loatra ny zanany. Mety hiteraka olana be eo amin’ny ray aman-dreny sy ny tanora izany. Nitaraina i Nary,a 16 taona, hoe: “Tian-dry Dada sy Neny arahi-maso daholo ny zavatra ataoko. Hiala ato an-trano aho rehefa feno 18 taona, raha mbola mifehifehy be an’ahy ry zareo!”

Efa mahay misaina. Tsotra ny fomba fisainan’ny ankizy. Ny tanora kosa efa misaina kokoa. Manampy azy ireo handray fanapahan-kevitra izany. Raiso, ohatra, ny atao hoe rariny. Zavatra tsotra izany amin’ny ankizy: ‘Nozarain’i Neny roa ilay mofo dia samy nomeny antsasany izahay roa lahy.’ Tsy manao zara vilana ny hoe manao ny rariny eo. Tsy voatery ho tsotra hoatr’izany ny atao hoe rariny amin’ny tanora. Tsy voatery ho ara-drariny foana koa ny hoe entina amin’ny fomba mitovy. Lasa afaka mamaha olana ny tanora rehefa mahay misaina toy izany, nefa koa mety hanjary tsy hitovy hevitra aminao.

INONA NO AZONAO ATAO?

Manaova resadresaka tsotra. Afaka manararaotra miresaka aminy ianao rehefa sendra tafaraka ianareo. Voamariky ny ray aman-dreny sasany, ohatra, fa miresaka kokoa ny tanora rehefa tsy mifanatrika aminy, ohatra hoe eo am-panaovana raharaha na eny ambony fiara.—Toro lalan’ny Baiboly: Deoteronomia 6:6, 7.

Aza lava resaka. Tsy voatery hotoherinao daholo izay lazainy. Lazao aminy fotsiny izay tianao hataony ... dia aza miteny intsony. Hieritreritra ny teninao izy rehefa irery sy afaka mandinika an’izany. Omeo fotoana hisaintsainana izy.—Toro lalan’ny Baiboly: Ohabolana 1:1-4.

Henoy izy ary aza hentitra loatra. Henoy tsara izy ary aza tapahina ny teniny, mba ho azonao tsara ny manjo azy. Mahaiza mandanjalanja rehefa mamaly. Hitady hirika handikana ny teninao izy raha hentitra loatra ianao. Hoy ny boky Mifampiresaha Foana Amin’ny Zanakao (anglisy): “Izao no ataon’ny ankizy maditra: Mody manaiky izay lazain’ny ray aman-dreniny izy, nefa izay tiany ihany no ataony rehefa tsy hitan’izy ireo.”—Toro lalan’ny Baiboly: Filipianina 4:5.

Miezaha ho tony. Hoy Ikemba: “Izay rehetra lazaiko dia mahasosotra an’i Neny rehefa tsy mitovy hevitra izahay. Mba tezitra koa aho ka lasa mifamaly izahay.” Aza tonga dia sosotra fa ataovy hita amin’ny teninao hoe takatrao ny fihetseham-pon’ny zanakao. Aleo milaza hoe “hitako fa tena manahiran-tsaina anao ilay izy”, toy izay hoe “tsy hitako izao izay olana amin’izany!”—Toro lalan’ny Baiboly: Ohabolana 10:19.

Miezaha ho mpitari-dalana fa tsy ho mpibaikobaiko. Ilaina ny manao fampiasan-tena mba hampahatanjaka ny hozatra. Raha tianao hahay hisaina koa ny zanakao, dia izy mihitsy no tokony hampiasa ny sainy, fa tsy haka ny toerany ianao. Avelao hitady vahaolana àry izy rehefa mamaha olana iray ianareo. Rehefa mahita vahaolana vitsivitsy ianareo dia azonao atao ny milaza hoe: “Misy vahaolana azo isafidianana ireo. Mieritrereta aloha mandritra ny iray na roa andro, ary resaho amiko avy eo hoe inona no vahaolana tianao indrindra ary inona no itiavanao azy.”—Toro lalan’ny Baiboly: Hebreo 5:14.

a Novana ny anarana sasany ato amin’ity lahatsoratra ity.

ANDININ-TENY FOTOTRA

  • “Aoka ny olona rehetra ho mailaka hihaino, tsy ho maika hiteny, tsy ho mora tezitra.”—Jakoba 1:19.

  • “Mampitony fahatezerana mafy ny valin-teny malefaka.”—Ohabolana 15:1.

  • “Aza mampahatezitra ny zanakareo, fa tezao hatrany araka ny fananarana sy ny fomba fisainan’i Jehovah izy.”—Efesianina 6:4.

RY TANORA

Tianao ve raha mba tsy voafehifehy loatra ianao? Tianao ve raha mba mahatakatra ny fihetseham-ponao ny ray aman-dreninao? Ahoana no hanampianao azy ireo hanao izany? Lazao aminy izay mitranga eo amin’ny fiainanao fa aza misy afenimpenina. Tsy hatoky anao izy ireo raha misy zavatra afeninao azy. Ho voafehifehy anefa ianao raha tsy atokisany.

Aza ny ray aman-dreninao foana àry no andrasana hiteny. Mba mila miresaka koa ianao. Resaho izay nitranga taminao nandritra ny andro ary anontanio ny azy. Mahaiza miresaka amim-panajana raha misy zavatra tianao hitarainana. Mianara miresaka satria ilainao izany rehefa lehibe ianao. Maninona raha mianatra dieny izao?

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara