FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g 7/13 p. 4-5
  • Ahoana Raha Mila Vaniny ny Zanakao?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ahoana Raha Mila Vaniny ny Zanakao?
  • Mifohaza!—2013
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • OLANA
  • Ampianaro Hankatò ny Zanakao
    Mifohaza!—2015
  • “Ilay Milina Mora Miana-javatra Indrindra”
    Mifohaza!—2011
  • Mifehy Tena
    Mifohaza!—2019
  • Manomeza fanabeazana ireo zanakao hatramin’ny vao fahakelezany indrindra
    Ny Fomba Hahitana Fiainam-pianakaviana Sambatra
Hijery Hafa
Mifohaza!—2013
g 7/13 p. 4-5

HO AN’NY FIANAKAVIANA | FITAIZANA

Ahoana Raha Mila Vaniny ny Zanakao?

OLANA

Mikiakiaka sy mingodongodona ary mitsipatsipaka ny zanakao roa taona rehefa sorena. Mieritreritra ianao hoe: ‘Fa maninona àry ity zaza ity? Nisy zavatra tsy nety nataoko ve? Dia hila vaniny hoatr’izao foana ve izy?’

Azonao ampiana hiova ilay zanakao. Diniho anefa aloha ny mety hahatonga azy hila vaniny.

INONA NO MAHATONGA AN’ILAY OLANA?

Mbola tsy dia mahay mifehy ny fihetseham-pony ny ankizy kely. Mahatonga azy hila vaniny tsindraindray izany. Misy antony hafa koa anefa.

Eritrereto ny fiovana tsapan’ilay zaza rehefa roa taona eo ho eo izy. Nanome izay rehetra nilainy ny ray aman-dreniny, hatramin’izy vao teraka. Tonga avy hatrany, ohatra, izy ireo raha vao mitomany ilay zaza: ‘Marary ve izy? Sa noana? Sa mila tambatambazana? Sa mando?’ Atao daholo izay hahafa-po an’ilay zaza. Ara-dalàna izany satria mbola mila ny fikarakaran’ny ray aman-dreniny ny zazakely.

Manomboka takatry ny ankizy anefa, rehefa roa taona eo ho eo izy, fa tsy izay rehetra tadiaviny no omena azy. Mivadika ny rasa, ka izy indray no mila manaiky izay asain’ny ray aman-dreniny atao. Tsy manaiky an’izany fiovana izany ilay zaza ka mikomy. Mety hila vaniny izy mba hampisehoana izany.

Ho zatra ihany ilay ankizy amin’ny farany, ary hanaiky fa tsy mpikarakara azy fotsiny ny ray aman-dreniny fa mpampianatra azy koa. Ho takany koa fa tokony ‘hankatò ny ray aman-dreniny’ izy. (Kolosianina 3:20) Mety hila vaniny foana anefa aloha izy, satria te hitsapa hoe sao mba miova hevitra ihany ny ray aman-dreniny.

INONA NO AZONAO ATAO?

Fantaro izay tsapany. Tsy toy ny olon-dehibe ny ankizy. Mbola tsy dia mahay mifehy ny fihetseham-pony izy, ka mety hanao zavatra tafahoatra rehefa sorena. Miezaha hahatakatra ny manjo azy.—Toro lalan’ny Baiboly: 1 Korintianina 13:11.

Miezaha ho tony. Tsy vahaolana ny misendaotra rehefa mila vaniny ny zanakao. Raha azo atao, dia aza raharahaina izay ataony ary aza mora entim-po. Ho tony foana ianao raha mitadidy hoe nahoana ilay zaza no mila vaniny.—Toro lalan’ny Baiboly: Ohabolana 19:11.

Aoka ianao ho hentitra. Hila vaniny ilay zaza isaky ny misy zavatra tadiaviny, raha ekenao daholo izay angatahany. Asehoy hoe tsy miovaova hevitra ianao ary miezaha ho tony.—Toro lalan’ny Baiboly: Matio 5:37.

Ho tony foana ianao raha mitadidy hoe nahoana ilay zaza no mila vaniny

Manàna faharetana. Aza manantena hoe tampotampoka eo dia tsy hila vaniny intsony ny zanakao, indrindra raha efa zatra nahazo izay notadiaviny izy isaky ny nila vaniny. Raha hainao ny mitaiza azy ary tsy miovaova ianao, dia azo inoana fa hihena tsikelikely ny ditrany ary tsy hila vaniny intsony izy amin’ny farany. Hoy ny Baiboly: “Ny fitiavana mahari-po.”—1 Korintianina 13:4.

Andramo koa ireto:

  • Rehefa mitady hila vaniny ny zanakao, dia trotroy izy (raha mety) ary aza avela hitsipatsipaka, nefa aza hazonina mafy loatra. Aza mivazavaza aminy, fa andraso hisinda ilay ditrany. Ho tsapany ihany amin’ny farany hoe tsy mitondra mankaiza izany.

  • Asio toerana ametrahanao ny zanakao, rehefa mila vaniny izy. Avelao ao izy, nefa ilazao hoe afaka mivoaka avy ao izy rehefa mangina.

  • Raha eny imasom-bahoaka izy no mila vaniny, dia ento miala eo. Aza manaiky izay angatahiny, satria fotsiny hoe misarika mason’olona izy. Hahatonga azy hieritreritra izany hoe hahazo izay tiany izy rehefa mila vaniny.

ANDININ-TENY FOTOTRA

  • ‘Fony aho zaza, dia nieritreritra toy ny zaza, nisaina toy ny zaza.’—1 Korintianina 13:11.

  • “Mahatsindry fo ny olona raha lalin-tsaina.”—Ohabolana 19:11.

  • “Aoka ny teninareo rehefa Eny dia Eny, rehefa Tsia dia Tsia.”—Matio 5:37.

AZA MIOVAOVA!

“Mihomehy aho rehefa mandre ray na reny mitaraina hoe tsy manaiky mihitsy ny zanany rehefa lavina izay tadiaviny. Ny toetran’ilay ray na reny mantsy no tena miharihary amin’izany fa tsy ny an’ilay zaza. Tsy tena mandà izay tadiavin’ilay zaza ny ray aman-dreniny, matoa ilay zaza tsy manaiky lavina. Tsy hoe ilay zaza no tsy manaiky lavina. Tsy mino kosa izy hoe handa tokoa ny ray aman-dreniny.”—John Rosemond, Fahefan’ny Ray Aman-dreny!, anglisy.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara