FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g 6/14 p. 14-15
  • Mianara Mitsitsy Vola

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Mianara Mitsitsy Vola
  • Mifohaza!—2014
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • OLANA
  • Mahaiza Mitantam-bola
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2009
  • Ahoana no Hahaizako Mitsitsy Vola?
    Mifohaza!—2006
  • Ahoana no Hahaizako Mitsitsy Vola?
    Manontany ny Tanora—Torohevitra Mahasoa, Boky Faha-2
  • Ahoana no Hahaizako Hitsitsy Vola?
    Manontany ny Tanora
Hijery Hafa
Mifohaza!—2014
g 6/14 p. 14-15

HO AN’NY FIANAKAVIANA | FANAMBADIANA

Mianara Mitsitsy Vola

OLANA

Manao kaonty ianao ka hitanao fa mandeha hoatran’ny rano ny volanareo. Vao haingana ianareo no nivady nefa efa tsy voafehy sahady ny resa-bola. Ny vadinao ve no tena mpandany vola? Aza maika hifanome tsiny fa mifampiresaha aloha, ka jereo izay mety ho nahatonga anareo roa ho tratran’io olana io.a

INONA NO MAHATONGA AN’ILAY OLANA?

Vao mizatra ianareo. Mbola vaovao aminao angamba izany mitantam-bola izany, raha niara-nipetraka tamin’ny ray aman-dreny ianao talohan’ny nanambady. Mety tsy hitovy koa ianareo mivady: Ny iray mety ho tia mividividy fa ny iray kosa tia manao tahiry. Mbola elaela angamba vao tena hahay hampitovy tadin-dokanga ianareo.

[Sary, pejy 14]

Mitombo moramora ao foana ny trosa rehefa tsy raharahaina, hoatran’ny ahidratsy mitombo tsikelikely ao an-jaridaina.

Mangataka andro amin’ny resa-bola. Mpandraharaha manankarena i Jim. Niaiky anefa izy fa tsy nahay nandamin-javatra tamin’ny vao nanambady, ka lasa lany vola be. Hoy izy: “Nangataka andro foana izahay mivady rehefa tokony handoa faktiora. Voasazy handoa lamandy be dia be izahay noho izany, ka tsy nanam-bola intsony!

Mividy nefa “tsy mandoa vola.” Mora mandany vola ianao, raha tsy tena hitanao maso ilay vola mivoaka. Ohatra hoe mitrosa ianao, na mampiasa seky, na koa mandoa vola amin’ny alalan’ny telefaonina. Mety hirobaroba koa ny mpivady vao, raha mora aminy ny mindrana vola amin’ny banky na fikambanana.

Tena mety hiteraka olana eo aminareo mivady ny resa-bola. Hoy ny boky Avoty ny Tokantranonao (anglisy): “Maro no milaza fa resa-bola foana no olana eo amin’izy mivady. Tratran’izany daholo na ny mpanana na ny mahantra. Ny vola no tena mampiady.”

INONA NO AZONAO ATAO?

Miezaha hifanampy. Aza mifanome tsiny fa miaraha mandinika izay fomba hahaizanareo mitantam-bola. Vao hanomboka hiresaka an’ilay izy ianareo dia samia manaiky hoe tsy hatao hampiady ny resa-bola.—Toro lalan’ny Baiboly: Efesianina 4:32.

Manaova teti-bola. Soraty daholo izay vola mivoaka mandritra ny iray volana, na be na kely. Ho hitanareo amin’izay hoe inona no mandany ny volanareo, ary inona no tsy dia ilaina loatra ka azo ajanona. ‘Toko tapaka, vilany mitongilana’, hoy ny fitenenana, ‘ka izay tsy mety areno.’

Ataovy lisitra izay fandaniana tsy maintsy atao. Mety ho anisan’izany ny sakafo, hofan-trano, saran-dalana, jiro sy rano, ary ny toy izany. Soraty tsirairay eo akaikiny eo izay vola tokony ho lany amin’ilay izy mandritra ny iray volana, ohatra.—Toro lalan’ny Baiboly: Lioka 14:28.

“Izay misambo-bola dia mpanompon’ilay mampisambotra.”—Ohabolana 22:7.

Rehefa mandray vola ianareo dia zarao tsara hifanaraka amin’ilay teti-bola ilay izy. Azo zarazaraina ao anaty valopy maromaro ny vola atokana ho an’ny fandaniana samihafa.b Raha lany ny ao amin’ny valopy iray, dia makà amin’ny valopy hafa, na koa aza manao fandaniana amin’iny intsony.

Mahaiza mianina. Tsy voatery ho sambatra ny olona na dia mahazo an’izay fitaovana nivoaka farany aza. Hoy mantsy i Jesosy: “Na manam-be aza ny olona, dia tsy miankina amin’ny zavatra ananany ny ainy.” (Lioka 12:15) Tena mino an’izany ve ianao? Ny zavatra andanianao ny volanao no ahitana an’izany.—Toro lalan’ny Baiboly: 1 Timoty 6:8.

Ovao izay tokony hovana. Hoy i Aaron, roa taona nanambadiana: ‘Hoatran’ny tsy mampaninona amin’ny voalohany ny misakafo any amin’ny hotely, na ny mividividy entana. Hitany ihany anefa izany raha efa ho lava. Tsy maintsy najanonay àry ny zavatra sasany, satria tsy araky ny volanay.’

a Mahasoa ny mpivady rehetra ny torohevitra ato, na dia ny mpivady vao aza no tena resahina.

b Soraty foana izay vola mivoaka ka ataovy anatin’ireo valopy, na dia mandoa vola amin’ny seky na telefaonina na zavatra hafa aza ianao.

ANDININ-TENY FOTOTRA

  • ‘Aoka ianareo ho tsara fanahy amin’ny namanareo avy, ka hangoraka sy hifamela heloka tanteraka.’—Efesianina 4:32.

  • ‘Iza aminareo no te hanorina tilikambo nefa tsy mipetraka aloha manao kajy ny amin’izay ho lany?’—Lioka 14:28.

  • “Raha manan-kanina sy fitafiana ary fialofana isika, dia aoka hianina amin’izany.”—1 Timoty 6:8.

MICAH SY MEGAN

“Na dia ny iray ihany aza no tena mitantam-bola dia tokony samy haharaka tsara ny fandehan’ny vola ianareo. Hisoroka olana lehibe ianareo raha mifampiresaka tsara.”

DAVID SY NATALEINE

“Aleo foana mitsinjo ny vodiandro ho merika. Tsy voatery holanina daholo akory izay vola any amin’ny banky. Tsara ny manao tahiry, sao misy ilana vola tampoka.”

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara