FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g 8/14 p. 8-9
  • Aza Mampihanta Zanaka

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Aza Mampihanta Zanaka
  • Mifohaza!—2014
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • OLANA
  • Manomeza fanabeazana ireo zanakao hatramin’ny vao fahakelezany indrindra
    Ny Fomba Hahitana Fiainam-pianakaviana Sambatra
  • Ahoana no Azonao Iarovana ny Zanakao?
    Mifohaza!—2007
  • Tezao ny zanakareo mba hamboleny fitiavam-pivavahana
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1985
  • Ampianaro Hankatò ny Zanakao
    Mifohaza!—2015
Hijery Hafa
Mifohaza!—2014
g 8/14 p. 8-9
Ankizilahy kely manakatra kilalao ao anaty fivarotana fa tsy avelan’ny dadany haka an’ilay izy

HO AN’NY FIANAKAVIANA | FITAIZANA

Aza Mampihanta Zanaka

OLANA

Mila vaniny be ny zanakao, satria misy zavatra tadiaviny nefa tsy omenao. Tsy manaiky mihitsy izy na inona na inona ataonao, ka manomboka leo be ianao. Mba hentitra ihany ianao amin’ny voalohany hoe tsy izay sitrapony foana no hatao. Tsy aritrao intsony anefa ilay izy amin’ny farany, ka lasa manaiky tsy sazoka ianao.

Inona no azonao atao rehefa mitranga ny hoatr’izany? Ireto aloha misy zavatra tsara ho fantatrao.

TSARA HO FANTATRA

Tsy hoe ratsy fanahy ianao raha tsy manaiky. Misy ray aman-dreny mihevitra fa tsy mety ny mandà rehefa mangataka zavatra ny ankizy. Aleo, hono, aloha manazava, na mampisaintsaina, na miady varotra kely hoe tsy aleo mba zavatra hafa. Matahotra mantsy izy ireo sao ho tezitra ny zanany.

Marina fa tsy ho faly ny zanakao rehefa tsy omenao izay angatahiny. Mampianatra azy anefa ianao amin’izany hoe tsy izay rehetra tiany akory dia ho azony daholo amin’ny fiainana. Tadidio koa fa raha tsy hentitra ianao dia tsy hanaja ny fahefanao izy. Hidongy foana izy rehefa te hahazo zavatra, satria fantany fa tsy maintsy hanaiky ny sitrapony ianao. Rehefa mandeha ny fotoana, dia ho tsapany hoe tsy mba mitana ny hevitrao ianao fa milefitra foana. Ahoana moa no hanajany anao amin’izany?

Hihamatotra izy raha tsy ampihantaina. Tokony ho fantany fa tsy izay tiany foana no atao. Rehefa lasa tanora izy, dia tsy atahorana loatra hoe hifoka rongony na hanao firaisana na dia misy mampirisika aza.

Rehefa lasa olon-dehibe koa izy, dia mba ho mato-tsaina. Hoy ny Dr. David Walsh: “Na isika [olon-dehibe] aza tsy afaka ny hahazo izay rehetra tiantsika. Dia ny zanatsika ve avelantsika hino hoe izay tiany dia ho azony foana, na inona na inona? Tsy hanampy azy mihitsy isika raha izany!”a

INONA NO AZONAO ATAO?

Mifantoha amin’ny tanjonao. Tianao ho lasa olon-dehibe matotra sy mahavita zavatra ary mahafehy tena ny zanakao. Tsy ho tratranao izany tanjonao izany raha omenao azy daholo izay tadiaviny. ‘Raha ampihantaina hatramin’ny fahakeliny’ ny ankizy, hoy ny Ohabolana 29:21, “dia tsy hahay hankasitraka izy rehefa any aoriana any.” Azo lazaina hoe mahay mitaiza àry ianao, raha tsy manaiky izay rehetra angatahiny. Hahasoa azy izany fa tsy hanimba azy.—Toro lalan’ny Baiboly: Ohabolana 19:18.

Aoka ianao ho hentitra. Manana fahefana amin’ny zanakao ianao, fa tsy hoe mitovy ianareo. Aza ilaozana miady hevitra aminy àry, satria tsy mila miera aminy ianao. Marina fa rehefa mihalehibe izy dia mila mampiasa ny ‘fahaizany misaina’, mba hahay “hanavaka ny tsara sy ratsy.” (Hebreo 5:14) Azonao atao àry ny mampisaintsaina azy. Aza miady hevitra ela be aminy anefa. Tsy voatery hohazavainao mantsy hoe nahoana no tsy ekenao izay angatahiny. Raha ilaozanao mifamaly aminy eo, dia vao mainka izy hieritreritra hoe tsy hentitra ianao fa mbola te hanome safidy azy.—Toro lalan’ny Baiboly: Efesianina 6:1.

Aza miova hevitra: Mety hidongy be ny zanakao, sao mba miova hevitra ihany ianao. Inona àry no azonao atao? Hoy ilay boky hoe Tiavo ny Zanakao nefa Aza Ampihantaina (anglisy): ‘Aza mihaino azy eo fa asaivo mandeha izy. Teneno, ohatra, izy hoe: “Raha te hidongy ianao dia mandehana any ambadika any fa tsy eto imasoko eto. Ary rehefa reraka dia mijanòna.”’ Mety ho sarotra aminao izany amin’ny voalohany. Ho mafy be amin’ny zanakao koa ilay izy, kanefa tsy hila vaniny be intsony izy rehefa hitany fa tena hentitra ianao.—Toro lalan’ny Baiboly: Jakoba 5:12.

Tsy tsara raha lavinao foana izay angatahin’ny zanakao, satria fotsiny hoe mba te hampiseho ny fahefanao ianao

Mahaiza mandanjalanja. Tsy tsara raha lavinao foana izay angatahin’ny zanakao, satria fotsiny hoe mba te hampiseho ny fahefanao ianao. Ilaina kosa ny “mandanjalanja.” (Filipianina 4:5) Ekeo ihany àry ny fangatahany raha zavatra mba ilainy ilay izy, sady tsy hoe midongy be izy.—Toro lalan’ny Baiboly: Kolosianina 3:21.

a Nalaina tao amin’ilay boky hoe Aza Mampihanta Zanaka: Fa Nahoana ary Amin’ny Fomba Ahoana? (anglisy).

ANDININ-TENY FOTOTRA

  • “Faizo ny zanakao dieny mbola misy fanantenana.”—Ohabolana 19:18.

  • “Ianareo zanaka, ankatoavy ny ray aman-dreninareo.”—Efesianina 6:1.

  • “Rehefa Eny dia Eny, rehefa Tsia dia Tsia.”—Jakoba 5:12.

  • “Aza mampahatezitra ny zanakareo, mba tsy ho kivy izy.”—Kolosianina 3:21.

NAHOANA NO TSY MAHASOA NY MAMPIHANTA ZANAKA?

“Marina fa tiantsika ho falifaly sy ho miramirana foana ny zanatsika. Tadidio anefa fa tsy mahay mitaiza ianao raha tsy mba tezitra na diso fanantenana aminao mihitsy ny zanakao. Ahoana moa no hahaizany hiatrika ny fiainana, raha mbola tsy nahatsapa an’izany mihitsy izy? Ho vitany ve ny hifehy tena, raha tsy nampianarinao izy? Aza ampihantaina àry ny zanakao, raha tianao hahay hiatrika ny fiainana.”—Pr. David Walsh.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara