FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g 10/14 p. 7
  • Topy Maso Eran-tany

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Topy Maso Eran-tany
  • Mifohaza!—2014
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Etazonia
  • Inde
  • Soisa
  • Saikinosin’i Somalia
  • Loha Hevitra ato Anatiny
    Mifohaza!—2012
  • Loha Hevitra ato Anatiny
    Mifohaza!—2012
  • Loha Hevitra ato Anatiny
    Mifohaza!—2012
  • Lahatsoratra “Manontany ny Tanora” ao Amin’ny Mifohaza!
    Manontany ny Tanora
Hijery Hafa
Mifohaza!—2014
g 10/14 p. 7

TOPY MASO ERAN-TANY

Etazonia

Bala elektronika miraikitra amin’ny fiara

Mampiasa teknika vaovao ny polisy sasany rehefa manenjika fiara. Efa misy fitaovana manokana mipetaka eo aloha amin’ny fiarany. Tifiriny amin’izy io ilay fiara henjehina ka misy bala elektronika miraikitra aminy. Arahina amin’iny ny lalan’ilay aotomobilina, ka tsy voatery mandeha mafy ny polisy rehefa manenjika azy. Mba mihena ny lozam-piarakodia amin’izay.

Inde

Vehivavy karàna

Ny vehivavy indray no manome vodiondry rehefa hanambady. Tamin’ny 2012 anefa, dia vehivavy 8 200 mahery no nisy namono satria tsy ampy an’ilay lehilahy, na ny fianakaviany, hono, ny vola nomeny. Voalaza fa vehivavy iray isan’ora no misy mamono, noho io resaka io. Marihina anefa fa voararan’ny lalàna io fomba karàna io.

Soisa

Karazana sidintsidina

Nasiana fitaovana elektronika kely ny tongotry ny vorona telo, izay karazana sidintsidina. Hita àry hoe nanidina foana izy ireo nandritra ny enim-bolana mahery, ary tsy nipetraka mihitsy. Nankany Afrika izy ireo tamin’io, satria efa avy nanatody. Ny biby any an-dranomasina ihany anefa no noheverina fa mandeha lavitra be sy tsy an-kijanona hoatr’izany.

Saikinosin’i Somalia

Kisary mampiseho ny isan’ny sambo sy ny vola azon’ny jiolahy

Teo anelanelan’ny Aprily 2005 sy Desambra 2012 dia sambo 179 no lasan’ny jiolahin-tsambo, tany amin’ny manodidina ny Saikinosin’i Somalia. Tsy navotsotr’izy ireo ny sambo sy ny olona, raha tsy nandoa vola ny tompony. Efa 413 tapitrisa dolara no azon’izy ireo tamin’izany, araka ny Banky Iraisam-pirenena.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara