FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g 11/14 p. 3
  • Topy Maso Eran-tany

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Topy Maso Eran-tany
  • Mifohaza!—2014
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Ekoatera
  • Japon
  • Zimbabwe
  • Aostralia
  • Vanja Milevina — Fanombanana ny Fahavoazana Aterany
    Mifohaza!—2000
  • Azo Antoka ve fa Tsy Misy VIH ny Ra efa Natao Fitiliana?
    Mifohaza!—2008
  • Ilaina Maika ny Fanafodin’ny SIDA!
    Mifohaza!—2004
  • Fandrosoana eo Amin’ny Ady Atao Amin’ny SIDA
    Mifohaza!—2004
Hijery Hafa
Mifohaza!—2014
g 11/14 p. 3

TOPY MASO ERAN-TANY

Ekoatera

Ala any Amazonia

Tsy navelan’ny fanjakana hitrandrahana solika ny ala mirefy 10 000 kilaometatra toradroa eo ho eo any Amazonia, tamin’ny 2007. Nikasa hanokana vola mantsy izy ireo, mba hiarovana an’io ala voajanahary io. Tsy tanteraka anefa izany, satria tsy nanome vola ny mpamatsy vola iraisam-pirenena. Marihina fa io faritra io no anisan’ny be karazana biby sy zavamaniry indrindra eran-tany.

Japon

Dokotera mitazona kitapon-dra

Nilaza ny gazety The Japan News fa tsy voatery ho hita amin’ny fitiliana foana hoe misy tsimokaretina ao anaty ra. Nisy lehilahy 60 taona mahery, ohatra, tamin’ny 2013, lasa voan’ny tsimokaretina VIH satria nampidiran-dra. Raha vao haingana mantsy ny olona manome ra no voan’ny tsimokaretina, dia mbola tsy betsaka ny virosy ao anatiny ka tsy hita amin’ny fitiliana.

Zimbabwe

Lehilahy bory tongotra satria nipoahan’ny vanja milevina tany Zimbabwe

Efa 30 taona mahery izao no tsy nisy ady anaty akata intsony tany, nefa mbola be dia be no ipoahan’ireo vanja milevina any amin’ny sisin-tanin’i Zimbabwe sy Mozambika. Milaza, ohatra, ny Komity Iraisam-pirenen’ny Vokovoko Mena fa “nanomboka tamin’ny 1980, dia olona 1 500 mahery sy biby 120 000 no maty, ary olona 2 000 no lasa nanan-takaitra, satria nipoahan’ny vanja milevina.”

Aostralia

Alika mipetraka eo anelanelan’ny mpivady nisaraka

Asehon’ny fanadihadiana fa rehefa misaraka ny mpivady, dia be dia be no miady eny amin’ny fitsarana mba hitaiza ny biby ao an-trano, toy ny saka na alika. Heverina ho fananana iombonana koa mantsy izy ireny. Lasa iadiana koa àry izy ireny, ankoatra ny trano sy tany, vola, ary zavatra hafa.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara