FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g 5/15 p. 12-13
  • Al-Khwarizmi

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Al-Khwarizmi
  • Mifohaza!—2015
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • “ANDRAREZIN’NY MATEMATIKA ARABO”
  • NIELY BE NY MATEMATIKA ARABO
  • Loha Hevitra ato Anatiny
    Mifohaza!—2015
  • Ahoana no Nahatonga ny Teny Arabo ho Fitenin’ny Avara-pianarana?
    Mifohaza!—2012
  • Mpandinika Kintana Tena Nahay
    Mifohaza!—2012
  • Nitady Fahendrena ny Mpanjaka Iray
    Mifohaza!—2007
Hijery Hafa
Mifohaza!—2015
g 5/15 p. 12-13
Tsangambaton’i al-Khwarizmi

FIANARANA AVY TAMIN’NY LASA

Al-Khwarizmi

BETSAKA no mampiasa tarehimarika hindoa-arabo rehefa milanja na mikaonty vidin’entana. Toa tany Inde no nampiasaina voalohany ny tarehimarika zero ka hatramin’ny sivy. Ireo manam-pahaizana tamin’ny taona 500 ka hatramin’ny 1500 tany ho any no nampiely azy ireny tany amin’ny tany tandrefana, ary soratra arabo no nampiasain’izy ireo. Anisan’ny tena nalaza tamin’izy ireny i Mohammed ibn-Musa al-Khwarizmi. Toa tany Ouzbékistan izy no teraka, tamin’ny taona 780 tany ho any, ary nantsoina hoe “andrarezin’ny matematika arabo.” Nahoana?

“ANDRAREZIN’NY MATEMATIKA ARABO”

Nanoratra mahakasika ny fomba azo ampiasana ny isa tafolo (nombre décimal) i al-Khwarizmi. Nanazava teknika hamahana olana amin’ny matematika koa izy, ary lasa nalaza be izany. Nohazavainy tao amin’ilay asa sorany hoe Kitab al-jabr wa’l-muqabala na Bokin’ny Fanavaozana sy Fampifandanjana ilay teknika. Avy amin’ilay teny hoe al-jabr ilay teny hoe alzebra. Nilaza i Ehsan Masood, mpanoratra momba ny siansa, fa ny alzebra ‘no tena ilaina indrindra amin’ny matematika, sady ahafahana manaporofo ny tsipiriany rehetra amin’ny siansa.’a

Intỳ misy ohatra mampiseho fa tena tsotra ny tarehimarika arabo: Ny isa 188 dia CLXXXVIII amin’ny tarehimarika romanina.

Nilaza ny mpanoratra iray hoe “satrin’ny mpianatry ny lise raha tsy nanao an’ireny fikarohana ireny” i al-Khwarizmi. Ny tanjon’i al-Khwarizmi anefa dia ny hamorona teknika vaovao mba hanamorana ny kajy eo amin’ny resaka varotra, fizarana lova, fandrefesana tany, sy ny sisa.

Tena nankasitraka ny zava-bitan’i al-Khwarizmi ny mpahay matematika tandrefana toa an’i Galilée sy Fibonacci, taonjato maro tatỳ aoriana. Nazava tsara mantsy ny fanazavany momba ny fampiasana fampimirana (équation). Nahafahana nanao fikarohana hafa teo amin’ny alzebra sy ny kajy ary ny fikajiana zoro ireny fanazavana ireny. Afaka nikajy ny zoro sy ny lafin’ny telozoro àry ireo manam-pahaizana tany atsinanan’ny Ranomasina Mediterane, sady afaka nianatra bebe kokoa momba ny kintana sy ny planeta.b

Ny alzebra no ‘tena ilaina indrindra amin’ny matematika’

Nahavita namorona fomba vaovao ampiasana ny isa misy ampaha (fraction décimale) ny manam-pahaizana rehefa nampiasa ny voka-pikarohan’i al-Khwarizmi. Nahita teknika vaovao hikajiana velarana sy hadiry koa izy ireo. Efa ela ireo mpanao mari-trano sy mpanao trano tany atsinanan’ny Ranomasina Mediterane no nahay an’ireny teknika avo lenta ireny. Nandritra ny adin’ny Kristianina sy ny Silamo kosa ny Tandrefana vao nahay azy ireny. Nentiny tany amin’ny taniny avy eo ny zavatra hainy. Nanampy azy ireo koa ireo Silamo nahita fianarana azony babo sy ireo nifindra monina.

NIELY BE NY MATEMATIKA ARABO

Nadika tamin’ny teny latinina ny bokin’i al-Khwarizmi, tatỳ aoriana. Ilay mpahay matematika italianina atao hoe Fibonacci (1170-1250 tany ho any) no nahatonga ny tarehimarika hindoa-arabo hiely tany Eoropa. Nahay azy ireny izy rehefa nitety ny faritr’i Mediterane. Nanoratra an’ilay hoe Boky Momba ny Kajy (latinina) izy avy eo.

Taonjato maro tatỳ aoriana vao nalaza ny zava-bitan’i al-Khwarizmi. Ny teknika noforoniny anefa izao no andry iankinan’ny siansa sy ny teknolojia. Tsy lazaina intsony ny varotra sy ny indostria.

a Aseho amin’ny litera x na y ny isa tsy fantatra, amin’ny alzebra. Intỳ misy ohatra iray: x + 4 = 6. Raha ampifanalana ny isa 6 sy 4 dia hanome hoe x mira 2.

b Ireo manam-pahaizana grika momba ny kintana sy ny planeta no voalohany nikajy ny zoro sy ny lafin’ny telozoro. Nampiasain’ireo manam-pahaizana silamo izany mba hamantarana ny toerana misy an’i Lameka. Tia mitodika any Lameka mantsy ny Silamo rehefa mivavaka. Araka ny fomban-drazan’izy ireo koa, dia mila atodika any Lameka ny faty rehefa alevina, ary tsy maintsy mitodika any ny mpivaro-kena silamo rehefa mamono biby.

TSARA HO FANTATRA

  • Efa tamin’ny taona 200 Talohan’i Kristy tany ho any no nampiasaina tany Inde ny tarehimarika niavian’ireo isa ampiasaintsika ankehitriny.

  • Nampianatra matematika tao an-dapan’ny Mpanjaka al-Mansur, tany Bagdad, ireo manam-pahaizana hindoa tatỳ aoriana.

  • Nanazava momba ny rafitra tafolo (système décimal) i al-Khwarizmi ao amin’ilay bokiny hoe Kajy Ampiasana An’ireo Tarehimarika Indianina (latinina). Boky tranainy no nakany hevitra, anisan’izany ny boky grika sy hebreo ary hindoa.

Lova Sarobidy

“Namela lova maro be sy tsy azo iadian-kevitra ireo manam-pahaizana [tany atsinanan’ny Ranomasina Mediterane], raha ny tarehimarika sy ny matematika no resahina.”—Ny Siansa sy ny Fivavahana Silamo, anglisy, nosoratan’i Ehsan Masood.

“Mety ho fomba fanoratra natambatambatra avy any amin’ny firenena samy hafa ireo tarehimarika ampiasain’ny Tandrefana amin’izao. I Inde anefa no firenena voalohany nampiasa ny ankamaroan’ireny tarehimarika ireny.”—Rakipahalalana Britannica ao Amin’ny Internet, anglisy.

‘Lasa nalaza tany Eoropa ny tarehimarika hindoa-arabo nanomboka tamin’ny taona 1400 tany ho any.’—Rakipahalalana Momba ny Fiaraha-monina sy ny Kolontsaina Fahiny, anglisy.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara