FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g 10/15 p. 12-13
  • Ahoana Raha Tsy Maintsy Miverina Mody Ianao?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ahoana Raha Tsy Maintsy Miverina Mody Ianao?
  • Mifohaza!—2015
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • OLANA
  • Efa Vonona Hiala ao An-trano ve Aho?
    Mifohaza!—2010
  • Hiala ato An-trano Ihany ve Aho sa Tsia?
    Manontany ny Tanora—Torohevitra Mahasoa, Boky Voalohany
  • Ahoana no Hahaizako Hitsitsy Vola?
    Manontany ny Tanora
  • Ahoana no Hahaizako Mitsitsy Vola?
    Mifohaza!—2006
Hijery Hafa
Mifohaza!—2015
g 10/15 p. 12-13
Sokafan’izy mivady ny varavarana rehefa nody ilay zanany lahy efa lehibe

HO AN’NY FIANAKAVIANA | TANORA

Ahoana Raha Tsy Maintsy Miverina Mody Ianao?

OLANA

Betsaka ny tanora niala tao an-tranon’ny ray aman-dreniny fa te hahaleo tena. Lasa nanana olana ara-bola anefa izy ireo ka voatery niverina nody. Izany koa ve no nahazo anao?

Mety ho sarotra ny miverina mody na dia tianao aza ny dadanao sy mamanao. Hoy, ohatra, ny tovovavy atao hoe Sarah:a “Lasa natoky tena kokoa aho rehefa nitokan-trano satria tsy voatery niantehitra tamin’ny hafa. Lasa hoatran’ny ankizikely indray anefa aho rehefa niverina nody.” Toy izany koa no tsapan’ny tovolahy iray atao hoe Mahandry. Hoy izy: “Tsy te hiverina any an-trano aho nefa tsy vitako intsony ny namelon-tena. Kivy be aho.”

Hanampy anao ho tafarina indray ity lahatsoratra ity raha izany no mahazo anao.

INONA NO MAHATONGA AN’ILAY OLANA?

Vola. Tanora maro no diso fanantenana rehefa mahita hoe sarotra ny mamelon-tena. Hoy ihany i Mahandry: “Lany tamin’ny fivelomana ny tahiriko.” Izany koa no nahazo an’i Felana. Niala tao an-tranon’ny ray aman-dreniny izy tamin’izy 24 taona ary nody rehefa afaka herintaona sy tapany. Hoy izy: “Tokony ho nahay nitantam-bola aho. Tsy nanam-bola aho tamin’izaho niala tao an-trano, ary bokan’ny trosa rehefa nody.”b

Asa. Na dia efa maty paika aza ny zavatra kasainao hatao mba hameloman-tena, dia mety ho rava izany rehefa very asa ianao. Izany no nanjo an’i Felana. Hoy izy: “Nianatra momba ny fitsaboana aho ary nahazo diplaoma. Nanatona fikambanana nanampy ahy hahita asa aho tatỳ aoriana. Very anefa ilay asako ka tapi-dalan-kaleha aho. Tsy nisy asa hafa nifanaraka tamin’ny fahaizako mantsy tany amin’ilay tanàna ambanivohitra nisy ahy.”

Fahadisoam-panantenana. Misy tanora tonga dia miditra eo amin’ny sehatry ny asa nefa tsy vonona akory. Matetika no sarotra kokoa noho ny nieritreretany azy ilay asa. Tsy mahafinaritra be araka ny nantenainy koa ilay hoe mahaleo tena. Tsy nampoiziny hoe tsy mora izany lasa olon-dehibe izany.

INONA NO AZONAO ATAO?

Resaho amin’ny ray aman-dreninao fa hody ianao. Iaraho midinika hoe: Hafiriana ianao no hijanona ao an-trano? Ahoana no hataonao mba handraisana anjara amin’ny fandaniana? Inona no raharaha azonao atao? Inona no hataonao mba hahatonga anao hahaleo tena indray? Tadidio fa mila manaraka ny fitsipika apetraky ny ray aman-dreninao ianao rehefa miverina any aminy, na firy taona ianao na firy taona.—Toro lalan’ny Baiboly: Eksodosy 20:12.

Mianara mitantam-bola. Hoy ny boky Torohevitra Momba ny Fitantanam-bola ho An’ny Tanora sy ny Mpianatry ny Oniversite (anglisy): ‘Arakaraka ny fomba andanianao ny volanao no ahitana raha mahay mitantam-bola ianao na tsia. Mila azonao tsara hoe tsy tokony handany vola amin-javatra tsy tena ilainao ianao.’—Toro lalan’ny Baiboly: Lioka 14:28.

Mangataha torohevitra. Afaka manome torohevitra anao hahay hampiasa vola sy hitantam-bola ary handoa trosa ny ray aman-dreninao na ny olon-dehibe hafa. Hoy ny tovovavy atao hoe Lisy: “Nila namerina nianatra ny zavatra tsotra indrindra aho. Nisy namako iray nanampy ahy hanao lisitra ny zavatra nandaniako vola. Tsy nampoiziko hoe zavatra tsy tena nilaina no tena nandaniako vola! Nianatra nifehy tena koa aho satria toetra tena ilaina izany raha te hahaleo tena.”—Toro lalan’ny Baiboly: Ohabolana 13:10.

Tadidio fa tsy ny asa ataonao no tena zava-dehibe fa ny ezaka ataonao mba hahaizana tsara an’ilay izy

Miezaha hitady asa. Ampiasao hitadiavana asa ny fotoana niasanao taloha. Mitandrema anefa satria mety hisy olona hiteny hoe: “Izay asa nonofinofisinao atao.” Lasa voafetra mantsy ny asa azonao fidina raha manao an’izany ianao, ary na dia efa misy asa aza eo dia tsy hitanao akory. Aza mifantoka amin’ny karazana asa iray fotsiny rehefa mitady asa. Tadidio fa tsy ny asa ataonao no tena zava-dehibe fa ny ezaka ataonao mba hahaizana tsara an’ilay izy. Hita mantsy fa lasa tia kokoa ny asany ny olona iray rehefa mitombo ny traikefany. Afaka ny ho tia an’ilay asa ataonao ianao, na dia tsy ilay asa tianao hatao aza ilay izy.

a Novana ny anarana ato.

b Miatrika olana mitovy amin’izany koa ny mpianatry ny oniversite any Etazonia. Milaza ny tatitra nataon’ny Gazetin’i Wall Street (anglisy) fa 33 000 dolara eo ho eo (100 tapitrisa ariary mahery) ny trosan’ny mpianatra iray mandra-pahavitan’ny fianarany.

ANDININ-TENY FOTOTRA

  • “Hajao ny rainao sy ny reninao.”—Eksodosy 20:12.

  • ‘Iza aminareo no te hanorina tilikambo nefa tsy mipetraka aloha manao kajy ny amin’izay ho lany, mba hahitana raha manana ny ampy hamitana azy izy, na tsia?’—Lioka 14:28.

  • ‘Hendry izay mila hevitra amin’ny hafa.’—Ohabolana 13:10.

HO AN’NY RAY AMAN-DRENY

Ampiofano hahay zavatra sasany ny zanakao dieny mbola ao an-trano, satria ilainy izany rehefa mahaleo tena izy. Anisan’izany ny fifandraisana amin’olona, ny fitantanam-bola (ohatra hoe tsy mandanilany vola fa mba manangona), ary ny raharaha ao an-trano (ohatra hoe mahandro, mipasoka, manasa lamba, na manamboamboatra zavatra).

Raha mila fanazavana fanampiny, dia jereo ny pejy 305 sy 306 amin’ny boky “Manontany ny Tanora—Torohevitra Mahasoa”, Boky Voalohany, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Misy ao amin’ny www.pr2711.com/mg koa izy io. Jereo ao amin’ilay hoe ZAVATRA MISY > BOKY SY BOKIKELY.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara