FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g 11/15 p. 3-6
  • Hanao Ahoana ny Hoavin’ny Fivavahana?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Hanao Ahoana ny Hoavin’ny Fivavahana?
  • Mifohaza!—2015
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Nahoana no betsaka no miala amin’ny fivavahana?
  • Tanteraka ny faminaniana
  • “Mivoaha avy ao aminy”
  • Iza moa i Babylona Lehibe?
    Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly
  • Babylona Lehibe — Ny fianjerany sy ny fitsarana azy
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1989
  • “Mivoaha eo aminy”
    Ny Fahamarinana Izay Mitarika ho Amin’ny Fiainana Mandrakizay
  • Fanafahan-tena avy Amin’ny Fivavahan-diso
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1992
Hijery Hafa
Mifohaza!—2015
g 11/15 p. 3-6

MATOAN-DAHATSORATRA

Hanao Ahoana Ny Hoavin’ny Fivavahana?

Fianakaviana mijoro eo ivelan’ny trano fivavahana mihidy

Teraka tany Torkia i Gaffar. Sahiran-tsaina izy satria nampianarin’ny fivavahany fa tia manasazy Andriamanitra. Lasa tsy natoky ny fivavahany koa i Hediye vadiny, tamin’izy sivy taona. Hoy izy: “Nampianarina hino ny lahatra aho. Kamboty aho, ka lasa ny saiko hoe: ‘Fa inona no nataoko no dia hoatr’izao ny fiainako?’ Matetika aho no nitomany nandritra ny alina. Tsy te hiangona intsony aho rehefa 15 taona.”

LEO amin’ny ataon’ny fivavahana koa ve ianao? Maro no toy izany. Mihabetsaka mantsy ny olona milaza ho ‘tsy mpivavaka’ any amin’ny tany maro, ka mampanahy ny hoavin’ny fivavahana. Resahina etsy ambany ny sasany amin’ireo tany ireo.

AFRIKA ATSIMO

Nihena 19 isan-jato ny olona nilaza fa mpivavaka tany Afrika Atsimo, teo anelanelan’ny 2005 sy 2012.

AOSTRALIA

Hita tamin’ny fanadihadiana fa efa ho ny antsasaky ny mponina no nilaza fa tsy mpivavaka, ary ny ampahafolony kosa tsy mino an’Andriamanitra. Nitaraina ny mpitondra fivavahana iray tamin’ny 2010 fa “be dia be mihitsy ny olona niala tamin’ny finoana kristianina tao anatin’ny 40 taona lasa.”

ETAZONIA

Nihena 13 isan-jato ny isan’ny olona nilaza fa mpivavaka, nanomboka tamin’ny 2005. Tsy manana fivavahana ny 1 amin’ny olona 5 nadinadinina. Iray amin’ny olona 3 no hoatr’izany, ho an’ireo olon-dehibe latsaka ny 30 taona. Fiangonana an’arivony, isan-taona, no lasa tsy ampiasaina intsony.

FRANTSA

Ny ampahatelony mahery amin’ireo nadinadinina no nilaza fa mpivavaka. Ny ambiny kosa tsy mino an’Andriamanitra na tsy tia fivavahana fotsiny. Nahazo vahana tao amin’io firenena io ny Fivavahana Katolika taloha, nefa “efa hanjavona” izy io izao, hoy ny gazetiboky Toe-karena (anglisy).

IRLANDY

Toy ny hoe indray niala tamin’ny finoana ny Irlandey. Ny antsasany latsaka tamin’ireo nadinadinina no nilaza fa tsy mpivavaka. Ny ampahafolony kosa nilaza fa tsy mino an’Andriamanitra. Anisan’ireo tany folo voalohany be olona tsy mino an’Andriamanitra indrindra i Irlandy. Resahin’ny vaovao fa “tsy mahazo vahana any Irlandy intsony ny Fivavahana Katolika.”

JAPON

Ny 16 isan-jaton’ireo Japoney nadinadinina fotsiny no nilaza fa mpivavaka. Ny 62 isan-jato no nilaza fa tsy mpivavaka na tsy mino an’Andriamanitra.

TONIZIA

Ny 60 isan-jato teo ho eo amin’ireo nadinadinina tamin’ny 2013 no nilaza fa tsy miangona any amin’ny mosquée intsony. Aleony, hono, mivavaka any an-trano satria resaka herisetra foana no voizina any.

VIETNAM

Ny 53 isan-jato tamin’ireo olona nadinadinina tamin’ny 2005 no nilaza fa mpivavaka, nefa lasa 30 isan-jato izany tamin’ny 2012.

Nalaina avy tao amin’ilay hoe Antontan’isan’ny Olona Tia Fivavahana sy Tsy Mino An’Andriamanitra tamin’ny 2012 ireo antontan’isa rehetra ireo, afa-tsy ny an’i Tonizia. Firenena 57 no nanaovana fanadihadiana, izany hoe ny 73 isan-jato mahery amin’ny mponina eran-tany.

Sarintany ahitana an’i Afrika Atsimo, Aostralia, Etazonia, Irlandy, Japon, Tonizia, ary Vietnam

Nahoana no betsaka no miala amin’ny fivavahana?

Diso fanantenana amin’ny fivavahana ny olona noho ny antony maro. Miditra amin’ny ady sy ny fampihorohoroana, ohatra, izy ireny, na mankasitraka an’izany. Misy koa mpitondra fivavahana mametaveta ankizy. Tsy izay ihany anefa no mahatonga ny olona hiala amin’ny fivavahana. Ireto misy antony hafa:

  • Ny harena: Hoy ny boky Antontan’isan’ny Olona Tia Fivavahana sy Tsy Mino An’Andriamanitra (anglisy): “Mihalefy ny fitiavanao fivavahana rehefa mitombo ny harenanao.” Misongadina izany any amin’ny tany maro, satria betsaka no lasa mpanankarena tampoka. Hoy i John Nye, mpampianatra ekonomia: “Tena mpanefohefo ny olona any amin’ny tany sasany, ka na ny mpanjaka nalaza indrindra tamin’ny 200 taona lasa aza hitsiriritra azy.”

    INONA NO LAZAIN’NY BAIBOLY? Voalaza ao fa tsy ho tia an’Andriamanitra sy ny namany ny olona amin’ny “andro farany”, fa ho tia vola sy fahafinaretana. (2 Timoty 3:1-5) Fantatry ny mpanoratra Baiboly iray fa mampidi-doza ny harena. Hoy àry izy tamin’i Jehovah Andriamanitra: ‘Aza atao mahantra aho, nefa aza atao manankarena koa. Sao ho voky aho ka handa anao.’—Ohabolana 30:8, 9.

  • Ny zavatra ataon’ny fivavahana: Mihevitra ny olona maro, indrindra fa ny tanora, fa tsy ilaina eo amin’ny fiainana ny fivavahana. Ny hafa indray tsy matoky ny fivavahana intsony. Hoy i Tim Maguire, solontenan’ny Fikambanana Mpandala ny Maha Olona any Ekosy: “Raha mijery ny zavatra nataon’ny fivavahana nandritra ny taonjato maro ianao, dia ho azonao hoe nahoana ny olona no lasa tsy tia fivavahana. Tsy mino intsony izy ireo hoe ny fivavahana no tokony hametraka ny fitsipika momba ny fitondran-tena.”

    INONA NO LAZAIN’NY BAIBOLY? Hoy i Jesosy Kristy momba an’ireo mpampianatra sandoka: ‘Ny voa izay vokariny no hahafantaranareo tsara azy ireny. Ny hazo tsara rehetra dia mamoa voa tsara, ary ny hazo ratsy rehetra kosa mamoa voa ratsy.’ (Matio 7:15-18) Mamoa “voa ratsy” ny fivavahana rehefa miditra amin’ny politika sy mankasitraka an’ireo fanao manala baraka an’Andriamanitra. Anisan’izany ny firaisan’ny samy lehilahy na samy vehivavy. (Jaona 15:19; Romanina 1:25-27) Mamoa “voa ratsy” koa izy ireo rehefa soloany fombafomba sy lovantsofina tsy misy dikany ny fampianarana mahasoa ao amin’ny Soratra Masina. (Matio 15:3, 9) Ary na nilaza aza i Jesosy hoe “fahano ny ondrikeliko”, dia olona maro no mbola mosarena ara-panahy.—Jaona 21:17.

  • Ny fivavahana sy ny vola: Milaza ny Foibem-pikarohan’i Pew fa maro no mahatsapa hoe matim-bola ny fivavahana. Manana fiainana mirenty koa ny mpitondra fivavahana sasany fa tsy toa an’ireo mpivavaka tsotra. Mitrongy vao homana, ohatra, ny ankamaroan’ny mpivavaka ao amin’ny tanàna iray any Alemaina, nefa ny eveka milomano ao anatin’ny harem-be. Katolika maro àry no tsy faly. Milaza koa ny gazetiboky GEO fa “olona 100 tapitrisa no mikarama latsaka ny iray euro isan’andro” any Nizeria, “nefa ny pasitera sasany mpanefohefo be. Manomboka miteraka olana izany.”

    INONA NO LAZAIN’NY BAIBOLY? Hoy i Paoly, mpanoratra Baiboly: ‘Tsy mivarotra ny tenin’Andriamanitra izahay.’ (2 Korintianina 2:17) Nitana andraikitra lehibe teo anivon’ny fiangonana kristianina voalohany i Paoly. Nanao asa tanana anefa izy mba tsy ho enta-mavesatra ho an’ny hafa. (Asan’ny Apostoly 20:34) Nankatoaviny ilay tenin’i Jesosy hoe: “Nahazo maimaim-poana ianareo, ka manomeza maimaim-poana.”—Matio 10:7, 8.

Izany koa no mahatonga ny Vavolombelon’i Jehovah tsy mivarotra boky na gazety, sady tsy mitaky vola rehefa mampianatra Baiboly. Tsy mitaky ampahafolon-karena na rakitra koa izy ireo. Fanomezana an-tsitrapo kosa no ahazoany ny vola ilainy.—Matio 6:2, 3.

Tanteraka ny faminaniana

Tsy noeritreretina mihitsy, tany aloha tany, hoe ho betsaka ny olona hiala amin’ny fivavahana. Efa fantatr’Andriamanitra mialoha anefa izany, ary nolazainy ao amin’ny Baiboly. Nohariny tamin’ny mpivaro-tena antsoina hoe “Babylona Lehibe” ny fivavahana rehetra tsy mankatò azy.—Apokalypsy 17:1, 5.

Mety tsara io anarana io satria mihambo ho mankatò an’Andriamanitra ny fivavahan-diso, nefa miray petsapetsa amin’ny mpitondra mba hahazoana harena sy fahefana. ‘Nijangajanga taminy ny mpanjakan’ny tany’ hoy ny Apokalypsy 18:9. Mety tsara koa ny iantsoana ny fivavahan-diso hoe “Babylona”, satria avy any amin’ny tanànan’i Babylona fahiny ny fampianarana sy ny fombafomba arahin’izy ireo. Anisan’izany ny fampianarana momba ny fanahy tsy mety maty sy ny Andriamanitra telo izay iray. Eo koa ny fanaovana ny asan’ny maizina.a—Isaia 47:1, 8-11.

Mora tamin’ny Medianina sy Persianina ny nandresy ny tanànan’i Babylona rehefa ritra ilay renirano niaro azy. (Jeremia 50:1, 2, 38) Tao anatin’ny iray alina monja dia resy ilay tanàna lehibe.—Daniela 5:7, 28, 30.

“Mipetraka eo ambonin’ny rano maro” koa i Babylona Lehibe. Manondro “olona sy vahoaka” io rano io, izany hoe ireo olona an-tapitrisany manaraka fivavahan-diso. (Apokalypsy 17:1, 15) Milaza ny faminaniana fa rehefa ho ritra io rano an’ohatra io, dia efa akaiky ho rava izay i Babylona. Ao anatin’ny fotoana fohy no hitrangan’izany. (Apokalypsy 16:12; 18:8) Iza no handrava azy? Ireo mpanao politika niray petsapetsa taminy ihany. Hankahala azy mantsy izy ireo ary hihinana ny nofony, izany hoe handroba ny harenany.—Apokalypsy 17:16, 17.b

Lehilahy mamaky Baiboly ary maka sary an-tsaina an’ilay rano niharìtra nanodidina an’i Babylona sy ireo olona miala amin’i Babylona Lehibe

Manondro an’ireo olona be dia be miala avy ao amin’i Babylona Lehibe ilay rano niharìtra manodidina ny tanànan’i Babylona

“Mivoaha avy ao aminy”

Kely sisa dia ho rava i Babylona Lehibe. Nilaza toy izao àry Andriamanitra: “Mivoaha avy ao aminy, ry oloko, raha tsy tianareo ny hiombona ota aminy, ary raha tsy tianareo hisy hanjo anareo ny loza hanjo azy.” (Apokalypsy 18:4) Natao ho an’ny olona toa an’i Gaffar sy Hediye, voalaza terỳ aloha, io fampitandremana io, izany hoe ireo olona te hahazo sitraka amin’Andriamanitra sady sahiran-tsaina noho ny fampianaran’ny fivavahana.

Nihevitra i Gaffar tamin’izy mbola tsy nianatra Baiboly, fa ny tahotra an’Andriamanitra fotsiny no tokony hankatoavana azy. Hoy izy: “Faly aho rehefa nahalala hoe Andriamanitra fitiavana i Jehovah, ary tiany isika raha mankatò azy satria tia azy.” (1 Jaona 4:8; 5:3) Lasa nilamin-tsaina i Hediye rehefa fantany hoe tsy lahatra no nahatonga azy ho kamboty. Nampahery azy ny andinin-teny toy ny Jakoba 1:13, izay milaza fa tsy mitsapa ny olona amin-javatra ratsy Andriamanitra. Nanaiky ny fahamarinana izy sy Gaffar, ary niala avy tao amin’i “Babylona.”—Jaona 17:17.

Rehefa rava i Babylona Lehibe, dia tsy hiharan-doza ireo niala avy tao aminy mba “hivavaka amin’ny Ray araka ny fanahy sy ny fahamarinana.” (Jaona 4:23) Manantena izy ireo fa hahita ny tany ‘ho feno fahalalana an’i Jehovah, toy ny anaronan’ny rano ny fanambanin’ny ranomasina.’—Isaia 11:9.

Hisy farany tokoa ny fivavahan-diso sy ny zava-dratsy ataony, satria “tsy mahay mandainga” Andriamanitra. (Titosy 1:2) Haharitra mandrakizay kosa ny fivavahana marina.

a Raha mila fanazavana fanampiny momba an’i Babylona Lehibe sy izay lazain’ny Baiboly momba an’Andriamanitra sy ny maty ary ny asan’ny maizina, dia jereo ny boky Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly? Misy ao amin’ny www.pr2711.com/mg koa izy io.

b Jereo ilay hoe “Inona no Lazain’ny Baiboly? Ny Faran’izao Tontolo Izao”, ato amin’ity gazety ity.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara