FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g 12/15 p. 16
  • Ny Fahaizan’ny Vatana Manasitrana Fery

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ny Fahaizan’ny Vatana Manasitrana Fery
  • Mifohaza!—2015
  • Mitovitovy Aminy
  • Miresaka ny Finoany Ilay Mpandidy Matihanina
    Mifohaza!—2014
  • Inona no Ranon-javatra Sarobidy Indrindra?
    Mifohaza!—2006
  • Handray Soa Ianao Rehefa Fantatrao hoe Tia Anao Izy
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Besinimaro)—2018
  • Ireo Ratra Vokatry ny Ady
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2001
Hijery Hafa
Mifohaza!—2015
g 12/15 p. 16
Sarin’ny selan’ny ra namboarin’ny mpanao hoso-doko

NISY NAMORONA VE?

Ny Fahaizan’ny Vatana Manasitrana Fery

Tanana nasiana sparadirà

BETSAKA ny zavatra ataon’ny vatana mba hahavelona azy. Anisan’izany ny hoe mahay manasitrana fery sy manavao ny sela simba izy. Vao maratra fotsiny ny olona iray dia efa manomboka ny asany ny vatana.

Diniho izao: Manao asa mifampitohitohy ny sela mba hahasitrana an’ilay fery:

  • Miangona eo amin’ireo tambatsela manodidina an’ilay fery ny plakety. Lasa misy ra mivaingana àry eo, ka mampikatona an’ireo lalan-dra vaky.

  • Mivonto avy eo ilay faritra maratra. Miaro ny vatana amin’ny mikraoba izany ary manala ny loto vokatr’ilay fery.

  • Mandritra ny andro maromaro, dia manomboka manolo an’ireo tambatsela simba ny vatana, manakatona an’ilay fery, ary manamboatra an’ireo lalan-dra simba.

  • Farany, lasa misy holatra eo amin’ilay fery, ary miverina amin’ny laoniny indray ilay faritra naratra.

Rehefa hitan’ny mpikaroka hoe mivaingana ny ra mba hanasitranana fery, dia nanandrana nanamboatra plastika afaka maka tahaka an’izany izy ireo. Nasian’izy ireo fantsona manify kely amin’ireny plastika ireny, ary misy zavatra simika roa mitsiranoka ao anatin’ireo fantsona rehefa misy fahasimbana. Lasa dity ireo zavatra simika ireo rehefa mifangaro. Miparitaka eo amin’ilay faritra simba ilay dity, ka mampikatona ny triatra sy manentsina ny loaka. Rehefa mivaingana ilay dity, dia lasa mafy tsara toy ny teo aloha indray ilay plastika. Niaiky ny mpikaroka iray fa maka tahaka ny zavatra efa misy eo amin’ny zavaboary fotsiny izy ireo amin’io fanandramana ataony io.

Ahoana ny hevitrao? Vokatry ny evolisiona (na fiovana miandalana) ve ny fahaizan’ny vatana manasitrana fery, sa nisy namorona?

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara