FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g16 No. 1 p. 16
  • Ny Fahaizan’ny Horita Miova Loko

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ny Fahaizan’ny Horita Miova Loko
  • Mifohaza!—2016
  • Mitovitovy Aminy
  • Hazavana Mamirapiratra any Anaty Ranomasina
    Mifohaza!—2004
  • Loha Hevitra ato Anatiny
    Mifohaza!—2016
  • Misy Vokany eo Aminao ve ny Loko?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2013
  • Mpiara-belona Iray Tsara Fanahy
    Henoy Ilay Mpampianatra Lehibe
Hijery Hafa
Mifohaza!—2016
g16 No. 1 p. 16
A cuttlefish

NISY NAMORONA VE?

Ny Fahaizan’ny Horita Miova Loko

MISY karazana horita mahavita miova loko mba tsy hahafantarana azy. Mila tsy ho hitan’ny mason’ny olombelona izy rehefa manao an’izany. Milaza ny tatitra iray fa “afaka manovaova ny bikany eo no ho eo io biby io.” Amin’ny fomba ahoana?

Diniho izao: Misy karazana sela ao ambanin’ny hoditr’io horita io, ka iny no ampiasainy mba hanovany ny lokony. Misy kitapo kely be dia be ao amin’ireo sela ireo ary voahodidina hozatra kely izy ireny. Rehefa mila miafina ilay horita dia andefasan’ny atidohany hafatra ireo hozatra kely ireo ka lasa mifintina. Mitatra àry ireo kitapo kely misy loko, ary manova haingana ny bikany sy ny lokony izy. Mety hampiasa an’izany fahaizany izany koa io horita io mba hanintonana an’izay horita tiany halaina ho vady na handefasana hafatra amin’ny biby hafa.

Nanamboatra hoditra mitovitovy amin’ny an’io horita io ny injeniera ao amin’ny Oniversiten’i Bristol, any Angletera. Nasian’izy ireo fingotra boribory teny anelanelan’ny fitaovana kely maromaro, izay mahavita asa mitovitovy amin’ny hozatry ny horita. Rehefa nasiana herinaratra ilay hoditra dia nihafisaka ireo fitaovana kely, nitatra ireo fingotra, ary lasa matroka sy niova loko ilay hoditra.

Mety hahavitana akanjo miova loko ao anatin’ny ampahan-tsegondra ny fikarohana natao momba ny hoditry ny horita. Nilaza ilay manam-pahaizana atao hoe Jonathan Rossiter fa “tena hain’ny zavaboary ny manamboatra an’io hoditra malefaka be io.” Nilaza koa izy fa mety hanao akanjo nalaina tahaka avy amin’io ny olona mba tsy hahafantarana azy na mba hatao lamaody.

Ahoana ny hevitrao? Vokatry ny evolisiona (na fiovana miandalana) ve ny fahaizan’ny horita miova loko, sa nisy namorona?

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara