FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g16 No. 5 p. 16
  • “Hafakely Ilay Fomba Fampianatra!”

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • “Hafakely Ilay Fomba Fampianatra!”
  • Mifohaza!—2016
  • Mitovitovy Aminy
  • Novalian-tsoa ny Fahasahiany
    Mifohaza!—2002
  • Video Vaovao Hanombohana Fampianarana
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2014
  • Ny Vavolombelon’i Jehovah — Ilay Fandaminana ao Ambadik’ilay Anarana
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1992
  • Hatsarao ny Fanompoanao: Ampiasao Ireo Video Rehefa Mampianatra
    Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana—2016
Hijery Hafa
Mifohaza!—2016
g16 No. 5 p. 16
Mpanabe iray any Korea Atsimo mampiseho video avy ao amin’​ny jw.org amin’​ny mpianany

“Hafakely Ilay Fomba Fampianatra!”

MPANABE ao amin’ny lise any Korea Atsimo i Soo-jeong. Mampiasa an’ireo video ao amin’ny tranonkala jw.org izy rehefa mampianatra. Hoy izy: “Gaga be mihitsy ireo mpianatra rehefa avy nijery an’ilay video hoe Inona no Atao hoe Tena Namana? Izao no nolazain’izy ireo: ‘Hay ve hoatr’izany ny tena namana e! Tsy nieritreritra an’izany mihitsy aho taloha. Hafakely ilay fomba fampianatra!’ Nisy aza nilaza fa hijery an’ilay tranonkala isaky ny hitady torohevitra.” Hoy koa i Soo-jeong: “Nampirisihiko hampiasa an’io video io ny mpanabe hafa. Faly be ry zareo fa nahazo fitaovana tsara azo ampiasaina rehefa mampianatra.”

Tena nanampy mpianatra maro tany Korea Atsimo koa ilay video misy kisarisary hoe Tsy Mila Miady Nefa Mandresy! Nampiseho azy io tamin’ny mpianatra iray kilasy ny mpampianatra iray eny amin’ny oniversite, izay miara-miasa amin’ny Fikambanana Miady Amin’ny Herisetra Ataon’ny Tanora. Hoy izy: “Tonga dia nahaliana an’ireo tanora ilay video. Manintona mantsy ilay kisarisary!” Hoy koa izy: “Azo ampiharina tsara ilay video, satria aseho ao izay tokony hatao rehefa misy mampijaly sy ny fomba hisorohana an’ilay olana.” Nangataka alalana hampiasa azy io tany amin’ny sekoly ambaratonga voalohany sy faharoa ilay fikambanana, ary nekena ny fangatahany. Na ny polisy aza mampiasa an’ireo video ao amin’ny jw.org.

Efa nijery an’io tranonkala io ve ianao? Nahoana raha mba miditra ao koa? Tsy sarotra ny mitady fanazavana ao amin’izy io, ary maimaim-poana daholo ny raki-peo, video, boky, ary Baiboly ao.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara