FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g17 No. 4 p. 10-11
  • Rehefa Ary Elatra ny Ankizy

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Rehefa Ary Elatra ny Ankizy
  • Mifohaza!—2017
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • OLANA
  • INONA NO MAHATONGA AN’ILAY OLANA?
  • INONA NO AZONAO ATAO?
  • Inona no Lazain’ny Baiboly Momba ny Fanambadiana?
    Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly
  • Hisaraka ve Izahay na dia Efa Samy Be Taona Aza?
    Ho An’ny Fianakaviana
  • Ampianaro ho Tia An’i Jehovah ny Zanakareo
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2019
  • ‘Aoka ho Mendri-kaja ny Fanambadiana’
    “Mitoera ao Amin’ny Fitiavan’Andriamanitra”
Hijery Hafa
Mifohaza!—2017
g17 No. 4 p. 10-11
Samy ao an-tranony izy mivady fa ralehilahy etsy mijery tele ary ramatoa erỳ manjaitra

HO AN’NY FIANAKAVIANA | FANAMBADIANA

Rehefa Ary Elatra ny Ankizy

OLANA

Mandia fotoan-tsarotra ny mpivady matetika, rehefa lehibe ny zanany ka miala ao an-trano. Hoatran’ny hoe sambany ry zareo vao miara-mipetraka. Hoy i Gary Neuman, manam-pahaizana momba ny fianakaviana: “Ireo mpivady efa nahalehibe anaka no omeko torohevitra. Tsy hitany intsony mantsy izay horesahina na hiarahana manao, ka tsy hainy hoe inona indray no hampifandray am-po azy ireo.”a

Hoatr’izany koa ve ny tokantranonareo mivady? Aza kivy fa mbola azonareo hatsaraina izany. Andeha aloha hojerentsika ny antony sasany mahatonga an’ilay olana.

INONA NO MAHATONGA AN’ILAY OLANA?

Izay hahasoa ny ankizy foana no nimasoana hatramin’izay. Te hanana ny tsara ny ray aman-dreny maro, ka izay hahasoa ny zanany aloha no tadiaviny vao ny azy ireo. Zatra be miantsoroka ny andraikitry ny ray sy ny reny àry izy ireo, ka lasa tsirambina ny fifandraisan’izy mivady. Miharihary izany rehefa lehibe ny ankizy ka miala ao an-trano. Hoy ny vehivavy iray 59 taona: “Niara-nanao zavatra izahay mivady tamin’ny mbola teo ny ankizy.” Fa rehefa lasa ry zareo, dia “samy naka ho azy izahay.” Hoy mihitsy izy tamin’ny vadiny: “Hoatran’ny mifanorisory eto fotsiny isika!”

Misy tsy vonona hiatrika an’ilay fiovana. Hoy ny boky “Ary Elatra ny Ankizy” (anglisy): “Maro ny mpivady mahatsapa hoe hoatran’ny manavao be azy ireo indray ny tokantranony.” Mihevitra izy ireo fa tsy misy zavatra itovizany. Samy manao ny fiainany izy ireo, ka lasa toy ny mpiray trano fotsiny sisa.

Manomboka fiainam-baovao tokoa ianareo. Afaka ny hisoroka an’ireo olana mety haterak’izany anefa ianareo, ka hankafy an’ilay fiovana. Afaka manampy anareo ny Baiboly. Amin’ny fomba ahoana?

INONA NO AZONAO ATAO?

Ekeo ilay fiovana. Milaza ny Baiboly fa “handao ny rainy sy ny reniny” ny ankizy rehefa lehibe. (Genesisy 2:24) Araka izany, dia ny hanampy ny zanakao ho tonga olon-dehibe mahaleo tena no tanjonao. Afaka mirehareha àry ianao hoe tratranao ilay tanjona, rehefa tonga ny fotoana hialan’ny zanakao ao an-trano.—Toro lalana: Marka 10:7.

Mazava ho azy fa mbola ianao foana no rainy na reniny. Tsy mpanara-maso an’izay ataony intsony anefa ianao izao, fa mpanoro hevitra. Mbola ho afaka hifandray tsara amin’ny zanakao àry ianao, nefa koa hataonao vaindohan-draharaha ny fikarakarana ny vadinao.b—Toro lalana: Matio 19:6.

Resaho izay mampanahy anao. Resaho amin’ny vadinao izay tsapanao, noho ilay fiovana eo amin’ny fiainanareo. Henoy koa izay lazainy rehefa mamboraka ny ao am-pony izy. Miezaha hanam-paharetana sy hahatakatra an’izay tsapany. Mety ho elaela vao tena hifandray am-po ianareo mivady, nefa tsy ho very maina ny ezaka ataonareo.—Toro lalana: 1 Korintianina 13:4.

Miaraha manao zava-baovao. Diniho hoe inona ny tanjona tianareo hotratrarina, na ny zavatra mahaliana tianareo hiarahana mianatra. Azo inoana koa fa efa ampy traikefa ianareo, satria efa nahalehibe anaka. Azonareo zaraina amin’ny hafa izany.—Toro lalana: Joba 12:12.

Velomy indray ilay fitiavana. Eritrereto hoe inona ny toetra nanintona anao tamin’ny vadinao. Tsarovy ireo taona maro niarahanareo nigoka ny mamy sy ny mangidy. Ho hitanareo fa ho afaka hanomboka fiainam-baovao mahafinaritra ianareo. Ho afaka hanatsara ny fiainan-tokantranonareo ianareo raha samy miezaka. Hamelona an’ilay fitiavana tsapanao tamin’ny voalohany koa izany.

a Avy amin’ny boky Efa Manambady Nefa Raiki-pitia Amin’olon-kafa (anglisy).

b Tadidio fa “nofo iray” ianao sy ny vadinao, na mbola kely aza ny zanakareo sasany. (Marka 10:8) Tena mahatsiaro ho voaro ny ankizy, rehefa hitany hoe mifankatia ny ray aman-dreniny.

ANDININ-TENY FOTOTRA

  • “Ny lehilahy dia handao ny rainy sy ny reniny.”​—Marka 10:7.

  • ‘Aoka izay nampiraisin’Andriamanitra zioga, tsy hosarahin’olona.’—Matio 19:6.

  • “Ny fitiavana mahari-po sy tsara fanahy.”—1 Korintianina 13:4.

  • “Tsy manam-pahendrena ve ny be taona?”—Joba 12:12.

Salvatore sy Aurora

SALVATORE SY AURORA

“Manam-potoana kokoa izao izahay mivady, dia tianay hohararaotina izany. Nanapa-kevitra àry izahay hoe hanampy an’ireo fianakaviana misy zanaka, sy ny mpivady tanora. Tia manampy olona izahay sady tia mizara ny traikefa anananay.”

Carlo sy Caterina

CARLO SY CATERINA

“Elaela izahay vao tena niaiky hoe niova ny fiainanay. Ny momba ny zanakay foana mantsy no tena noresahinay, nandritra ny taona maro. Izao izahay roa vao mihazatra miresaka momba anay sy ny zavatra tianay, rehefa miara-manao zavatra.”

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara