INONA NO TENA MAHASAMBATRA?
Fanazavana Fanampiny
EFA NIERITRERITRA VE IANAO HOE:
Ahoana no hahasambatra ny fianakaviako?
Ahoana no hahazoako namana tsara, ary inona no hanampy ahy ho namana tsara?
Mbola hahita an’ireo havako efa maty ve aho?
Tsy hisy hijaly intsony ve indray andro any?
Ho potika ve ity tany ity, noho ny ataon’ny olombelona?
Manampy ny olona hifandray amin’Andriamanitra ve ny fivavahana rehetra?
AFAKA MAHITA NY VALIN’IREO SY NY VALIM-PANONTANIANA HAFA IANAO
Midira ao amin’ny tranonkala jw.org, izay misy amin’ny fiteny 900 mahery. Misy fanazavana momba ny foto-kevitra maro samihafa ao.
Misy video koa ao ahitana olona samy hafa saranga sy fiaviana. Efa mpidoroka zava-mahadomelina ny sasany taminy, na efa nigadra. Ny hafa indray manam-pahaizana be, ohatra hoe mpahay siansa. Lasa sambatra anefa izy ireo, ary tsy nanenenany mihitsy ny fiovana nataony.
Afaka mamaky Baiboly sy boky ary gazety isan-karazany ianao, ao amin’ny jw.org. Azo alaina maimaim-poana koa izy ireo. Ho hitanao ao, ohatra, ireto:
Tianao ho Sambatra ve ny Fianakavianao?
Te ho Sambatra ve Ianao?
Vaovao Tsara Natao ho Anao!